2012
Minoa, Mankatoava, Mahareta
Mey 2012


Minoa, Mankatoava, ary Mahareta

Minoa fa ny fijanonana ho mafy orina sy mahatoky amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara dia tena zava-dehibe indrindra. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany!

Filoha Thomas S. Monson

Ry anabavikeliko malala isany, mampanetry tena ahy tokoa ny andraikitra hitafa aminareo. Mivavaka aho mba hahazo fanampiana avy amin’Andriamanitra mba ho mendrika izany tombontsoa izany.

Raha tamin’ny 20 taona lasa fotsiny dia mbola tsy nanomboka namakivaky ny dianareo teto amin’ny fiainana an-tany akory ianareo. Mbola tany amin’ny fonenanareo tany an-danitra ianareo. Tany ianareo dia teo anivon’ireo izay tia anareo sy nieritreritra an’izay zava-mahasoa anareo mandrakizay. Taty aoriana dia tonga ho nanan-danja teo amin’ny fivoaranareo ihany anefa ny fiainana an-tany. Tsy azo isalasalana fa nisy ny fifanaovam-beloma ary nisy ny fifanomezam-pitokisana. Nahazo vatana ianareo ary lasa olona mety maty, niala tsy ho eo anatrehan’ny Rainareo any an-danitra.

Nisy fandraisana makotrokotroka anefa niandry anareo tety an-tany. Sarobidy sy niavaka tokoa ireo taona vitsivitsy voalohany ireo. Tsy nanana hery haka fanahy anareo i Satana, satria mbola tsy tompon’andraikitra ianareo tamin’izany. Tsy nanan-tsiny teo anatrehan’Andriamanitra.

Vetivety ianareo dia niditra tao anatin’ilay fotoana antsoin’ny sasany hoe: “fialana sakana manahirana”. Tiako ny miantso izany fotoana izany hoe: “fialana sakana mahatalanjona.” Tena fotoana ahafahana manao zavatra mahasoa izany, fotoana hitomboana, fotoana hivoarana—izay ahitana miavaka tsara ny fahazoana fahalalana ary koa ny fikarohana ny fahamarinana.

Tsy nisy nilaza mihitsy fa mora ny taonan’ny fahatanorana. Taonan’ny tsy fahampian’ny fahatokian-tena izany matetika, taonan’ny fahatsapana ho toy ny tsy mahavita zavatra tsara, taonan’ny fiezahana hitady ny toeranareo eo anivon’ireo namanareo, taonan’ny fiezahana hahay hifandray amin’izy ireo. Izany dia fotoana ahitana fa lasa mahaleo tena kokoa ianareo—ary mety maniry hahazo fahafahana bebe kokoa mihoatra noho izay tian’ny ray aman-dreninareo omena anareo izao aza. Izany koa dia fotoana tena lehibe izay hakan’i Satana fanahy anareo ary hanaovany izay rehetra vitany mba handrebirebena anareo hiala amin’ilay lalana izay hitondra anareo hiverina any amin’ilay trano fonenana any an-danitra izay niavianareo ary hitondra anareo hiverina eo anatrehan’ireo olon-tianareo any sy eo anatrehan’ny Rainareo any an-danitra.

Ny tontolo manodidina anareo dia tsy ahitana ireo fitaovana ahafahana manome ilay fanampiana ilainareo hamitana an’ity dia izay matetika feno fandripandrika ity. Maro ireo olona amin’izao vanim-potoana iainantsika ankehitriny izao no mamotsotra ny tadim-piarovana ary manalavitra ilay seranan’ny fiadanana.

Ny fileferana amin’ny ratsy, ny tsy fahadiovana ara-pitondrantena, ny pôrnôgrafia, ny zava-mahadomelina, ny herin’ny faneren’ireo tanora mitovy amin’ny tena—ireo rehetra ireo sy ny hafa koa—dia mahatonga ny maro ho atopatopan’ny onjan’ny fahotana ary hidona amin’ireo harambato maranitry ny tsy fananana fahafahana hanao zavatra mahasoa, sy tsy fahazoana fitahiana ary ny faharavan’ny nofinofy.

