“Teny natao iainana,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.
Teny natao iainana
Ny tsodranon’ny patriarika ho anao
Notsoahina avy amin’ny lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023 nataon’ny Loholona Kazuhiko Yamashita sy ny Loholona Randall K. Bennett ao amin’ny Fitopololahy.
-
Mirakitra torohevitra manokana avy amin’ny Tompo ho anao.
-
Manambara ny rohim-pirazananao ao amin’ny mpianakavin’i Israely.
-
Soratra masina manokana ho anao.
-
Masina sy an’ny tena manokana.
-
Tsy sarintany mamaritra ny fiainanao.
-
Tsy mamaly ireo fanontanianao rehetra.
Raha toa ka tsy miresaka trangam-piainana manan-danja izany dia aza raisina ho midika hoe tsy hanana izany fahafahana izany ianao. Mandrakizay ny tsodranon’ny patriarika, ary raha miaina amim-pahamendrehana ianao, dia homena any amin’ny fiainana manaraka ireo fampanantenana izay tsy tanteraka eto amin’ity fiainana ity.
Tokony ho firy taona aho no mandray izany?
-
Ampy fahamatorana amin’ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe sy ny maha masina ilay tsodrano ary mahatakatra ny fotopampianarana fototra an’ny filazantsara.
-
Ny tena tsara dia tokony ho mbola tanora no mandray izany ka mbola maro ireo fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana izay miandry azy.