Ho zatovo mahery!
[Mizaka] ny zavatra rehetra
Jolay 2024


“[Mizaka] ny zavatra rehetra,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

[Mizaka] ny zavatra rehetra

Tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fisedrana. Inona anefa no ataonao rehefa misoko mangina aminao ka tsy ampoizina mihitsy izany?

Sary
lehilahy mihazakazaka any anaty ala

Sary nataon’i Paulina Wyrt

Tamin’io maraina namaritra ny hoavy io dia nihevitra nihoatra ny indray mandeha aho fa ho faty. Nanafotra ahy tanteraka sy nahatonga ahy ho very fanantenana ny nahitana ny rà rehetra—ny rako—nitete teo amin’ilay lalana sy ny fahatsapana ny hasiahan’ilay bera grizzli romotra tamiko tanteraka namely ahy tamin’ny nifiny sy ny hohony maranitra.

Maraina tonga lafatra iray

Tena samy hafa tanteraka amin’izany no nitranga tsy adiny roa akory talohan’izay. Nirotsaka tamim-pahasambarana hanao hazakazaka an-tanety tamin’ny andro anankiray izay anisan’ny tsara indrindra hitako nandritra io vanim-potoana fahavaratra io tany ambanivohitr’i Wyoming andrefana ao Etazonia ny tenako. Niloko manga kôbalta isan-karazany namiratra be ny lanitra tamin’izay, nisy voninkazo dia nandrakotra ny lalana mankany amin’ireo havoana, ary nangatsiatsiaka nefa nahafinaritra ny rivotry ny maraina. Andro tena natao hanaovana hazakazaka 24 kilaometatra tany an-tendrombohitra tamin’izay.

Hazakazaka fanazaran-tena nahazatra tamin’izay. Niezaka nampitombo ny tanjako sy ny faharetako hiomanana amina marathon afaka roa volana aho. Mampitombo tanjaka ny mpihazakazaka amin’ny alalan’ny fanaovana hazakazaka fohy miverimberina. Mampitombo fahatanjahana izany, ary avy eo mampitombo ny faharetana.

Tena tsy nampoiziko mihitsy fa hila izay mety ho faharetana sy hery rehetra tao amiko aho satria hiatrika hazakazaka hamonjena ny aiko.

Fanafihana tampoka

Rehefa manao jery todika aho, dia tokony nahatsikaritra ihany ireo famantarana. Satria raha ny marina dia nilaza tamintsika ny Tompo fa “ny zavatra ho avy [dia] hambarany amin[tsika]” amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (Jaona 16:13). Araka ny nampianarin’ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Afaka manampy anao amin’ny fampitandremana anao mialoha ny amin’ireo loza ara-batana sy ara-panahy ny Fanahy Masina.” Ary nanao izany Izy.

Vao nihazakazaka minitra vitsy monja aho dia nandinika ary nahatsikaritra zavatra iray. Taitra be aho rehefa nahita endrika tena nazava ana dian-tongotrana bera teo amin’ny vovoka teo anoloako. Fampitandremana mazava izany. Adaladala anefa aho ka nihevitra fa nandalo teo tokoa ny bera iray saingy tsisy tokony hampaninona intsony amin’izao. Tsy tokony hampiahiahy e? Noho izany dia nihazakazaka aho.

Tsy adiny iray taty aoriana akory dia somary nanafaingam-pandeha kely aho ary nidina havoana iray nitondra tao anaty alakely rakotra hazo. Raha iny nihodina teo am-poton’ilay havoana iny aho dia nahare feo fanitsahana nahery vaika, tena nahery vaika ka nahatonga ny vatako nivarahontsana. Avy hatrany dia nijanona aho ary nijery tsimoramora teo amin’ny ankaviako. Tsy tafahetsika aho sady nihorohoro. Ilay feo, izay voafaritro vetivety teo fa sampan-kazo voahitsakitsaka, dia nanatona tena haingana. Taorian’izay dia tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny zavatra hitako—bera grizzli tena lehibe izay nandroso taty amiko!

Sary
bera iray manafika

Raha ny tokony ho izy dia hamono ahy ny fanafihana mahery vaika izay nataony avy eo. Tena niharihary fa taitra be ilay bera, notairiko izy raha nidina nankao amin’ilay alakely nihazakazaka aho. Kanefa izany fotoana izay nahazoako antoka ny hahafatesako izany dia narahan’ny vavaka tena avy amin’ny fo indrindra nataoko teo amin’ny fiainako. Dia niditra an-tsehatra avy eo ny famindram-po izay avy any an-danitra.

