Ho zatovo mahery!
Malala aho
Jolay 2024


Malala aho

Ireto ny tonon’ity hira avy amin’ny angon-kira momba ny Teny filamatry ny Zatovo ho an’ny taona 2024 ity.

Sary
tonon-kira

1. Jereko ireo sary

mipoitra eo amin’ny finday

toa sambatra aoka izany,

f’izaho toa tsy mba ohatr’izay.

Nivezivezy hatrany,

tsy haiko hoe ho lasa iza aho rahatrizay.

Tsy mampahita tory

‘reo zava-maro andrandraina,

mikiky, mampahory.

Hitady aho nefa hiala maina,

ary tsy hahita akory

ny marina izay toa manahiran-tsaina. Mm.

Avy eo dia reko ilay feonao

‘zay mampitraka ahy,

miaro ity fanahy.

Mihamaivana aho

satria nampianao.

Fa zanakao aho ‘zay malala

sy nandova

toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao,

zanakao aho ‘zay malala

sy nandova

toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao malala aho. Malala aho.

2. Tsy ahoako ireo kotaba,

mahita aho ‘zao am-pitoniana

f’ilay fitiavanao

no fanafana azoko hitokiana.

Fa eo ‘reo holatrao

porofo tsara ho tadidiana.

‘Ndraindray dia reko injay ‘lay feonao

‘zay mampitraka ahy,

miaro ity fanahy.

Haiko hoe iza aho,

na aiza misy ahy.

zanakao aho ‘zay malala

sy nandova

toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao,

zanakao aho ‘zay malala

sy nandova

toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao malala aho. Malala aho.

‘Reo ratra tsy hamaritra ahy

fa hanome traikefa.

Nampahitanao ‘ty fanahy

ireo zava-tsoa rehetra.

‘Reo ratra tsy hamaritra ahy

fa hanome traikefa.

Nampahitanao ‘ty fanahy

‘ty fanahy.

Fa zanakao aho ‘zay malala

sy nandova

toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao,

zanakao aho ‘zay malala

sy nandova

toetranao aho,

‘zaho dia noharianao tsara,

tsy hisalasala aho,

antsoinao malala aho. Malala aho.

Hamoaka printy