2012
Ary ny Zazakely no Hiroaka Azy
Mey 2012


Ary ny Zazakely no Hiroaka Azy

Filoha Boyd K. Packer

Tokony ho takatr’ ireo mpivady fa ny antsony voalohany—izay tsy isaorana azy na oviana na oviana—dia eo amin’ izy samy izy ary avy eo amin’ ireo zanany.

Taona maro lasa izay, nandritra ny alina mangatsiaka iray tao amin’ ny tobim-piantsonan’ ny fiarandalamby tany Japon, dia naheno kapokapoka kely teo amin’ ny varavarankelin’ ny efitra fatoriana tao amin’ ny fiarandalamby nisy ahy aho. Zazalahy kely iray nangovitry ny hatsiaka no nijoro teo, nitafy akanjo ambony rovidrovitra niaraka tamin’ ny lamba rovidrovitra nifatotra nanodidina ny taolam-balanoranony izay nivonto. Rakotry ny lagaly ny lohany. Nihazona kapoaka harafesina sy sotro izy, izay namantarana ny naha-zaza kamboty mpangataka azy. Raha niezaka namoha ilay varavarana iny aho mba hahafahako manome vola azy dia niainga ilay fiarandalamby.

Tsy ho hadinoko mihitsy izany zazalahy kely maty noana izany izay tavela teo nijoro tao anatin’ ny hatsiaka ary nihazona kapoaka tsy nisy na inona na inona. Tsy ho hadinoko koa ny fahatsapana nananako hoe tsy afaka nanampy azy rehefa niainga tsimoramora ilay fiarandalamby ary nandao azy irery nijoro teo amin’ ny morom-piantsonana.

Taona maro taty aoriana tany Cuzco, tanàna iray ambony toerana tany amin’ ny tendrombohitr’ i Andes any Pérou, dia nanatrika fivoriana fanasan’ ny Tompo tao amin’ ny efitrano iray lavalava sady tery izay tonga dia misokatra manatrika ny arabe izaho sy ny Loholona A. Theodore Tuttle. Alina tamin’ izay ary nandritra ny nanaovan’ ny Loholona Tuttle ny lahateniny, dia nisy zazalahy kely, mety ho enin-taona teo ho eo, nijoro teo amin’ ny fidirana. Nitafy akanjo ambony voron-kitsay izay tonga hatreny amin’ ny lohaliny izy.

Teo ankavianay teo dia nisy latabatra kely izay nisy ireo vilia fasiana ny mofo ho an’ ny fanasan’ ny Tompo. Hitan’ ity kamboty mpirenireny an’ arabe izay maty noana ity ilay mofo ary dia nikisakisaka tsimoramora nanaraka ny rindrina nanatona izany izy. Efa mby ho tonga teo amin’ ilay latabatra izy no tazan’ ny vehivavy iray nipetraka teo amin’ ny sisiny. Tamin’ ny alalan’ ny fihetsika tamin’ ny lohany izay naneho fandrarana tena hentitra no nandroahan’ ilay vehivavy azy hivoaka tany ivelany ho any amin’ ny haizin’ ny alina. Nitoloko ny foko.

Niverina indray ilay zazalahy kely avy eo. Nikisakisaka nanaraka ny rindrina izy, sady nanopy maso tany amin’ ny mofo dia avy eo tany amiko. Rehefa mby tonga teo amin’ ilay toerana izay mety hahitan’ ilay vehivavy azy indray izy dia natsotrako handray azy ny sandriko, ary dia nihazakazaka nanatona ahy izy. Nampofoiko izy.

Avy eo dia napetrako teo amin’ ny sezan’ ny Loholona Tuttle izy, ho toy ny sariohatra iray. Taorian’ ny vavaka famaranana dia lasa niporitsaka nivoaka nankany anatin’ ny haizina ilay zazalahy kely.

Rehefa niverina nody aho dia nolazaiko tamin’ ny Filoha Spencer W. Kimball izany zava-nitranga tamiko izany. Tohina tokoa ny fony ary nilaza tamiko izy hoe: “Firenena iray mihitsy no nampofoinao tamin’ izany.” Naverimberiny tamiko hatrany ny hoe “Izany zavatra niainanao izany dia misy dikany lehibe lavitra kokoa noho izay mbola takatry ny sainao.”

Rehefa nitsidika efa ho in-jato an’ ireo firenena maro any Amerika Latina aho dia nitady an’ ilay zazalahy kely tao anatin’ ny endriky ny olona. Ankehitriny dia takatro ny tian’ ny Filoha Kimball holazaina.

