2022
Aza matahotra, fa momba anao ny Tompo
Jolay 2022


“Aza matahotra, fa momba anao ny Tompo,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Teny farany

Aza matahotra, fa momba anao ny Tompo

Tsy zava-baovao ny tahotra. Hatramin’ny fahagolan-tany dia nametra ny fomba fijerin’ny zanak’ Andriamanitra ny tahotra. Hitantsika ao amin’ny 2 Mpanjaka fa ny mpanjakan’i Syria dia nandefa tafika hisambotra sy hamono ny mpaminany Elisa.

“Ary rehefa nifoha maraina ny zatovo[n’i Elisa] ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay [mpanompon’i Elisa] taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?” (2 Mpanjaka 6:15).

Tahotra izany.

“Dia namaly i [Elisa] hoe: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.

“Avy eo Elisa nivavaka hoe, Jehovah ô, mangataka aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovolahy; ary dia nahita izy: ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.”(2 Mpanjaka 6:16–17).

Mety hanana na tsy hanana kalesy afo nalefa mba handroahana ireo tahotsika sy handresena ireo demony eo amintsika isika, kanefa mazava ilay lesona. Miaraka amintsika ny Tompo ary mieritreritra momba antsika sy mitahy antsika amin’ireo fomba izay Izy irery ihany no afaka manao izany.

Raha toa ka matoky amim-pahavitrihana ny Tompo sy ireo lalany isika, raha toa ka mandray anjara amin’ny asany isika, dia tsy hatahotra ireo fironan’izao tontolo izao na hiroanahana noho izy ireny. Miambina antsika ny Tompo, miahy antsika, ary mijoro eo anilantsika.

Hamoaka printy