Moa ve misy fomba hahazoana fiarovana? Moa ve misy fomba ialana amin’ny fandravana izay manambana? Ny valiny dia eny manakoako tokoa! Manoro hevitra anareo aho hitodika any amin’ny fanilon’ny Tompo. Efa nolazaiko izany teo aloha ary mbola averiko lazaina ihany: tsy misy zavona matevina loatra, na alina maizi-kitroka loatra, na rivotra mahery loatra, na tantsambo izay very an-dranomasina lavitra loatra ka tsy ho avotry ny fanilon’ny Tompo. Miantsoantso ao anatin’ny oram-baratry ny fiainana izany, manao hoe: “Aty no lalana hitondra fiarovana. Aty no lalana mody any an-trano.” Mandefa hazavana famantarana izay mora hita izany ary tsy ho takona na oviana na oviana. Raha arahina ireo famantarana ireo dia hitarika anareo hiverina any amin’ny fonenanareo any an-danitra.

Te-hiresaka aminareo mikasika ireo fanairana telo lehibe avy amin’ny fanilon’ny Tompo aho anio hariva izay hanampy anareo hiverina any amin’ilay Ray izay miandry mafy ny fiverenanareo amim-boninahitra any an-tranony. Ireo fanairana telo ireo dia hoe minoa, mankatoava, ary mahareta.

Voalohany, hilaza fanairana fototra sy manan-danja iray aho, dia ny hoe: minoa. Minoa fa zanakavavin’ny Ray any an-danitra ianareo ary tia anareo Izy. Tonga eto noho ny tanjona iray lehibe ianareo—dia ny hahazo ilay famonjena anareo mandrakizay. Minoa fa ny fijanonana ho mafy orina sy mahatoky amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara dia tena zava-dehibe indrindra. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany!

Ry tanora namako, minoa an’ireo teny lazainareo isan-kerinandro rehefa mitanisa ny tarigetran’ny Zatovovavy ianareo. Eritrereto ny dikan’ireo teny ireo. Misy fahamarinana ao anatin’izany. Miezaha hatrany hiaina ireo hasina voalaza ao amin’izany tarigetra izany. Minoa, araky ny voalaza ao anatin’ny tarigetranareo, fa raha manaiky sy manao zavatra mifanaraka amin’ireo hasina voatanisa ireo ianareo dia ho vonona hanamafy orina ny tokantranonareo sy ny fianakavianareo, hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina, handray ireo ôrdônansin’ny tempoly ary farany hahazo ireo fitahian’ny fisandratana. Fahamarinana tena tsara ao anatin’ny filazantsara ireo ary raha manaraka azy ireo ianareo dia hahita fifaliana bebe kokoa mandritra ny fiainanareo ety sy any amin’ny fiainana hoavy izay mihoatra noho izay ho tsapanareo raha toa ka manao tsinontsinona izany ianareo.

Ny ankamaroanareo dia nampianarina ireo fahamarinan’ny filazantsara nanomboka hatrany amin’ny fahazazanareo. Nampianarin’ny ray aman-dreny be fitiavana sy ny mpampianatra be fiahiana ianareo. Ireo fahamarinana izay nozarainy taminareo dia nanampy anareo hahazo fijoroana ho vavolombelona. Nino izay nampianarina anareo ianareo. Na dia azo fahanana ara-panahy sy ampitomboana hatrany aza izany fijoroana ho vavolombelona izany rehefa mandalina ianareo, sy rehefa mivavaka mba hahazo fitarihana ary rehefa manatrika ireo fivoriam-piangonana isan-kerinandro, dia miankina aminareo ihany ny hitazonana izany fijoroana ho vavolombelona izany mba ho velona. Hiezaka hamotika izany amin’ny heriny rehetra i Satana. Mandritra ny fiainanareo manontolo dia mila mikolokolo izany ianareo. Tahaka ny afo izay misy lelafo miredareda, ny fijoroanareo ho vavolombelona koa—raha tsy kolokoloina lalandava—dia hitsilopilopy toy ny vain’afo efa ho faty ary avy eo maty tanteraka. Tsy tokony havelanareo hitranga izany.

Ankoatry ny fanatrehana ireo fivoriana isan’ Alahady sy ireo takarivam-piaraha-mientana mandritra ny herinandro, dia raha manana fahafahana hanatrika seminera ianareo, na izany isa-maraimbe na amin’ny fotoana tsy ianarana any an-tsekoly dia araraoty izany. Maro aminareo no manatrika seminera amin’izao fotoana izao. Toy ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana ihany dia miankina amin’ny fomba fihetsikareo sy ny fahavitrihanareo rehefa ampianarina ihany ny ahazoanareo zavatra maro avy amin’ny zavatra iainanareo ao amin’ny seminera. Enga anie ho feno fanetren-tena sy faniriana hianatra ny fihetsikareo. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana nananako nanatrika seminera isa-maraimbe fony aho zatovo, satria nitana anjara toerana manan-danja teo amin’ny fivoarako sy ny fivoaran’ny fijoroako ho vavolombelona izany. Afaka manova fiainana ny seminera.

