Ho zatovo mahery!
Avy amin’ny fianjerana mankamin’ny fandresena
Jolay 2024


“Avy amin’ny fianjerana mankamin’ny fandresena,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

Avy amin’ny fianjerana mankamin’ny fandresena

Tsy tokony hilavo lefona na oviana na oviana ianao, na dia rehefa lavo aza. Minoa ahy.

Sary
mpihazakazaka mandalo ny tsipika famaranana

Sary nalaina avy tamin’ny Fifaninanana Toyota USATF Outdoor Championships 2023 tamin’ny 8 jolay 2023, avy amin’ny USATF

Tamin’ny 2022 dia nanao ny hazakazaka 3.000 metatra course d’obstacles tao anatin’ny fifaninanana nasiônalin’i Etazonia aho. Hazakazaka nahitana fihodinana fito sy tapany manodidina ny kianja iray izany, misy sakana vita amin’ny hazo miisa dimy isaky ny fihodinana izay mila hitsambikinana, ka ny iray amin’izany dia eo anoloan’ny dobokely misy rano.

Tao anatin’ny fihodinana faharoa aho tamin’izay no tafintohina ilay olona teo alohako, ka saika voadonako izy. Tafiampita ilay sakana izy fa izaho kosa nefa dia tsy tafiampita—nianjera aho.

Somary niarina tsimoramora aho satria nahatsapa ho very hery. Hoy aho anakampo: “Aleo ve hajanona dia hisitaka eo amin’ny sisin-dalana aho?” Niomana tsara anefa aho. Efa nanapa-kevitra nialoha aho fa hanohy hatrany na dia lavo aza, noho izany dia nanomboka nihazakazaka indray aho. Mbola naniry ny hanome ny tsara indrindra avy amiko aho na dia tsy haharesy aza.

Fihodinana anankiroa vao nahatratra ilay olona farany amin’ny andiany aho. Vetivety dia fihodinana telo sisa ary avy eo fihodinana roa. Nanomboka nieritreritra aho hoe mety ho tafiditra ao anatin’ny telo voalohany. Tena reraka be aho anefa ary voasongon’ny mpihazakazaka roa izay antsasaky ny fihodinana sisa no hataony. Fahefatra aho, saingy tena tsara ilay tsambikin-drano farany tokony nataoko. Hoy aho, “Oay, mety afaka handresy ihany aho.”

Raha iny namita ny 50 metatra farany iny aho dia tonga saina fa eo an-dalam-pandresena aho. Tena tsy nampino. Hoy aho, “Oay, dia tena handresy tokoa ve aho izao?” Izany tokoa no nitranga. Nandresy ilay fifaninanana aho na dia nianjera aza.

Taty aoriana dia tonga saina aho fa misy lesona azontsika ianarana avy amin’ilay zavatra nitranga.

1. Aoka hanam-paharetana amin’ny tenanao

Rehefa lavo aho dia te hanatratra ny hafa faran’izay haingana. Saingy nila nifehy ny hafainganam-pandehako aho mba tsy ho reraka tanteraka. Misy soratra masina milaza hoe: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao” (Hebreo 12:1). Eo amin’ny fiainana dia tsy voatery hoe hahita fahombiazana izao dia izao ianao. Indraindray dia mitaky fotoana izany.

2. Tohizo hatrany

Tsy hafahafa ny fahatsapana te hilavo lefona indraindray. Rehefa nianjera aho dia tsy nihevitra hoe afaka handresy, saingy nanapa-kevitra ny hanohy hatrany aho. Misy fanantenana foana rehefa lavo ianao—mila miarina fotsiny ianao ary manandrana indray. Hanampy anao ny Mpamonjy eo anatrehan’ireo fanamby atrehanao. Ifikiro izay fantatrao fa marina, atòny ny hafa ary mangataha fanampiana amin’izy ireo. Hihatsara foana ny zava-drehetra any amin’ny farany.

3. Miantehera amin’i Jesoa Kristy

Tsy azo antoka ny handreseko ilay hazakazaka rehefa nianjera aho. Saingy rehefa lavo ao amin’ny filazantsara kosa anefa isika, rehefa manao fahadisoana na fahotana, dia afaka manatona an’i Kristy foana, mibebaka amin-kitsim-po, ary voavela heloka. Hanampy anao hiarina Izy. Manana hery lehibe isika—dia ny hery hahafahana ho tsara kokoa, hanao zavatra tsara kokoa. Na dia lavo foana foana aza isika, raha toa ka manohy mibebaka sy miezaka manara-dia ny Mpamonjy isika, dia mampanantena Izy fa afaka handresy ny hazakazaky ny fiainana isika.

Hamoaka printy