2012
Ny Fotopampianaran’ i Kristy
Mey 2012


Ny Fotopampianaran’ i Kristy

Loholona D. Todd Christofferson

Ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny toy ny tamin’ ny fahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’ i Kristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara-potopampianarana dia misy ifandraisany amin’ ny fanambarana masina.

Maneho ny fankasitrahanay sy ny fitiavanay lalina ho an’ ny Rahavavy Beck sy Rahavavy Allred, ary Rahavavy Thompson izahay ary ny ny filankevi-pitantanan’ ny Fikambanana Ifanampianana.

Nahita izahay tato ato fa nitombo ny fahalianana hahafantatra mikasika ny finoan’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Zavatra rainsintsika an-tanan-droa izany satria ny asa fototra nanirahana antsika koa anie dia ny hitory manerana an’ izao tontolo izao ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, ny fotopampianarany (jereo ny Matio 28:19–20; F&F 112:28). Saingy tsy maintsy miaiky isika fa teo ny fotoana nisian’ ny fisafotofotoan-kevitra ary mbola mitohy misy ihany izany mikasika ny fotopampianarantsika sy ny fomba nanorenana azy. Izay no lohahevitra tiako hozaraina androany.

Ny Mpamonjy dia nampianatra ny fotopampianarany tao anatin’ ny mitataovovonan’ ny fotoana ary niady mafy ireo Apôstôlin’ ny Mpamonjy mba hiarovana izany amin’ ireo fanenjehana avy amin’ ny fomban-drazana sy ny filôzôfia diso. Ireo taratasy nosoratana ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia mitanisa zava-nitranga maro izay mampiseho fa efa nanomboka nisy nandritra ny fotoana nanaovan’ ny Apôstôly asa fanompoana ilay apôstazia izay natahorana ary efa nihanaka.1

Ireo taonjato taorian’ izany dia nohazavain’ ny tara-pahazavan’ ny filazantsara indraindray ary avy eo nitombo tsikelikely mandrapahatonga ny taonjato faha-19 izay nisian’ ny fiantombohan’ ilay fiposahan’ ny hazavana mamirapiratry ny Famerenana tamin’ ny laoniny sy ny filazantsaran’ i Kristy feno izay tonga teto an-tany indray. Izany andro lehibe izany dia nanomboka raha tao anatin’ ny “andrim-pahazavana … nihoatra ny famirapiratan’ ny masoandro” (Joseph Smith—Tantara 1:16), dia indro Andriamanitra Ray sy ny Zanaka Malalany Jesoa Kristy, namangy an’ ilay tovolahy Joseph Smith ary nanomboka nampisy ilay fitobahan’ ny fanambarana izay tonga amin’ ny alalan’ ny hery sy fahefana.

Ao anatin’ ireo fanambaran’ ny andro farany ireo no ahitantsika ilay antsoina hoe fotopampianarana fototry ny Fiangonan’ i Jesoa izay naverina indray eto an-tany. Izany fotopampianarana izany dia nofaritan’ i Jesoa ao anatin’ ireto teny hita ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa Momba an’ i Jesoa Kristy ireto:

“Izao no fotopampianarako ary izany dia fotopampianarana izay efa nomen’ ny Ray Ahy; ary Izaho dia vavolombelona manambara ny Ray sy manambara Ahy; ary Izaho dia vavolombelona fa mandidy ny olona rehetra ny Ray na aiza na aiza, hibebaka sy hino Ahy.

“Ary na zovy na zovy no mino Ahy sy atao batisa dia izy no hovonjena; ary izy no handova ny fanjakan’ Andriamanitra.

“Ary na zovy na zovy no tsy mino Ahy sy tsy atao batisa dia hohelohina.

“… Ary na zovy na zovy no mino Ahy dia mino ny Ray koa; ary aminy ny Ray dia vavolombelona hanambara Ahy, fa hamangy azy amin’ ny afo sy amin’ ny Fanahy Masina Izy. …

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izany no fotopampianarako, ary na zovy na zovy no manorina eo ambonin’ izany dia manorina eo ambonin’ ny vatolampiko, ary ny vavahadin’ ny helo tsy haharesy azy” (3 Nefia 11:32–35, 39).

Izany no hafatsika, ilay vatolampy iorenantsika, ary fototra iorenan’ ny zavatra rehetra hafa ao amin’ ny Fiangonana. Toy ny zavatra rehetra avy amin’ Andriamanitra dia madio sy mazava ary mora takarina io fotopampianarana io—na dia ho an’ ny ankizy iray aza. Manasa ny rehetra amim-pifaliana izahay mba handray izany.

