2022
Ilay hery antsointsika hoe fahasoavana
Jolay 2022


“Ilay hery antsointsika hoe fahasoavana,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Fanampiana amin’ny fiainana

Ilay hery antsointsika hoe fahasoavana

Afaka manampy antsika ny fahasoavan’ Andriamanitra na inona na inona olana atrehantsika.

Sary
zatovovavy

Sary avy amin’ny Getty Images

Izaho dia nanatrika ny fandevenana ny mpikambana iray taloha tao amin’ny paroasinay izay maty namono tena rehefa avy nitolona nandritra ny fotoana maharitra tamin’ny fahaketrahana. Vaky ny foko rehefa nisaona ny famoizana azy niaraka tamin’ireo namany sy ny fianakaviany.

Mety ho sarotra tsaboina sy sarotra iainana ny fahaketrahana sy ireo olana hafa amin’ny fahasalamana ara-tsaina ho an’ireo olona miatrika izany sy ho an’ireo rehetra izay tia azy ireo. Ny vaovao mahafaly avy amin’ny filazantsara dia ny hoe manolotra fanantenana sy fanampiana amin’ny alalan’ny fanomezany fahasoavana i Kristy.

Ny fanadihadiana iray nandraisan’ny tanora miisa 600 tao Brigham Young University anjara dia naneho fa kely kokoa ny fahaketrahana, ny hakiviana, ny fikatsahana ny lavorary, ary ny henatra izay mianjady amin’ireo izay nahatakatra ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.1 Inona no takatr’ireo tanora ireo momba ny fahasoavana ka nahatonga fiovana lehibe toy izany teo amin’ny fiainan’izy ireo?

Tsy manam-petra ny fitiavan’ Andriamanitra antsika

Tao anatin’ilay fanadihadiana dia nisy olona sasany nino fa tsy ho tia sy tsy hanampy azy ireo Andriamanitra sy i Jesoa Kristy raha tsy efa tonga lafatra izy ireo. Sahirana kokoa ireo olona ireo raha mitaha amin’ireo hafa izay nahatakatra fa tsy manam-petra ny fitiavan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy azy ireo ary eo foana Izy ireo ho azy ireo.

Amin’ny teny Anglisy, ny teny hoe grace dia manana heviny maro. Mety hoe habikana, halemem-panahy, na fahalalam-pomba no dikan’izany. Amin’ny teny Hebreo ilay teny dia midika hoe fanampiana na fitiavana omena amim-pangorahana. Izay angamba no manazava ny antony nampiasan’ny Kristianina tao anatin’ny taonjato maro ny teny hoe fahasoavana mba hamaritana ny fanampiana sy ny fankasitrahana ary ny fitiavan’ Andriamanitra.

Maniry ny hanampy antsika Andriamanitra

Takatry ny Olomasin’ny Andro farany fa mihoatra lavitra ny hoe toetra iray ananan’ Andriamanitra ny dikan’ny hoe fahasoavana. Ny fahasoavana ihany koa dia mamaritra ny fomba hidirany an-tsehatra mba hanampy antsika eo am-piezahantsika ho tonga tahaka Azy (jereo ny Môrmôna 10:32). Ny Filoha Dieter F. Uchtorf, izay Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany fotoana izany dia nanazava fa ny famindram-po dia “ilay fanampiana masina sy fanomezana hery izay ahafahantsika mivoatra avy amin’ilay olona tsy tanteraka sy manam-petra misy antsika amin’izao fotoana izao, ka ho tonga olona misandratra.”2

Tao anatin’ilay fanadihadiana voalaza tery aloha dia kely kokoa ny olana teo amin’ny fahasalamana ara-tsaina nianjady tamin’ireo tanora izay nahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy hoe vonona sy afaka ny hanampy azy ireo raha nampitahaina tamin’ireo izay nahatsapa ho niady irery.

Manampy antsika araka izay toe-javatra misy antsika Andriamanitra

Maro loatra ny olona mahatsapa fa tsy tody any amin’izy ireo ny fanampian’ Andriamanitra satria toa tsy mbola nahazo izany izy ireo. Ny marina dia fanomezana ny fahasoavana. Tsy voatery hiezaka ny hahazo fanomezana ianao. Mila misafidy ny handray izany fotsiny ianao.

Tao amin’ilay fanadihadiana dia vitsy kokoa ny ady natao teo amin’ny fahasalamana ara-tsaina teo anivon’ireo izay nahatakatra fa manampy antsika Andriamanitra na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona zavatra nataontsika. Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe “Tsy mila maneho fahaiza-manao kely na hatsaram-panahy kely akory isika dia efa tonga ny fanampian’ Andriamanitra—fanampiana avy Aminy izay afaka ny ho azontsika isan’andro isan’ora, na aiza na aiza misy antsika eo amin’ilay lalan’ny fankatoavana.”3

Feno fankasitrahana aho tany amin’ny fandevenana ilay namako noho ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka izay nozaraina mikasika ny fanantenana sy ny fanasitranana afaka ny ho azon’ny rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. I Kristy tokoa no vahaolana amin’ny olana rehetra ary loharanon’ny fifaliana marina.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Daniel K. Judd, W. Justin Dyer, sy ny Justin B. Top, “Grace, Legalism, and Mental Health: Examining Direct and Mediating Relationships,” Psychology of Religion and Spirituality, boky faha-12, lah. 1, feb. 2020, 26–35; jereo koa ny Daniel K. Judd sy ny W. Justin Dyer, “Grace, Legalism, and Mental Health among the Latter-day Saints,” BYU Studies, boky faha-59, lah. 1 (2020), 5–23.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-po,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany apr. 2015 (Liahona, mey 2015, 107).

  3. D. Todd Christofferson, fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôkt. 2014 (Liahona, nôv. 2014, 19).

Hamoaka printy