Ho zatovo mahery!
Herin’ireo maherifo
Jolay 2024


“Herin’ireo maherifo,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

Hery avy ao amin’ny soratra masina

Herin’ireo maherifo

Nila hery ihany koa ireo maherifo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary i Jesoa Kristy no loharanon’izany. Ahoana no ahafahanao misintona amin’ny heriny tahaka izay nataon’ireo maherifo ireo?

Sary
I Nefia miaraka amina zatovolahy

Sary nataon’i Jarom Vogel

Nefia: Fanambarana (1–2 Nefia)

Mety ho sarotra izany hoe mandao tokantrano, miady mafy amin’ny zava-tsarotra lalovan’ny fianakaviana, ary miatrika olana tsy mahazatra izany. Kanefa rehefa nametraka ny finoany tamin’ny Tompo i Nefia, dia nianatra nikatsaka fanambarana sy natoky ny Tompo hitari-dalana azy izy.

Sary
Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià miaraka amina zatovolahy

Almà sy zanakalahin’i Môzià: Fibebahana (Môzià 27–28; Almà 36)

Mila hery ny mibebaka sy ny miaiky fa diso ianao. Rehefa avy nahazo antso mahery vaika mba hibebaka io andiana mpinamana io, dia nitodika tamin’i Jesoa Kristy izy ireo ary nahazo hery lehibe. Namoy tamim-pahasahiana ny fiainan’izy ireo taloha izy ireo, ary nanompo ny Tompo sy nanampy ny hafa tamim-pinoana mba hanao toy izany koa. Nahazo fifaliana lehibe izy ireo.

Sary
ireo zatovolahy mpiady miaraka amina zatovolahy

Ireo zatovolahy mpiady: Miady amin’ireo adin’ny fiainana (Almà 53; 56–57)

Misy ady isan-karazany eo amin’ny fiainana. Rehefa niatrika ady ireo zatovolahy ireo, dia nahatsiaro ny zavatra nampianarin’ny reniny azy ireo momba ny filazantsara izy ireo ary niady “niaraka tamin’ny herin’ Andriamanitra” (Almà 56:56).

Hamoaka printy