Ao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia “mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9). Izany dia ilazana fa raha toa ka misy zavatra maro izay mbola tsy fantatsika, dia tonga ary hitohy ho tonga amin’ ny alalan’ ny fanambarana masina ireo fahamarinana sy fotopampianarana voaraintsika. Any amin’ ireo finoana sasany, ireo mpahay finoana an’ Andriamanitra dia manamafy ny tokony hisian’ ny fahefana mitovy ahafahana mampianatra eo amin’ ireo mpitondra fivavahana isan-tsokajiny, ary ny lafiny mikasika ny fotopampianarana amin’ izay dia mety ho lasa ady hampandresena hevitra eo amin’ izy ireo. Ny sasany miantehitra amin’ ilay filankevitra ara-pinoana lehibe niseho tamin’ ny taonjato faha-14 ka hatramin’ ny faran’ ny taonjato faha-15 sy ny fampianarany. Ny hafa dia manao ho lohalaharana ny hevitra nentin’ ireo mpahay finoana an’ Andriamanitra izay niaina taorian’ ny nahafatesan’ ny ireo apôstôly na ny fandalinana mikasika ireo fomba sy fitsipika nandikana ny Baiboly ary fanazavana amin’ ny antsipiriany ny zavatra ao anatin’ izany. Isika dia manome lanja ny fandalinana izay mampitombo ny fahatakarana, saingy ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny toy ny tamin’ ny fahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’ i Kristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara-potopampianarana dia misy ifandraisany amin’ ny fanambarana masina izay azon’ ireo nomen’ ny Tompo fahefana ho apôstôly.2

Tamin’ ny 1954, ny Filoha J. Reuben Clark Jr., izay mpanolotsaina iray tao amin’ ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny fomba hampahafantarana ny fotopampianarana ary ny andraikitra faran’ izay lehibe indrindra sahanin’ ny Filohan’ ny Fiangonana. Raha niresaka momba ireo mpikambana ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo izy dia nilaza hoe: “Tokony ho [ataontsika] ao an-tsaina fa ny sasany amin’ ireo Manampahefana Ambony dia nomena antso manokana ho sahanin’ izy ireo. Manana fanomezam-pahasoavana manokana izy ireo, ary tohanana ho mpaminany, mpahita ary mpanambara izay manome azy ireo fanomezam-pahasoavana manokana ara-panahy mifandray amin’ ny fampianarany ny olona. Izy ireo dia manana ny zo sy ny hery ary ny fahefana mba hanambara izay saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra mikasika ny olony, ary eo ambanin’ ny hery sy fahefana faran’ izay lehibe ananan’ ny Filohan’ ny Fiangonana izany. Ny sasany amin’ ireo Manampahefana Ambony ireo dia tsy nomena izany fanomezam-pahasoavana sy fahefana manokana ara-panahy izany mikasika ny fampianarany. Misy famerana mihatra amin’ izy ireo. Ary ilay famerana mihatra amin’ izy ireo eo amin’ ny lafin’ ny hery sy fahefana ao anatin’ ny fampianarana dia mihatra amin’ ny mpiandraikitra sy mpikamban’ ny Fiangonana hafa rehetra satria tsy misy amin’ izy ireo nomena fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ankoatra izay araka ny efa voalaza dia manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy manokana sy lehibe kokoa ny Filohan’ ny Fiangonana eo amin’ izay lafiny izay, satria izy no Mpaminany sy Mpahita ary Mpanambara ho an’ ny Fiangonana iray manontolo.”3

Ahoana no fomba hanambaran’ ny Mpamonjy ny sitrapony sy ny fotopampianarany amin’ ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara? Mety ataony amin’ ny fampiasana mpitondra hafatra iray izany na ataon’ ny tenany manokana. Afaka miteny amin’ ny alalan’ ny feony manokana Izy na amin’ ny alalan’ ny feon’ ny Fanahy masina―izay fifandraisan’ ny Fanahy mankany amin’ ny fanahy, mety hambara amin’ ny alalan’ ny teny na amin’ ny alalan’ ny fahatsapan-javatra izay mampita fampahalalana sarotra ambara amin’ ny alalan’ ny teny (jereo ny 1 Nefia 17:45; F&F 9:8). Afaka mifandray manokana amin’ ny mpanompony Izy na mifandray amin’ izy ireo ao anatin’ ny filankevitra ataon’ izy ireo (jereo ny 3 Nefia 27:1–8).

