“Ny nanokafana ny foko,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.
Ny nanokafana ny foko
Tena mpanao fanatanjahantena be aho, indrindra indrindra ny baskety. Tiako tsotra izao ny mifaninana. Ary anisan’izany no antony atsy maintsy niatrehako fandidiana fo misokatra naharitra adiny valo fony aho 14 taona.
Efa hatrany am-piterahana no nisy tsy fahatomombanana ny iray amin’ireo lalan-drà fototra tao amin’ny foko. Tamin’ny voalohany dia nilaza ireo dokotera fa mety hila fandidiana aho rehefa antitra—mety hoe rehefa mpisotroronono angamba. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia niharatsy ilay olana, ny antony tena nahatonga izany dia satria mahery setra be aho rehefa manao fanatanjahantena.
Nandritra ny fizahana fahasalamana iray tamin’ny fararano dia niteny ny dokotera fa mety hila fandidiana aho amin’ny taona ho avy na afaka roa taona. Nandritra izany zavatra rehetra izany dia nanao hazakazaka cross-country tany an-tsekoly aho. Fa tsy nihatsara anefa ireo fotoana nahavitana ireo hazakazaka fa vao mainka niharatsy. Teo no nahalalako fa misy zavatra tsy milamina tato amiko.
Nankany amin’ny dokotera indray izahay tamin’ny volana martsa. Nandritra izay fizahana izay dia nahatsapa aho fa toa hatao aloha kokoa noho ny voalamina ilay fandidiana. Nanomboka nanana fahatsapana ara-panahy mafana aho tao anatiko. Nitondra fampiononana tamiko izany fanambarana ho an’ny tena manokana izany. Tampoka teo dia nahare ny tenako nilaza aho fa te hanao ilay fandidiana faran’izay haingana. Somary natahotra ny ray aman-dreniko tamin’ny voalohany saingy noteneniko izy ireo hoe: “milamin-tsaina aho. Oviana no hahafahantsika manao azy ity haingana indrindra? Nalaminay hotontosaina amin’ny volana aprily ny fandidiana.
Mandritra ireo fotoan-tsarotra dia fantatro fa eo foana i Jesoa Kristy ho ahy. Afaka mivavaka foana amin’ny Ray any An-danitra aho, ary manampy izany.
Nanana finoana aho fa hilamina avokoa ny zava-drehetra, saingy mbola nampatahotra be foana anefa ilay andro hanaovana ny fandidiana. Raha nandeha tao amin’ilay efitrano iny aho dia heniky ny zavatra maro. Tsaroako fa nangovitra aho. Tena nanampy ahy ilay mpampatory ahy tamin’io fotoana io. Feno fankasitrahana aho noho ireo olona rehetra izay nanampy ahy nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Nahazo ny fanampian’ny lanitra ihany koa aho. Ohatra, ny paroasiko iray manontolo dia nifady hanina ho ahy, ary tena tsapako ny herin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka.
Amin’izao fotoana izao dia tena salama tsara ny foko. Raha tsy natao izany fandidiana izany dia mety ho faty tao anatin’ny roa taona aho. Amin’izao dia feno ny halavam-piainana azoko antenaina.
Nanova ny fomba fijeriko izany zavatra niainana rehetra izany. Tsy mitovy amin’ny taloha intsony ny fijeriko ny olona tsirairay izay eo am-piatrehana ny fitsapany manokana. Lasa mahatakatra kokoa ny zavatra lalovan’izy ireo aho. Mahita olona aho tsindraindray ary mahatsapa fa miatrika zavatra tena henjana izy ireo, dia manatona azy ireo aho ary manampy azy ireo.
Amiko ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy, dia midika hoe tena ohatra ho an’ny hafa ary mandray ny hafa tahaka ny ho nandraisany azy ireo. Miara-miatrika azy ity isika rehetra. Raintsika any An-danitra Andriamanitra ary zanakalahy sy zanakavaviny isika. Manana tanjona sy lanja avokoa ny tsirairay avy. Betsaka ny zavatra mahakivy, koa dia miezaka manampy ny olona hitsiky sy hijery ny lafitsaran-javatra aho.
Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka mandray fitarihana manokana avy amin’ny Tompo isan’andro aho. Afaka mahatonga ahy ho olona matanjaka sy manome faharetana ahy Izy. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy (jereo ny Filipiana 4:13).