Ho zatovo mahery!
Fitsapam-pahaizana tampoka sy vavaka
Jolay 2024


“Fitsapam-pahaizana tampoka sy vavaka,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

Feon’ny zatovo

Fitsapam-pahaizana tampoka sy vavaka

Tayana C., 17 taona, Abidjan, Côte d’Ivoire

Sary
zatovovavy

Sary nalain’i Ebick Ngoma

Sahiran-tsaina be aho tato ho ato satria tsy araka izay nantenaiko ny naoty azoko. Nieritreritra momba izany aho ary tonga saina fa tsy manolotra ny vavaka tokony hataoko na mamaky ny soratra masiko aho. Noho izany dia nanapa-kevitra ny hamaky ny soratra masina sy hivavaka isa-maraina aho. Vetivety teo dia nanomboka nihatsara tsikelikely ny naotiko. Tena nanampy ahy tokoa ny famakiana ny soratra masina sy ny vavaka.

Tamin’ny fotoana hafa indray dia nisy fitsapam-pahaizana tampoka tany an-tsekoly. Tsy nanao famerenana aho. Tsisy nanao famerenana—nanapoka ny rehetra ny mpampianatra tamin’izay. Nanomboka nangalatra nijery valiny nandritra ilay fitsapam-pahaizana avokoa ny rehetra. Tsoriko ny marina fatena te hijery valiny ihany koa aho. Saingy nisy zavatra nilaza tamiko hoe “Mila mipetraka ianao ary manao izay tsara indrindra avy amin’ny zavatra fantatrao.” Feo malefaka ilay izy. Sahiran-tsaina aho ary nampitony ny foko ilay feo. Noho izany dia tsy nijery ny teo ankavia aho ary tsy nijery ny teo ankavanana. Novaliako izay fantatro. Tany amin’ny farany dia izaho irery ihany no nahazo naoty ambony. Faly aho fa nihaino ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy