Ho zatovo mahery!
Tsy misy manana fitsipika mitovy amin’ny ahy ny ao an-tsekoly. Ahoana no ahafahako manana namana tsara any?
Jolay 2024


“Tsy misy manana fitsipika mitovy amin’ny ahy ny ao an-tsekoly. Ahoana no ahafahako manana namana tsara any?” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

Fanontaniana sy valiny

“Tsy misy manana fitsipika mitovy amin’ny ahy ny ao an-tsekoly. Ahoana no ahafahako manana namana tsara any?

Sary
zatovovavy

“Resaho ny zavatra mahaliana iombonanareo. Tsy voatery hampihena ny fahazavanao ianao. Mila fotsiny ianao ho zatovo toy ny rehetra izay mankafy ihany koa ireo zavatra mahafinaritra sasany izay ankafizin’ireo zatovo hafa. Araho ireo fitsipik’i Jesoa Kristy, ary ataovy mazava amin’ireo mpiara-mianatra aminao hoe inona avy ireo fitsipika arahinao.”

Jamie Ann B., 18 taona, Negros Occidental, Filipina

Sary
zatovovavy

“Mitadiava olona mitovy kilasy, na zavatra mahaliana, talenta, na fialam-boly aminao. Misy olona tena tsara avy amin’ny finoana hafa, ary misy koa olona tena mahafinaritra izay tsy manana finoana mihitsy. Zanak’ Andriamanitra malalany foana izy ireny. Rehefa manohy mitandrina ireo fitsipika arahinao ianao, na dia tsy manao izany aza ny namanao, dia mety hamporisika ny hafa hanao safidy tsara kokoa ny ohatra asehonao.”

Lucy B., 15 taona, Lima, Perou

Sary
zatovolahy

“Aoka ianao hanam-paharetana sy hivelatra ara-toe-tsaina. Tsy ny hanana namana betsaka no zava-dehibe fa ny hanana namana tsara, ary ny fananana namana vitsy tena tsara dia afaka ny hahasoa kokoa noho ny fiezahana hanana ny toeranao eo anivon’ny andiana namana iray izay tsy manaraka ireo fitsipika arahinao.”

Adedoyin Alma O., 17 taona, Osun, Nizerià

Sary
zatovovavy

“Zarao amin’izy ireo ny fitsipika arahinao. Raha fantatr’izy ireo hoe inona ireo fitsipika arahinao dia afaka ny hanaja azy ireny izy ireo. Azonao asaina koa ireo namana any am-pianarana hanatrika fotoam-pivavahana sy/na fiaraha-mientana an’ny Fiangonana mba hanampiana azy ireo hahita misimisy kokoa ny zavatra inoanao.”

Margarett P., 13 taona, Texas, Etazonia

Sary
zatovovavy

“Nianatra aho fa afaka mahita namana tsara ianao amin’ny alalan’ireo bitsiky ny Fanahy sy ny fanehoanao tsotra izao ny maha ianao anao. Indraindray ny olona dia hanatona anao, ary indraindray dia ianao no mila mikaroka, saingy hisy ireo olona izay ho namana tsara ho anao na mila namana tsara tahaka anao.”

Katie R., 18 taona, Nebraska, Etazonia

Hamoaka printy