Ho zatovo mahery!
Tia mianatra, tia mizara
Jolay 2024


“Tia mianatra, tia mizara,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.

Tia mianatra, tia mizara

Ho an’i Liam N. avy ao Danemark, dia mahatonga ny fiainana ho mahafinaritra sy feno fahombiazana ny filazantsara.

Sary
zatovolahy mitendry gitara

Sary nalain’i Ashlee Larsen

Mety hiseho amin’ny endrika tena isan-karazany ny fanompoana ny hafa. Fomba iray tian’i Liam amin’ny fanompoana ny hafa ny fitendrena mozika ho azy ireo.

Fianarana ve sa fialam-boly? Asa sa zavatra mahafinaritra? Angamba misy fanontaniana tsara kokoa: Nahoana moa no hionona amin’ny anankiray ihany? Rehefa azony atao dia miezaka mitady fandanjalanjana tsara i Liam izay 14 taona avy ao Danemark.

“Tiako ny mitendry mozika,” hoy izy. “Mitendry gitara, aponga, gitara basy, pianô, ary ukulélé aho. Amiko ny mozika dia fomba mahafinaritra hanehoana ireo zavatra tsapako. Tiako ihany koa ny mitendry ho an’ny hafa hampifaliana azy ireo.

Rehefa tsy miala voly mitendry mozika i Liam dia mety ho hitanao milalao baolina kitra, baskety, na échecs miaraka amin’ny namany. “Tiako ihany koa ny siansa sy ny astrônômia,” hoy izy. “Tena mahaliana ny mahita ny fomba ifandraisan’ny zava-drehetra. Andriamanitra no nahary azy rehetra, ary tena mahavariana izany.”

Sary
ankizilahy milalao baskety
Sary
ankizilahy maromaro milalao échecs

Ankoatra ireo fialam-boly, dia mitady fotoana hiasana mafy i Liam, na izany manatitra gazety manodidina ny faritra misy azy na mianatra.

Sary
mpiray tampo mitaingina bisikileta

Mianatra mandanjalanja ireo zavatra ilainy sy tiany hatao i Liam. Mety hoe sahirana lava izy, saingy misy kosa anefa zavatra iray izay anokanany fotoana isan’andro—ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
fianakaviana

Monina ao amin’ny saikinosy lehibe indrindra ao Danemark miaraka amin’ny ray aman-dreniny sy ireo zandriny roa, i Filippa sy i Max, i Liam.

Tanjona anokanana dimy minitra

“Nanapa-kevitra aho tato ato fa hamaky farafahakeliny toko iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna—toko iray monja—isan’andro isan’andro,” hoy Liam. “Mety hoe eo amin’ny dimy minitra eo izany. Kanefa mitondra fahazotoana fanampiny ho ahy izany, koa dia vonona ny hanao izany fanamby izany aho.”

Nanampy an’i Liam mihoatra noho ny neritreretiny ny famakiana ny soratra masina isan’andro. “Indraindray rehefa ratsy ny tontolo androko, dia afaka mampitraka ahy indray ny famakiana zavatra mankahery. Saingy raha tsara anefa ilay tontolo andro, dia afaka mampahatsiahy ahy koa mba hankasitraka ireo zavatra izay mandeha tsara ilay izy. Faly aho fa afaka nifikitra tamin’ilay tanjoko.

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Mandany fotoana betsaka amin’ny fialam-boly sy andraikitra betsaka i Liam. Saingy ny fametrahana fotoana isan’andro hamakiana ny Bokin’i Môrmôna dia nitahy ny fiainany.

“Iza moa no tsy te hanam-pifaliana?”

Feno fankasitrahana i Liam noho ireo fanohanana eo am-piezahany mametraka fotoana ho an’ny filazantsara. “Izaho sy ny mpiray tampo amiko ihany no mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny sekoly misy anay, noho izany dia betsaka amin’ireo namako akaiky indrindra no tsy mpikambana. Saingy hitako fa misy fiarahamonina tena tsara ato amin’ny Fiangonana eto Danemark. Mifankahafantatra avokoa ny rehetra na dia zavatra kely fotsiny aza, ary mahafinaritra be rehefa tafiaraka ny rehetra.”

