“Mpianatr’i Kristy i Lamônia Mpanjaka,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.
Peta-drindrina
Mpianatr’i Kristy i Lamônia Mpanjaka
Dia toy izany koa aho
Taorian’ny nampianaran’i Amôna avy amin’ny soratra masina sy nijoroany ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, dia heniky ny Fanahy i Lamônia Mpanjaka. Nianjera tamin’ny tany izy ary tsy afaka nihetsika nandritra ny roa andro sy alina.
Rehefa taitra izy dia nanambara hoe:
“Efa nahi[ta] ny Mpanavotra ahy [aho]; … ary hanavotra ny olombelona rehetra izay mino ny anarany Izy” (Almà 19:13).
Toa an’i Lamônia Mpanjaka, izaho koa dia afaka mianatra ny fahamarinana sy mizara izany amin’ireo olona manodidina ahy.