Taona maro lasa izay, dia tao anatin’ny filankevi-pitantanan-draharaha iray izay aho niaraka tamin’ny lehilahy nahafinaritra iray izay tena nahita fahombiazana teo amin’ny fiainany. Tena nanaitra ahy ny fahamarinan-toetrany sy ny firaiketam-po aman-tsainy tamin’ny Fiangonana. Nahafantatra aho fa nahazo fijoroana ho vavolombelona sy lasa mpikamban’ny Fiangonana izy noho ny seminera. Tamin’izy nanambady dia efa mpikambana tato am-piangonana efa hatry ny fahakeliny ny vadiny. Tsy mba nikambana tamin’ny fiangonana na taiza na taiza kosa anefa izy. Nandritra ny taona maro ary na dia teo aza ny ezaka rehetra nataon’ny vadiny dia tsy naneho fahalianana hiangona hiaraka amin’ny vady aman-janany mihitsy izy. Avy eo dia nanomboka nanatitra ny roa tamin’ireo zanany vavy nanatrika seminera isa-maraimbe izy. Mijanona ao anaty fiara izy mandrapahavitan’ny fotoam-pianarana seminera ary avy eo dia manatitra azy ireo any an-tsekoly. Avy ny orana indray andro ary hoy ny iray tamin’ireo zanany vavy hoe: “Midira ry Dada a! Afaka miandry ao an-dalantsara ianao.” Nanaiky ilay fanasana izy. Nisokatra ny varavaran’ilay efitrano fianarana ary dia nanomboka nihaino izy. Nanohina ny fony ny zavatra reny. Niara-nanatrika seminera tamin’ny zanany vavy nandritra ireo fotoam-pianarana sisa tao anatin’ilay taom-pianarana izy, ary izany dia nitarika azy ho lasa mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny farany sy ho lasa mazoto ato am-piangonana nandritra ny androm-piainany manontolo sisa. Avelao hanampy anareo hamolavola sy hampahatanjaka ny fijoroanareo ho vavolombelona ny seminera.

Hisy ireo fotoana hiatrehanareo olana izay mety hampidi-doza ny fijoroanareo ho vavolombelona, na mety hanadinodinoanareo izany rehefa manao zavatra hafa mahaliana anareo ianareo. Miangavy anareo aho mba hihazona izany ho matanjaka. Andraikitrareo, ary anareo irery ihany ny mihazona ilay lelafony hiredareda. Takiana ny hanaovana ezaka saingy ezaka izay tsy hanenenanareo velively izany. Tsaroako ny tonon’ny hira iray nosoratan’i Julie de Azevedo Hanks. Raha niresaka momba ny fijoroany ho vavolombelona izy dia nanoratra hoe:

Ao anatin’ny rivotry ny fiovaovana

Sy hodidinin’ny raho-mitataon’ny fanaintainana

No hihazonako foana izany ao anatin’ny fiainako

Ilaiko ilay hafanana—Ilaiko ilay hazavana

Na dia hahery vaika aza ny oram-baratra

Dia mijoro hanohitra ilay orana mivatravatra aho

Mitoetra foana

Ho mpitazona an’ilay lelafo aho.1

Enga anie ianareo hino ary avy eo hihazona ilay lelafon’ny fijoroanareo ho vavolombelona hiredareda, na inona na inona hitranga.

Manaraka an’izany ry zatovovavy dia mankatoava. Mankatoava ny ray aman-dreninareo. Mankatoava ny lalàn’Andriamanitra. Nomen’ny Ray any an-danitra be fitiavana antsika izy ireny. Rehefa ankatoavina izy ireny dia hahomby kokoa ny fiainana ary tsy hanahirana loatra. Ho mora zakaina kokoa ireo fanamby sy olana atrehintsika. Hahazo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo isika. Nilaza Izy hoe: “Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo; ary ny marisika sy ny mpankatò no hihinana ny soa amin’ ny tanin’ i Ziona amin’ izao andro farany izao.”2

Indray mandeha ihany isika no miaina. Ataovy izay vitanareo mba hanakanana ny olana tsy hiditra ao anatin’izany. Indraindray ianareo dia ho alain’olona fanahy, olona izay noeritreretinareo hoe namana.

