Ho zatovo mahery!
Vatsy mahasoa ny ara-pihetsehampo
Jolay 2024


“Vatsy mahasoa ny ara-pihetsehampo,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

Fanampiana amin’ny fiainana

Vatsy mahasoa ny ara-pihetsehampo

Ireto misy paika hihazonanao ny fahasalamanao ara-pihetsehampo.

Jesoa Kristy

Mety hieritreritra fomba maro hihazonanao ny fahasalaman’ny vatanao ianao izao rehefa mihalehibe. Fantatrao fa tia anao sy maniry ny hikarakaranao tsara ny vatanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ary “tafiditra ao anatin’ny fikarakaranao ny vatanao ny fikarakarana ny fahasalamanao ara-tsaina sy ara-pihetseham-po” (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 29). Ireto misy zavatra afaka manampy anao ho salama ara-pihetsehampo ihany koa!

  • telefaonina finday

    Sary famantarana nataon’i Emily E. Jones

    Mifandraisa amin’ny hafa. Indrindra indrindra rehefa mahatsiaro ho malahelo, dia tsy tsara raha irery ianao. Tsy mampaninona izany amin’ny ankamaroan’ny fotoana, saingy zava-dehibe ihany koa ny mandany fotoana miaraka amin’olona izay mankahery anao. Ny fanirery dia saika mahatonga ireo olana ho mafy kokoa foana.

  • sary famantarana maneho firesahana

    Asehoy ny fihetsehamponao. Mizàra ho marina amin’ny fanaheoana ny zavatra tsapanao. Resaho amin’ny fomba voafaritra tsara ny fihetsehamponao. Ary tena marina fa tsy maninona mihitsy ny mitomany! Eritrereto ny fotoana nitomanian’i Jesoa (jereo ny Jaona 11:32–35).

  • atidoha

    Fantaro fa fampahalalana ny fihetsehampo. Na dia mety tsy hampahazo aina anao aza izy ireny dia tsy hoe handratra anao ny fihetsehampo sy ny fisian’izany. Miezaha mamantatra ny fihetsehampo ao aminao ary fantaro hoe inona no zavatra lazainy aminao.

  • penina, pensilihazo, borosy fandokoana

    Mizàra mampihatra ireo fahaiza-manao hoenti-miatrika ny fiainana. Rehefa malahelo na sorena ianao dia mianara mifehy ireo fihetsehampo ireo amin’ny fomba mahasoa. Ohatra, mahita ny olona maro fa ny fandehanana an-tongotra, ny fihainoana mozika, ny fanaovana sary, ny fivavahana, na ny fanoratana ao anatin’ny diary dia afaka manampy.

  • rahona

    Avelao ireo fihetsehampo manahirana ho avy ary hiala aminao. Mitroha rivotra elaela ary alaivo sary an-tsaina fa misy rahona mandalo eny amin’ny lanitra, na rano mikoriana amin’ny renirano. Ekeo ireo eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao dia ezaho roahina izy ireny.

  • soratra masina

    Fahano hatrany ny fanahinao. Ny soratra masina, ny hira ao amin’ny fihirana, ny vavaka, ny fiangonana—ireo zavatra rehetra ireo dia manampy mampatanjaka ny fanahinao, izay hanampy ny ambiny rehetra ao aminao mba ho salama.

  • tavoahangy misy rano sy kiraro

    Miezaha ho salama ara-batana. Mifandray ny fahasalamantsika ara-pihetsehampo sy ara-batana. Ny fihinanana sakafo manohan’aina sy ny fahazoana torimaso ampy tsara ary ny fanorenana fahazarana hampiasa vatana dia hanampy anao ho salama ara-pihetsehampo kokoa rehefa mihalehibe ianao.

  • zanakalahy sy ny reniny

    Mangataha fanampiana raha ilaina. Indraindray ny vatantsika dia mila fanampiana avy amin’ny matihanina mba ho salama sy matanjaka. Ireo loharanom-panampiana ireo dia fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra, izay maniry hanampy antsika. Toy izany koa, mety hila fanampiana avy amin’ny mpitsabo sy mpanorohevitra isika mba ho salama ara-pihetsehampo amin’ny fotoana sasany. Raha mahatsapa ianao fa malahelo mandritra ny fotoana maharitra, na raha manana eritreritra handratra ny tenanao ianao, dia aoka hangataka fanampiana amina olon-dehibe. Tsy voatery hiatrika izany irery ianao! Ampiasao ireo fitahiana rehetra nomen’ny Ray any An-danitra ho anao.