Nahita zazalahy kely iray hafa izay nangovitry ny hatsiaka koa aho teto amin’ ny araben’ i Salt Lake City. Tao anatin’ ny alin’ ny ririnina mangatsiaka iray hafa koa izany. Avy nihinana sakafo harivan’ ny Krismasy tao amin’ ny hôtely iray izahay. Nisy ankizilahy niisa enina na valo teo ho eo nidina ny lalana sady nitabataba. Tokony ho tany an-tranony tsy ho azon’ ny hatsiaka izy rehetra.

Tsy nanana akanjo mafana ny ankizilahy iray tamin’ izy ireo. Nitsambikimbikina haingana izy mba hanafanany ny vatany. Nanjavona tany an’ elankelantrano izy, ary azoko antoka fa trano kely sy tsy zarizary izany ary ahitana fandriana izay tsy misy lamba firakotra ampy akory mba hanafana azy.

Amin’ ny alina rehefa mandrakotra ny tenako amin’ ny bodofotsy aho dia manolotra vavaka ho an’ ireo izay tsy manana fandriana mafana akory.

Tany Osaka, Japon no nisy ahy rehefa nifarana ny Ady Lehibe faha-II. Rava ilay tanàna ary feno vangongon-trano rava, sy potipoti-javatra, ary lavadavak’ ireo baomba ny lalana. Na dia nianjerazera aza ny ankamaroan’ ireo hazo dia nisy hazo vitsivitsy nijoro, tapatapaka ny rantsany sy ny vatany, fa mbola nanana herimpo namoaka rantsankazo vitsivitsy nisy ravina.

Nisy zazavavy kely nitafy kimono rovidrovitra miloko marevaka izay sahirana nanangona ravin’ amontana mavomavo ho ataony fehezam-boninkazo. Toa tsy tsikaritr’ ity zazavavy kely ity ireo faharavana izay nanodidina azy teo am-pandehandehanany tao anatin’ ny korontan-trano rava nanangona ravinkazo fanampiny. Nahita ilay hatsarana izay sisa tavela teo amin’ ny tontolony izy. Angamba tokony hiteny aho hoe izy no hatsarana hita tao amin’ ny tontolony. Toa nampitombo ny finoako ny fieritreretana azy. Ohatra maneho ny fanantenana izany zaza izany.

Nampianatra i Môrmôna fa “velona ao amin’ i Kristy ny ankizy madinika”1 ary tsy mila mibebaka.

Tamin’ ny fiafaran’ ilay taonjato lasa teo dia nisy misiônera roa niasa tany amin’ ny tendrombohitra tany amin’ ny faritra atsimon’ i Etazonia. Indray andro, avy eny an-tampon-kavoana izy ireo no nahatazana olona nitangorona tery ambany lavitra tery tao anatin’ ny ala mazaotra kely. Tsy dia matetika ireo mpitory no mba mahita olona maro azo hitoriana ka dia nidina nankeny amin’ izany ala mazaotra kely izany izy ireo.

Nisy zazalahy kely maty an-drano tamin’ izay ary dia efa ho atao ny fandevenana. Nampaka ny mpitandrina ireo ray aman-dreniny mba “hitondra teny” amin’ izany fandevenana ny zanakalahin’ izy ireo izany. Nijoro tery aoriana ireo misiônera raha nanomboka ny toriteniny ilay mpitandrina mandehandeha izay nanatrika an’ ilay ray sy reny vonton’ alahelo. Raha mba nanantena teny fampiononana avy tamin’ ity lehilahy mpitandrina ity ireo ray aman-dreny dia diso fanantenana tokoa izy ireo.

Nandatsa mafy azy ireo izy tamin’ ny tsy nanaovany batisa izany zazalahy kely izany. Tsy nahavita izany batisa izany izy ireo noho ny antony maro, ary ankehitriny dia tara loatra izany. Nilaza tsy tamim-pihambahambana tamin’ izy ireo izy hoe lasa any amin’ ny helo ilay zazalahy kely, ary hoe hadisoan’ izy ireo izany. Tsinin’ izy ireo ny fijaliana tsy misy fiafarana hihatra aminy.

