2022
Miomana handray ny tempolin’i Dubai
Jolay 2022


“Miomana handray ny tempolin’i Dubai,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Miomana handray ny tempolin’i Dubai

Mizara ny fitiavany ny tempoly sy ny hafaliany mahakasika ilay iray izay haorina any akaikin’izy ireo ireo zatovo ao Dubai sy Qatar.

Sary
zatovolahy

Sarin’i Saajan nalain’i Carla Nacario

Teny vitsy tsotra fotsiny ilay izy, kanefa manova ny fiainanao rehefa mpaminanin’ Andriamanitra no miteny azy. Nihaino tamim-pitaintainana ny fanambarana tempoly vaovao ireo mpikambana manerana izao tontolo izao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ary ho an’i Saajan sy i Gwen, raha vantany vao nilaza ny teny hoe “Dubai, Émirats Arabes Unis” ny filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020, dia fantatr’ireo zatovo anankiroa ireo fa hiova tanteraka ny fiainan’izy ireo.1

Fantaro i Saajan avy ao Dubai

Tsy mbola nahita tempoly mivantana mihitsy i Saajan izay roa ambin’ny folo taona.

“Nanana tanjona ny ho any amin’ny tempoly foana ny reniko,” hoy i Saajan. “Nahatonga ny olona ho tia ny tempoly ny fitiavany ny tempoly. Ny hitsidika ny tempoly izao no tanjoko eo amin’ny fiainana.”

Teraka tany Inde i Saajan, saingy rehefa nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny dia niara-nifindra tamin’ny reniny tany Émirats Arabes Unis izy. “Miasa mafy dia mafy ny reniko. Toy ny mahery fo izy amiko. Na dia mandritra ireo fotoan-tsarotra aza dia tsy milavo lefona mihitsy izy.”

Sary
zatovolahy sy renim-pianakaviana

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Inde ny renin’i Saajan sy ny renibeny taona vitsy talohan’ny nahaterahany. Namaky ny Bokin’i Môrmôna izy ireo dia fantany fa valin’ny vavaka nataon’izy ireo izany. Niara-nandeha nivavaka tamin’ny reniny i Saajan mandra-pahalehibe azy, ary vao haingana izy no natao batisa rehefa avy niandry fanomezan-dalana avy tamin’ny rainy.

“Isan’ireo safidy tsara indrindra nataoko teo amin’ny fiainako ny nanao batisa,” hoy izy. “Ary rehefa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aho dia nahatsapa ho nafana sy faly tokoa tao anatiko.”

Ankehitriny i Saajan dia mizara ny fanasan’ny Tompo ho an’ny paroasiny ary miomana ny hiditra ny tempoly. Nahazo ny fahazoan-dalany hidirana ny tempoly izy ary tsy andriny ny hiditra ao amin’ny tempolin’i Dubai Émirats Arabes Unis rehefa vita izany.

“Rehefa reko fa nanambara ilay tempoly izy ireo dia tsapako manokana fa natao ho ahy izany,” hoy i Saajan. “Valin’ny vavaka nataonay izany. Nihetsi-po tokoa aho satria eo amin’ny toerana ipetrahanay mihitsy no hanorenan’izy ireo izany! Ho afaka ny handray fiaran-dalamby mitondra mivantana any amin’ny tempoly aho ary handeha any matetika araka izay tiako. Mahafaly ahy ihany koa ny tempolin’i Bengaluru Inde izay ho azon’ireo ray aman-drenibeko tsidihina.”

Sary
zatovolahy mihazona ny sarin’ireo ray aman-drenibeny

Nahatsapa hafaliana ho an’ny ray aman-drenibeny i Saajan satria any akaikin’izy ireo no hisy ny tempolin’i Bengaluru Inde.

Te hanao asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambeny hafa ihany koa i Saajan.

Sary
tovolahy sy renim-pianakaviana mampiasa solosaina

“Miomana aho mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly. Te hanao izay azoko atao aho mba hanampy ny razambeko rehetra. Manana fahafahana mampientam-po tokoa aho hanompoana ny Tompo sy hanaovana ireo zavatra mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra.”

Fantaro i Gwen avy ao Qatar

Sary
zatovovavy

Sarin’i Gwen nalain’i Christina Smith ary avy amin’ny fianakaviany

Nandritra ireo 18 taona voalohany teo amin’ny fiainany dia nipetraka tany amin’ny firenena dimy samy hafa i Gwen: Écosse, Angleterre, Kazakhstan, ary Qatar. Nitondra azy ireo manerana izao tontolo izao ny asan’ny rainy, fa ny vao haingana indrindra dia tany Moyen Orient.

