Ho zatovo mahery!
Mampifandray
Jolay 2024


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

Mampifandray

Renata B.

12 taona, La Paz, Bôlivia

Sary
zatovovavy

Niharan’ny fietraketrahana sy ny fanambanimbaniana en ligne aho tany an-tsekoly. Nolazaiko tamin’ny ray aman-dreniko ny zava-nitranga, ary dia nanampy ahy izy ireo. Ary isan’andro aho dia mivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hanana fifandraisana tsara kokoa amin’ireo namako sy mba hatanjaka aho hiatrika ireo zavatra lalovako. Nahatsapa fiadanana aho ary amin’izao dia efa mihatsara ny toe-draharaha. Mianatra mamela ireo mpietraketraka ary tsy mihazona lolom-po aho.

Niaina zavatra hafa izay nanampian’ Andriamanitra ahy ihany koa aho. Manonona vavaka kely foana aho rehefa hiatrika fampisehoana dihy, satria mora matahotra be aho. Mampitony ahy foana ny mieritreritra ny Ray any An-danitra. Nianatra nitendry pianô koa aho mandrapahatonga ny fotoana nahafahako nitendry tao am-piangonana. Na dia tsy tonga lafatra aza no nanaovako izany, dia nanome ny ezaka tsara indrindra avy amiko aho ary nahita fitahiana avy amin’nyTompo.

Hamoaka printy