Rehefa vita ny toriteny sy voatototra ny fasana dia nanatona ireto ray aman-dreny vonton’ alahelo ireo misiônera lehilahy. “Mpanompon’ ny Tompo izahay,” hoy izy ireo tamin’ ilay reny, “ary manana hafatra ho anareo.” Rehefa nihaino ireo ray aman-dreny vonton-dranomaso, dia namaky teny avy tao amin’ ireo fanambarana ireo misiônera lehilahy anankiroa ary nijoro ho vavolombelona mikasika ny famerenana amin’ ny laoniny ireo fanalahidin’ ny fanavotana ho an’ ny velona sy ny maty.

Mangoraka an’ ity mpitandrina ity ihany aho. Nanao izay tsara indrindra vitany izy tamin’ ny alalan’ ny fahazavana sy fahalalana kely izay nananany. Kanefa misy zavatra bebe kokoa tokony ho azony nomena. Nisy ny fahafenoan’ ny filazantsara.

Ireo misiônera lehilahy ireo dia tonga tamin’ ny naha-mpampionona, sy mpampianatra, ary mpanompon’ ny Tompo azy ireo, ary tamin’ ny naha-mpitory ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy nahazo lalana azy ireo.

Ireo ankizy rehetra noresahiko teo dia misolo tena ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra rehetra. “Lova avy amin’ i Jehovah ny zanaka maro: ary … sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ ireny.”2

Ny famoronana aina dia andraikitra lehibe ho an’ ny mpivady. Ny maha-ray aman-dreny mendrika sy tompon’ andraikitra no fanamby lehibe eto amin’ ny fiainana an-tany. Na ny lehilahy irery na ny vehivavy irery dia samy tsy afaka miteraka zanaka. Ny zanaka dia natao hanana ray aman-dreny ahitana olona roa—dia ny ray sy ny reny. Tsy misy fomba na lamina hafa ahafahana manolo izany.

Efa elaela ihany izay dia nisy vehivavy iray nilaza tamin-dranomaso tamiko fa nahavita hadisoana goavana izy sy ny sakaizany fony izy ireo mbola mpianatra tany amin’ ny sekoly ambaratonga ambony. Nasain’ izany sakaizany izany hanala zaza izy. Tonga ny fotoana nahavitan’ izy ireo ny fianarany ary nivady izy ireo, dia nanan-janaka maro hafa. Nolazainy tamiko ny fijalijaliana tsapany ankehitriny rehefa manopy maso ny fianakaviany, ireo zanany mahafatifaty ary mahita ao an-tsainy ilay toerana iray, izay banga ankehitriny, izay tokony hisy ilay zaza iray izay tsy eo.

Raha mahatakatra sy mampihatra ny Sorompanavotana ity mpivady ity dia hahafantatra fa ireo zavatra niainana sy ny fanaintainana mifandray amin’ izany dia azo fafana. Tsy hisy fanaintainana haharitra mandrakizay. Tsy mora izany kanefa tsy natao ho mora na vitavita amin’ izao fotsiny ny fiainana. Mendrika ny hanaovana ny ezaka izay tokony hatao foana ny fibebahana sy ny fanantenana maharitra izay entin’ ny famelan-keloka.

Nisy mpivady iray hafa nilaza tamin-dranomaso tamiko koa fa avy nihaona tamin’ ny dokotera izy ireo ary nolazaina fa tsy afaka ny hiteraka. Torotoro tanteraka ny fon’ izy ireo raha nandre ilay vaovao. Gaga izy ireo raha niteny taminy aho hoe raha ny marina dia azo lazaina hoe tsara vintana izy ireo. Nanontany tena izy ireo hoe nahoana aho no nilaza zavatra toy izany. Nolazaiko tamin’ izy ireo fa tsara lavitra kokoa ny zavatra iainany noho ny an’ ireo mpivady izay afaka ny ho tonga ray aman-dreny kanefa mandà sy mandositra amim-pitiavan-tena izany andraikitra izany.

Hoy aho tamin’ izy ireo hoe: “Ianareo aza mba maniry ny hanan-janaka ary izany faniriana izany dia hitondra soa lehibe eo amin’ ny fiainanareo ety an-tany ary any ankoatra satria hanome fahatomombanana ara-panahy sy ara-pihetsehampo izany. Amin’ ny farany dia ho fitahiana lehibe ho anareo izany satria naniry hanan-janaka ianareo fa tsy afaka nahazo, raha ampitahaina amin’ ireo izay afaka nefa tsy te-hanana.”

