2012
Loholona Robert C. Gay
Mey 2012


Loholona Robert C. Gay

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Robert C. Gay

Ao anatin’ireo asam-piangonana ampiandraiketina azy, ny Loholona Robert Christopher Gay dia miresaka matetika mikasika ny hafatr’i Jesoa Kristy dia “hafatry ny fanafahana.”

“Izany no zavatra hitantsika sy iainantsika rehetra eo amin’ny fiainantsika,” hoy ny Loholona Gay raha niresaka momba azy sy ny vadiny Lynette Nielsen Gay izy. “Mitsaoka an’ilay Andriamanitry ny fanafahana isika, izay mitondra: fanafahana ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina sy ara-pihetsehampo. Mety ho zaka ireo enta-mavesatsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy.

Ny Loholona Gay dia mahazo ny fahafahampony lehibe indrindra avy amin’ny asa fanampiana olona izay fitahiana nomena azy sy Rahavavy Gay mba hataony, na tany ivelany izany na teo amin’ny faritra akaiky ny misy azy ireo. Ohatra, taloha sy taorian’ny nanompoan’izy ireo tao ho filohan’ny Misiônan’i Accra Ghana nanomboka tamin’ny 2004 ka hatramin’ny 2007, dia niasa tany amin’ireo tanàna kely Afrikana izy sy Rahavavy Gay ary tany amin’ny toerana hafa koa mba hanorina sekoly sy toeram-pitsaboana ary hanampy amin’ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary amin’ny fandaharan’asa fampindramam-bola madinika.

zanak’i Bill sy Mary Gay tamin’ny Septambra 1951 teraka tao Los Angeles, Californie, Etazonia izy. Nahafantatra ny vadiny tamin’ny alalan’ny namana niraisana iray tany amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa izy ary nampian’izy ireo izany olona izany taty aoriana. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie tamin’ny volana Aprily 1974 izy ireo ary manan-janaka fito.

Ny Loholona Gay dia nahazo ny mari-pahaizana licence avy tao amin’ny University of Utah ary ny mari-pahaizana doctorat avy tao amin’ny Harvard University, izay toerana nampianarany ny taranja toekarena.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy dia Fitopololahin’ny Vondrom-paritra tany amin’ny Vondrom-paritra Atsimo Atsinanan’i Amerika Avaratra izy. Ankoatry ny nanaovany asa fitoriana nandritra ny fotoana feno tany Espana nanomboka tamin’ny 1971 ka hatramin’ny 1973, ny Loholona Gay dia efa mpanolotsaina iray tao amin’ny episkôpà, Mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara, tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy ary filohan’ny Zatovolahy tao amin’ny paroasy.

Hamoaka printy