Sarotra indraindray ny fananana namana izay miaina fitsipika samy hafa amin’ny an’ny tena. “I Danemark dia firenena misy zatovo maro misotro zava-pisotro misy alikaola aloha be,” hoy ny fanazavan’i Liam. “Mety ho sarotra ho an’ny tanora iray ny mandà ny zavatra toy izany.” Fa i Liam anefa dia miezaka ny hisokatra momba ny zavatra inoany mba hahafahan’ny hafa mahatakatra tsara kokoa ny safidy ataony.

Sary
ankizilahy milalao gitara beso

Mety hiseho amin’ny endrika tena isan-karazany ny fanompoana ny hafa. Fomba iray tian’i Liam amin’ny fanompoana ny hafa ny fitendrena mozika ho azy ireo.

“Indraindray any am-pianarana rehefa momba ny maha Krisitiana ny lesona, dia manontany ahy momba ny finoako ny mpampianatra na ny namana. Miezaka manazava amin’ny tsara indrindra vitako aho,” hoy Liam. “Nanasa ny iray tamin’ireo namako akaiky indrindra hanatrika ny fotoam-pivavahana fanaovam-batisako ihany koa aho. Nomeko Bokin’i Môrmôna izy sy ny reniny ary niresaka tamin’izy ireo momba ny zavatra sasany inoako aho. Anjaran’izy ireo no manapa-kevitra ny amin’izay hanaovan’izy ireo izany. Tsapako fa nanao ny zavatra tokony natao aho nanasa ny hafa hahatsapa ilay fifaliana ihany izay tsapako, satria iza moa no tsy te hanam-pifaliana e?”

Sary
mpiray tampo

I Liam sy ny mpiray tampo aminy ihany no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny sekoly andehanan’izy ireo. Manana fahafahana maro izy ireo ny ho ohatra tsara momba ny hoe mpianatr’i Kristy.

Atomboka amin’ny finamanana

Fantatr’i Liam fa tsy ny fanazavana ny zavatra inoany na ny fanomezana Bokin’i Môrmôna ho an’ny namana iray ihany no hany fomba maha mpianatr’i Kristy. Indraindray ny fanasana ny hafa hahatsapa ny fifalian’ny filazantsara dia manomboka fotsiny amin’ny finamanana sy fitiavana tena izy.

“Tena tiako ny tantaran’i Amôna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,” hoy Liam. “Tena mahavariana fa tsy avy hatrany dia nankao amin’i Lamônia Mpanjaka izy dia niteny hoe, -Hihaino ny zavatra inoako ianao- fa nalainy ho namana mangiana fotsiny aloha izy ka tonga tamin’ny fanontanian’ny mpanjaka tamin’i Amôna nony farany hoe: -Fa dia nahoana mihitsy ianao ity no tena mahafinaritra e?-”

“Afaka manorina fifandraisana amin’ny hafa koa isika,” Hoy Liam. “Mety hanatona antsika izy ireo ary hanontany hoe inona no mahatonga antsika manana hery bebe kokoa.”

Sary
mpiray tampo

Fitahiana mandritra ny androm-piainana

Tena tsapan’i Liam fa ny fiainana ny filazantsara dia nanome azy hery misimisy kokoa. Nitahy ny fiainany izany mihoatra noho ny échecs, ny mozika, ny fanatanjahantena, na izay mety ho zavatra tsara hafa handaniany ny fotoany.

“Feno fankasitrahana aho manana ny filazantsara eo amin’ny fiainako satria inoako fa tsy ho toy izao aho raha tsy nisy azy,” hoy izy. “Tsapako fa mahafantatra ahy tsara kokoa noho ny fahafantarako ny tenako ny Tompo. Fantatro fa velona Andriamanitra ary velona i Kristy. Mampiseho antsika ny lalana tokony halehantsika sy manampy antsika ho tsara kokoa Izy Ireo.”

Hamoaka printy