Misy koa ireo izay mijanona ho tsy manam-bady ary dia tsy manan-janaka noho izany. Ny sasany, noho ny toe-javatra izay tsy miankina aminy, dia mitaiza ireo ankizy amin’ ny maha-reny na ray tokan-tena azy ireo. Toe-javatra mandalo ireo. Araky ny drafitra mandrakizay—tsy toy izany foana akory ny eto amin’ ny fiainana an-tany—dia ho tanteraka ireo faniriana marina mivaivay.

“Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.”3

Ny tanjona faratampon’ ny zavatra atao rehetra ao amin’ ny Fiangonana dia ny hahita mpivady sy ireo zanany heniky ny fifaliana ao an-tokantranony, voaro amin’ ny alalan’ ireo fitsipika sy lalàn’ ny filazantsara, voafehy soa aman-tsara ao anatin’ ny fanekempihavanan’ ny fisoronana mandrakizay. Tokony ho takatr’ ireo mpivady fa ny antsony voalohany—izay tsy isaorana azy na oviana na oviana—dia eo amin’ izy samy izy ary avy eo amin’ ireo zanany.

Iray amin’ ireo zava-baovao lehibe hita amin’ ny maha-ray aman-dreny dia ny hoe betsaka lavitra ny zavatra ianarantsika avy amin’ ny zanatsika noho ny avy tamin’ ny ray aman-drenintsika raha ny mikasika an’ izay zavatra tena manan-danja. Tsapantsika ny fahamarinan’ ny faminanian’ i Isaia, manao hoe: “Ary ny zazakely no hiroaka azy.”4

Tao Jerosalema dia “niantso zazakely anankiray hankeo aminy [i Jesoa], dia nametraka azy teo afovoany,

“Ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy hianareo.

“Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.”5

“Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ ny lanitra.

“Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.”6

Hitantsika ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna koa ny famangian’ i Jesoa Kristy tany amin’ ny Tany Vaovao. Nanasitrana sy nitahy ireo vahoaka izy ary nandidy azy ireo hitondra ireo zaza madinika ho eo Aminy.

I Môrmôna dia nirakitra hoe: “Koa nentiny ny ankizy madininy sy napetrany tamin’ ny tany manodidina Azy, ary nijoro teo afovoany i Jesoa; ary ny valalabemandry dia nanome lalana ambara-pitondrany azy rehetra teo anoloany.”7

Nandidy ireo vahoaka handohalika izy avy eo. Nanodidina Azy ireo ankizy ary nandohalika ny Mpamonjy ka nanolotra vavaka tamin’ ny Raintsika any an-danitra. Taorian’ ilay vavaka dia nitomany ny Mpamonjy, “ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo.

“Ary nony nanao izany Izy dia nitomany indray.”8

Takatro tsara ny fihetsehampo izay nasehon’ ny Mpamonjy ho an’ ireo ankizy madinika. Maro no azo ianarana avy amin’ ny fanarahana ny ohatra nasehony eo amin’ ny fikatsahana hivavaka, sy hitahy ary hampianatra “ireo ankizy madinika ireo.”9

Izaho dia zaza faha-10 tao amin’ ny fianakavianay izay nisy ankizy 11. Raha ny fahafantarako azy dia tsy mba nihazona antso ambony tato am-piangonana na ny raiko na ny reniko.

Nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ ilay antso manan-danja indrindra izy ireo tamin’ ny naha-ray aman-dreny azy. Nitarika ny tokantrano nisy anay tamim-pahamarinana ny raiko ary tsy mba tamim-pahatezerana na tamim-pahatahorana velively. Ary izany ohatra mahery vaikan’ ny rainay izany dia tanteraka noho ny torohevitra malefaky ny reninay. Nisy fiantraikany mahery vaika teo amin’ ny fiainanay tsirairay tao amin’ ny fianakaviana Packer ny filazantsara ary hisy fiantraikany toy izany koa ho an’ ny taranaka manaraka sy ny taranaka manaraka aorian’ izany, ary ho toy izany hatrany hatrany araka ny hitanay hatreto aloha.

Tiako raha mba ho lazaina aho hoe lehilahy tsara toy ny raiko aho. Alohan’ ny handrenesako ny teny hoe “tsara izany” avy amin’ ny Raiko any an-danitra dia manantena aho fa handre izany avy amin’ ny raiko niteraka ahy aloha.

Imbetsaka aho no sanganehana mikasika ny antony niantsoana ahy ho Apôstôly dia avy eo Filohan’ ny Kôlejin’ ny Roambinifololahy nefa izaho avy amin’ ny tokantrano iray izay nahitana ray azo lazaina hoe malaindaina ihany. Tsy izaho irery no hany mpikamban’ ny Roambinifololahy izay iantefan’ izany famaritana izany.

