Ho zatovo mahery!
Ahoana raha tsy afaka milaza aho hoe fantatro fa marina ny filazantsara?
Jolay 2024


“Ahoana raha tsy afaka milaza aho hoe fantatro fa marina ny filazantsara?,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

Valiny fohy sy mivantana

Ahoana raha tsy afaka milaza aho hoe fantatro fa marina ny filazantsara?

Sary
zavamaniry tondrahana

Tsy maninona mihitsy raha tsy mahatsapa ianao hoe afaka milaza ilay hoe, “Fantatro”. Atombohy amin’izay inoanao. Ary raha tsy azonao antoka ny momba izany, dia atombohy amin’izay irinao hinoana. Dia “avelao izany faniriana izany hiasa ao ami[nao],” (Almà 32:27) ka hitarika anareo hanao zavatra—hivavaka, handalina, hibebaka, hanompo. Rehefa mampihatra finoana ianao dia henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana azonao. Rehefa mandeha ny fotoana dia afaka hiteny amim-pahatokiana ianao hoe: “mino aho.”

“Ny hoe mino dia teny sarobidy, fihetsika iray mbola sarobidy kokoa aza ary tsy mila miala tsiny velively [ianao rehefa] hoe -mino fotsiny ihany-”

Ankamamio ireo fahamarinan’ny filazantsara inoanao. Ampiharo izy ireny. Aoka ho marina amin’izy ireny. Rehefa manao izany ianao dia hahazo fitahiana, dia ny Fanahy Masina izany. Ary afaka hahatsapa ao an-tokantrano sy ao am-piangonana na inona na inona karazana fijoroana ho vavolombelona anananao. Araka ny voalazan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, hoe: “Tsy mahafantatra sary famantarana eny amin’ny varavaran’ny trano fiangonantsika aho misoratra ny hoe, -Tsy maintsy toy izao ny hahavon’ny fijoroana ho vavolombelona anananao vao afaka miditra ianao.-”

Hamoaka printy