Taona maro lasa izay dia niresaka tamin’ny mpanoro hevitra iray ao amin’ny kilasy Farimbona aho, izay nilaza tamiko mikasika ny zavatra iray niainany niaraka tamin’ny iray tamin’ireo zatovovavy tao amin’ny kilasy niandraiketany. Tratran’ny fakam-panahy foana hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana ary hanaraka ilay lalana miolankolan’ny fahotana io zatovovavy io. Rehefa tratran’ny fandresen-dahatra tsy tapaka avy tamin’ireo namany sasantsasany tany an-tsekoly izy dia nanaiky tamin’ny farany hoe handeha amin’ilay lalana miolankolana. Napetraka ny drafitra: mody hiteny amin’ny ray aman-dreniny izy hoe hanatrika takarivam-piaraha-mientana ataon’ny Zatovovavy. Ny tetiny anefa dia ny hijanona ao vetivety fotsiny mandrapakan’ireo ankizivavy namany sy ireo tovolahy hiaraka amin’izy ireo azy. Dia avy eo izy ireo handeha any amin’ny lanonana iray izay ahitana fandrosoana zava-pisotro misy alikaola sy fanaovana fihetsika izay mifanohitra tanteraka amin’ny zavatra fantatr’ity zatovovavy ity hoe marina.

Nivavaka ilay mpampianatra mba hahazo fanentanam-panahy entina hanampiana ireo zatovovaviny rehetra fa indrindra hanampiana ity zatovovavy iray manokana ity, izay toa nisalasala tokoa mikasika ny fanoloran-tenany amin’ny filazantsara. Nahazo fanentanam-panahy ilay mpampianatra tamin’io hariva io mba hanajanona ny zavatra nokasainy hatao ary dia niresaka tamin’ireo zatovovavy mikasika ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena izy. Rehefa nanomboka nizara izay tao an-tsainy sy izay tsapany izy dia nanomboka nijery tsy tapaka ny famataranandrony ilay zatovovavy resahina eto, mba hahazoany antoka fa tsy ho tara amin’ilay fotoana iarahana miaraka amin’ireo namany izy. Kanefa rehefa nitohy hatrany ny fifanakalozan-kevitra dia voakasika ny fony, tonga saina izy ary nanavao ny fanoloran-tenany indray. Rehefa tonga ny fotoana dia tsy noraharahiany ilay anjomaran’ilay fiara nanenoneno niantso azy. Nijanona niaraka tamin’ny mpampianany sy ireo zatovovavy tao amin’ny trano fianarany izy ny takariva manontolo. Voasoroka ilay fakam-panahy hiala amin’ny lalana ankatoavin’Andriamanitra. Rava ny teti-dratsin’i Satana. Nijanona kely ilay zatovovavy taorian’ny nivoahan’ireo hafa mba hahafahany misaotra ilay mpampianany noho ny lesona ary mba hahafahany mampahafantatra azy fa tena nanampy azy hisoroka zavatra izay mety ho nitera-doza izany. Voavaly ny vavak’ilay mpampianatra.

Henoko taty aoriana fa satria nanapa-kevitra izy tamin’io alina io ny tsy handeha hiaraka amin’ireo namany—izay sasantsasany amin’ireo zatovovavy sy zatovolahy malaza tao an-tsekoly—dia nailikilik’izy ireo tsy ho namany ity zatovovavy ity ary tsy nanana namana nandritra ny volana maro izy tao an-tsekoly. Tsy neken’ny sain’izy ireo hoe nandà tsy hanao ireo zavatra nataon’izy ireo izy. Fotoana tena faran’izay sarotra sy nahatsapana ho irery tokoa izany, kanefa nijanona ho mafy orina izy ary farany dia nahazo namana izay niaina fitsipika nitovy tamin’ny azy. Ankehitriny efa taona maro aty aoriana dia vita fanambadiana tany amin’ny tempoly izy ary manan-janaka efatra mahafatifaty. Mety ho nanao ahoana re ny fiainany raha tsy nanao izany e! Ny fanapahan-kevitra raisintsika no mamaritra ny hoavintsika.