Efa lasa nifindra toerana daholo ny zokin’i Gwen, ka noho izany dia izy no miara-mipetraka amin’ny neniny sy ny dadany any Qatar. Anisan’ny iray amin’ireo zavatra niainana tena tiany ny nanao dia lavitra niaraka tamin’ny zatovo tao amin’ny paroasiny mba hanao dia ho any amin’ny tempoly tany amin’ny tempolin’i Kiev Ukraine. Tsy misy tempoly eo akaiky eo ka noho izany dia tsy maintsy mandeha fiaramanidina ny Olomasina ao Moyen Orient mba hitsidika ireo tempoly any amin’ny firenena hafa.

“Nampientanentana ahy ery ny dianay, ary naniry ny hitondra ny anaran’ny fianakaviako aho,” hoy izy. “Nitady anaram-pianakaviana tao amin’ny findaiko aho isan’andro rehefa nandeha nianatra sy nody avy nianatra. Nahita anarana niisa 200 teo ho eo aho. Nahatsapa ho tena vonona ny handeha aho!”

Sary
Karatra fanaovana asa any amin’ny tempoly

Saingy nisy olana kely iray izay tsy nahafahany niomana.

Valanaretina maneran-tany iray.

Tonga tao Ukraine tamin’ny martsa 2020 ny fiaramanidina nitondra an’i Gwen, tamin’ny fotoana izay nanombohan’izy ireo indrindra nandre bebe kokoa momba ny fihanahan’ny otrikaretina COVID-19. Noho ny fanampian’ Andriamanitra dia tonga tany amin’ny tempoly izy ireo ary afaka nanatanteraka batisa ho an’ireo anaram-pianakaviana izay nomanin’i Gwen.

Sary
andian-jatovovavy

“Nisy fahagagana nifanesy tamin’izay,” hoy izy. “Nanahy ny amin’ilay valanaretina aho teny am-pandehanana fiara nankany amin’ny tempoly. Kanefa nahatsapa fiadanana sy fampiononana lehibe aho tao amin’ny tempoly. Ary afaka niverina nandeha fiaramanidina nankany Qatar izahay talohan’ny hikatonan’ny sisintany mihitsy.”

Sary
zatovovavy anankiroa

Saingy tsy afaka niverina tany Qatar ny renin’i Gwen izay nandeha nitsidika ny iray tamin’ireo mpiray tampo amin’i Gwen tany Etazonia Amerika. Nihiboka tao an-trano i Gwen sy ny rainy rehefa tratran’ny COVID ny rainy. “Narary mafy nandritra ny fotoana maharitra izy ary tsy dia afaka nihetsika firy,” hoy i Gwen. “Nahatsapa ho tena irery aho. Mbola tsy tonga ny reniko, kanefa tsy nahay nikarakara sakafo betsaka aho ankoatra ny sandwich natono misy fraomazy.

Kanefa niaina zavatra niavaka i Gwen rehefa nanao fotoam-pivavahana tao an-trano niaraka tamin’ny dadany.

“Tsapako ho toy ireny hoe niaraka taminay sy ny raiko ireny ireo olona izay nentinay tany amin’ny tempoly ny anarany,” hoy izy. “Tsy nahatsapa ho irery intsony aho. Traikefa tena mamy tokoa izany. Fitahiana lehibe tokoa ny nitsidihana ny tempoly talohan’ilay valanaretina.”

Sary
andian-jatovo manoloana ny tempoly

Nambara iray volana monja taorian’ilay dia nankany amin’ny tempoly tany Ukraine ny tempolin’i Dubai Émirats Arabes Unis. Hafaliana tokoa ny an’i Gwen! Ary fantany ny ho lanjan’izany amin’ireo olona ao amin’ny faritra misy azy.

“Fantatro fa misy olona tsy manana fahafahana ara-bola handehanana fiaramanidina mankany amin’ny tempoly iray hafa any Eorôpa ao amin’ny faritra misy ahy. Niandry efa hatry ny ela izy ireo mba hofehezina ho fianakaviana mandrakizay. Izany dia mampiseho amiko fa tena mitranga ny fanangonana. Manomana ny lalana mba hiavian’i Kristy indray isika.”

Ireo fitahian’ny tempoly

Zavatra iray iraisan’i Gwen sy Saajan ny hoe efa mitahy ny fiainan’izy ireo ny tempoly. Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Ny tempoly dia ampahany mampiavaka ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Noho ny hatsaram-panahy sy ny famindram-pon’ Andriamanitra dia mampanatona ireo fitahian’ny tempoly ho akaiky kokoa an’ireo zanany Izy na aiza na aiza misy azy ireo.”2

Hamoaka printy