Tsy hay hazavaina hoe nahoana fa dia najanon’ilay bera ny fanafihana tsy an-kiato nataony dia nandositra tany anaty ala izy. Tena tsara be izany zava-nitranga izany! Fa ny zavatra ratsy nitranga kosa dia nisy ratra goavana niisa 16 avy amin’ny nifiny sy ny hoho maranitra aho ary tavela irery tao anatin’ny ala iray, feno rà, ary 18 km niala ny lalana akaiky indrindra, ka tsy nisy fanampiana azo notazanina.

Fotoana handraisana fanapahan-kevitra

Tampoka teo dia tojo fotoana iray handraisana fanapahan-kevitra goavana teo amin’ny fiainako aho. Raha toa ianao ka mbola tsy niaina fotoana toy izany dia omeko toky fa tsy maintsy hitranga izany. Tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fisedrana. Soa ihany fa tsy hoe fanafihan’ny bera iray no hitrangan’izany—ho an’ny ankamaroantsika! Saingy amin’ny fotoana anankiray ianareo dia mety hahatsapa ho mavesatra noho ny fisedrana atrehanareo. Fahatsapana ho very tanteraka izay nofariparitan’ny Tompo indray mandeha tamin’ny fomba mazava tsara hoe ny “valanoranon’ny helo,” izay “hampitanatana ny vavany mba hitelina anao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7).

Rehefa tojo ireny sampanan-dalan’ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainana ireny dia mila mandray fanapahan-kevitra ianao. Azonao atao ny milavo lefona, mandry amin’ny tany, ary maty; na azonao atao koa anefa ny manangona ny herim-po sy tanjaka ao aminao rehetra ary miady amim-pahasahiana, matoky fa rehefa manao ny anjaranao ianao dia hanao ny Azy ny Tompo. Nanazava tamin’i Joseph Smith fony izy voafonja tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny tanjon’ireo fahorian’ny fiainana ny Tompo: “Ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7).

Ary tena ho soa ho anao tokoa izy ireny. Manatsara sy manefy anao izy ireny ka dia hitombo tanjaka sy hanorina faharetana ianao. Izany no antony nilazan’ny Tompo tamin’i Joseph—ary ilazany aminao—mba “[hihazona] ny lalanao” eo anatrehan’ireo fitsapana sy fisedrana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9). Rehefa mihazona ny lalanao ianao eo amin’ny fiainana—na dia amin’ny hohon-tanana monja aza—dia hahita fa na dia ny tanjaka kely indrindra ao aminao aza dia ampy ho an’ny Tompo. Araka ny nampanantenaina, dia “Mahery ka mahavonjy” Izy (2 Nefia 31:19).

Mahereza

Tena izany mihitsy no nitranga tamiko. Tsy nilavo lefona aho fa niarina kosa. Tapa-kevitra ny ho velona aho, izay nidika hoe nila nitady fanampiana aho. Raha zara raha nahavita namakivaky lalana nihoatra ny iray kilaometra sy tapany teo ho eo iny aho, dia tafahoana tamin’ireo hany olona tao anatin’ilay ala tamin’io andro io tao anatin’ny kilaometatra maro ihany aho nony farany. Izany fihaonana mahagaga izany taty aoriana dia nitondra tamina famonjen’ny helikôptera ho afaka ny ala, ny fandidiana famonjen’aina anakintelo, ary ny fahatakarana mazava tsara ny fitahian’ny hoe tapa-kevitra “[hihazona] ny lalanao.”

Sary
I Michael A. Dunn ao amin’ny hôpitaly

Nahita fanampiana ny Loholona Dunn, novonjena izy, ary nandalo fandidiana famonjen’aina anakintelo.

Nampitombo ny heriko sy ny fahavononako ary ny finoako izany zavatra niainana izany. Nampatanjaka ahy sy nanomana ahy amin’ny fiatrehana ireo fanamby hafa eo amin’ny fiainana ihany koa izany. Azoko antoka tanteraka fa rehefa “[mizaka] ny zavatra rehetra, [mino] ny zavatra rehetra, [manantena] ny zavatra rehetra, [ary maharitra] ny zavatra rehetra” (1 Korintiana 13:7) ianareo, dia hanorina ny faharetana sy tanjaka izay ilainareo amin’ny fiatrehana ireo fanamby. Hahita ny tanan’ny Tompo hanampy anareo hizaka izay mety handalo ny lalanareo ianareo—na dia ny “valanoranon’ny helo” mihitsy aza izany.

Hamoaka printy