Ry zatovovavy sarobidy, apetraho ity fanontaniana ity eo amin’ ireo fanapahan-kevitra rehetra izay raisinareo: “Hiteraka inona eo amiko izany? Hitondra inona ho ahy izany?” Ary aoka ilay fitsipi-pitondrantenanareo tsy hoe: “Inona izao no ho eritreretrin’ny hafa momba ahy?” fa kosa ho ny hoe: “Inona no ho eritreretiko momba ahy?” Meteza ho tarihin’ilay feo tony sy malefaka. Tsarovy fa nametraka ny tanany teo ambony lohanareo ny olona iray nanana ny fahefana nandritra ny fandraisana anao ho mpikambana ary nilaza hoe: “Raiso ny Fanahy Masina.” Sokafy ny fonareo, ny aty fanahinareo mihitsy aza, mba handre ilay feo miavaka izay hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Nampanantena ny mpaminany Isaia hoe: “Ny sofinao dia handre teny … manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.”3

Ny toetra mahazatra hita amin’izao androntsika izao dia ny fileferana amin’ny ratsy. Ireo gazetiboky sy fahitalavitra dia manoritsoritra ireo olo-malaza mpilalao sarimihetsika sy maherifo ara-panatanjahan-tena—ireo olona izay tian’ny tanora maro halaina tahaka—izay tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra sy manao zavatra mamohehatra ampahibemaso, ho toy ny hoe tsy hitondra voka-dratsy velively. Aza mino ireny! Ho avy ny fotoam-pitsarana—hanokafana ireo boky firaketana rehetra mihitsy. Tsy maintsy hitaty ny vokatry ny asa nataontsika isika—raha tsy eto amin’ity fiainana ity dia any amin’ny fiainana hoavy. Ho avy ho an’ny olon-drehetra ny Fitsarana Farany. Vonona ve ianareo? Moa ve afa-po amin’ireo asa vitanareo ianareo?

Raha toa ka nisy lavo nandritra ny diany teny dia mampanantena anareo aho fa misy ny lalana ahafahana miverina. Izany dingana izany dia antsoina hoe fibebahana. Maty ny Mpamonjy mba hanomezany ahy sy anareo izany fanomezana lehibe izany. Na dia sarotra aza ny lalana dia tena marina ny fampanantenana. Hoy ny Tompo hoe: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.”4 “Ary tsy hotsarovako intsony [izy ireny].”5

Ry anabavikeliko malala, manana ilay fanomezana sarobidy ianareo dia ny fahafahana misafidy izany. Miangavy anareo aho mba hisafidy ny hankatò.

Farany, mahareta. Inona no dikan’ny hoe maharitra? Tiako ity famaritana ity: miaritra amin-kerimpo. Mety ilainareo ny herimpo mba hinoana ary indraindray dia ho ilainareo izany mba hahafahana mankatò. Tena ilainareo tokoa izany mba haharetanareo mandrapahatongan’ilay andro hialanareo eto amin’ity fiainana an-tany ity.

Niresaka tamin’ny olona maro aho nandritra ny taona maro izay nilaza tamiko hoe: “Manana olana maro be aho, tena mahavaky loha. Tena tototr’ireo olan’ny fiainana aho. Inona no azoko atao?” Nomeko ity torohevitra manokana ity izy ireo ary omeko anareo koa izany anio: Katsaho ao anatin’ny andro iray isaky ny mandeha ny fitarihan’Andriamanitra. Sarotra ny miaina ao anatin’ny fiahiahiana ny hoavy fa mora kosa ny miaina ao anatin’ny fiatrehana ny ankehitriny. Afaka ny ho marina ao anatin’ny iray andro isika—dia avy eo mitoetra ho marina indray ny andro aorian’izay ary toy izany hatrany hatrany—mandrapiainantsika fiainana izay tarihin’ny Fanahy, sy fiainana izay manakaiky ny Tompo ary fiainana ahitana ny fanaovana asa tsara sy ny fahamarinana. Nampanantena ny Mpamonjy hoe: “Mijere aty Amiko ary mahareta hatramin’ ny farany dia ho velona ianareo; fa izay maharitra hatramin’ ny farany no homeko ny fiainana mandrakizay.”6

Izany no antony nahatongavanareo eto amin’ity fiainana an-tany ity ry tanora namako. Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho ilay tanjona izay ezahanareo tratrarina—dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakan’ny Rainareo.

Sarobidy ianareo. Zanakavavy sarobidin’ny Rainareo any an-danitra izay nandefa anareo ety an-tany amin’izao andro izao sy amin’ity fotoana ity noho ny antony manokana. Natokana mba ho avy amin’izao fotoana izao mihitsy ianareo. Raha mino sy mankatò ary maharitra fotsiny ianareo dia zavatra mahatalanjona sy tena lehibe no miandry anareo. Enga anie hahazo izany fitahiana izany ianareo, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika, amena.