Farany, hitako sy takatro fa mety ho noho izany toe-javatra izany no nahatonga ahy ho voantso. Ary takatro ny antony hoe, ao anatin’ ny zavatra rehetra izay ataontsika ato am-piangonana dia mila isika, amin’ ny maha-mpitarika antsika, manome fomba ho an’ ny ray aman-dreny sy ny zanaka, mba hananany fotoana iarahana amin’ ny maha-fianakaviana azy ireo. Mila mitandrina ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana mba hanao izay hahatonga ny Fiangonana ho fitahiana ho an’ ny fianakaviana.

Misy zavatra maro mikasika ny fiainana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay tsy azo refesina amin’ ny alalan’ ny fanisana na firaketana ny fanatrehana ao am-piangonana. Mandany ny fotoanantsika amin’ ny resaka trano fivavahana sy teti-bola ary fandaharan’ asa sy lamim-pitantanana loatra isika. Rehefa manao izany isika dia mety ho hadinontsika ny tena tanjon’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.

Matetika no misy olona manatona ahy ary milaza hoe: “Filoha Packer a! Tsy tsara ve raha … ?”

Mazàna aho no manajanona azy ireo ary miteny hoe tsia, satria tsinjoko fa ny ho lazainy manaraka eo dia fiaraha-mientana na fandaharan’ asa iray vaovao izay hampitombo indray ny vesatra ara-potoana sy ara-bola eo amin’ ny fianakaviana.

Masina ny fotoana natokana ho an’ ny fianakaviana ary tokony ho arovana sy hajaina izany. Manainga ireo mpikambana izahay mba haneho fanoloran-tena ho an’ ireo fianakaviany.

Fony izahay vao nivady dia nanapa-kevitra izahay mivady fa hanaiky ireo zanaka rehetra ho aterakay ary handray andraikitra amin’ ny fitazaina sy famelomana azy ireo. Rehefa tonga ny fotoana dia hanorina ny fianakavian’ izy ireo manokana izy ireo.

Indroa teo amin’ ny fanambadianay, tamin’ ny fotoana hahaterahan’ ny roa tamin’ ireo zanakay lahikely, no nisy dokotera nilaza hoe: “Angamba mety tsy ho azo ity iray ity.”

Tao anatin’ ireo fotoana roa ireo dia namaly izahay fa hanolotra ny fiainanay ho an’ ilay zanakalahinay izay tena kely izahay raha toa ka afaka ny hitazona ny ainy izy. Tao anatin’ izany fanoloran-tenanay izany no nahatsapanay fa toy izany koa ny fanoloran-tena ataon’ ny Ray any an-danitra amintsika tsirairay avy. Tena toe-tsain’ ny lanitra izany!

Ankehitriny ao anatin’ izao fotoana faramparan’ ny fiainanay izao, izaho sy Rahavavy Packer dia mahatakatra sy mijoro ho vavolombelona fa afaka ny hiaraka mandrakizay tokoa ny fianakavianay. Rehefa mankatò ny didy sy miaina feno ny filazantsara isika dia ho voaro sy handray fitahiana. Raha ny mikasika ny zanakay sy ny zafikelinay ary ireo zafiafinay, ny vavaka ataonay dia ny mba hananan’ ny olona tsirairay ao amin’ ny fianakavianay izay tsy mitsaha-mitombo ilay fanoloran-tena mitovy amin’ izany eo anatrehan’ ireo zaza madinika sarobidy ireo.

Ry ray sy reny, rehefa mitrotro zaza vao teraka eo an-tsandrinareo ianareo amin’ ny manaraka dia afaka ny hanana fahitana anaty an’ ireo mistery sy tanjon’ ny fiainana. Hahatakatra tsara kokoa ny antom-pisian’ ny Fiangonana ianareo sy ny antony mahatonga ny fianakaviana ho rafitra fototra eto amin’ izao fiainana izao sy mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia marina, ary ny drafitry ny fanavotana, izay nantsoina hoe drafitra ny fahasambarana, dia drafitra ho an’ ireo fianakaviana. Mivavaka amin’ ny Tompo aho mba ho voatahy ireo fianakaviana ato am-piangonana, ireo ray aman-dreny sy ireo zanaka, ary mba handroso hatrany araky ny sitrapon’ ny Ray ity asa ity. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.