Hilaza zavatra roa maneho izany avy ao amin’ ny Testamenta Vaovao aho. Ny voalohany dia fanambarana izay nambara ho an’ ny lohan’ ny Fiangonana. Any am-piandohan’ ny bokin’ ny Asan’ ny Apôstôly any dia ahitantsika ireo Apôstôlin’ i Kristy izay tsy nanambara ny hafatry ny filazantsara afa-tsy tamin’ ireo Jiosy ihany. Nanaraka ny lamin’ ny asa fanompoan’ i Jesoa izy ireo (jereo ny Matio 15:24), saingy ankehitriny araka ny fandaharam-potoanan’ ny Tompo dia tonga ny fotoana hiovana. Tamin’ i Petera tany Jopa dia nanofy nahita karazam-biby avy any an-danitra izy izay naidina ho amin’ ny tany ka tao anatin’ ny “lamba lehibe mifatotra amin’ ny zorony efatra” (Asan’ ny Apôstôly 10:11) izy ireo ary nodidiana izy mba “hamono sy hihinana” (Asan’ ny Apôstôly) izany. Nisalasala i Petera satria ny sasany tamin’ ireo biby ireo farafahakeliny dia “tsy madio” na “fady” araka ny lalàn’ i Mosesy ary i Petera dia tsy mbola nandika velively ilay didy mandrara ny tsy hihinanana zavatra toy izany. Na dia izany aza dia nilaza tamin’ i Petera ilay feo tao anatin’ ny nofiny hoe: “Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia aza ataonao fady” (Asan’ ny Apôstôly 10:15).

Nazava ny dikan’ ilay nofy rehefa vetivety taorian’ izay dia nisy olona maro nirahin’ i Kornelio Tomponjato Romana tonga tany amin’ ny tranon’ i Petera mba hangataka azy hampianatra ilay tompon’ izy ireo. Nanangona vondron’ olona maromaro izay ahitana havana sy namana i Kornelio ary rehefa nahita azy ireo tsindrindaona ny handray ny hafany i Petera dia nilaza hoe:

“Efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. …

“… Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra:

“Fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankahasitrahany” (Asan’ ny Apôstôly 10:28, 34–35; jereo koa ny andininy 17–24).

“Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.

“Ary ireo [izay niaraka tamin’ i Petera] dia talanjona … satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.

“… Dia namaly i Petera ka nanao hoe:

“Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?” (Asan’ ny Apôstôly 10:44–47).

Tamin’ ny alalan’ izay zava-nitranga izay sy tamin’ ny alalan’ ny fanambarana nomena an’ i Petera dia novain’ ny Tompo ny fomba fanao iray tao amin’ ny Fiangonana ary nanambara fampahalalana ara-potopampianarana feno kokoa tamin’ ny mpianany Izy. Ary noho izany ny fitoriana ny filanzantsara dia nivelatra mba hampidirana ny olona rehetra.

Any amin’ ny faramparan’ ny bokin’ ny Asan’ ny Apôstôly dia mahita tantara iray hafa izay misy ifandraisany amin’ ilay fomba fifandraisana isika. Amin’ ity indray mitoraka ity dia aseho ny fomba ahafahan’ ny fanambarana mikasika ireo lafin-javatra ara-potopampianarana ho tonga ao anatin’ ny fotoana hanaovana filankevitra. Nisy ny fifandirana mikasika ny hoe tokony hisy fiantraikany eo amin’ ny didy iray ao anatin’ ny filazantsara sy ny Fiangonan’ i Kristy ve ny famorana izay notakiana eo ambanin’ ny lalàn’ i Mosesy (jereo ny Asan’ ny Apôstôly 15:1, 5). “Ary dia nivory ny apostoly sy ny loholona mba hihevitra … izany zavatra izany” (Asan’ ny Apôstôly 15:6). Tsy feno akory ny zavatra voarakitsika mikasika izany filankevitra izany saingy nolazaina isika fa taorian’ ny “ady hevitra be ihany” (Asan’ ny Apôstôly 15:7), dia nitsangana i Petera izay Apôstôly zokiny indrindra ary nanambara ny zavatra nambaran’ ny Fanahy Masina taminy. Nambarany tamin’ ny filankevitra fa rehefa natomboka notoriana tamin’ ireo Jentilisy tsy voafora ny filazantsara tao an-tranon’ i Kornelio, dia nandray ny Fanahy Masina izy ireo toy ny nandraisan’ ireo Jiosy voafora niova fo an’ izany. Hoy Andriamanitra hoe: “fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ ny finoany ny fony.

“Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’ Andriamanitra amin’ ny fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra, izay tsy zakan’ ny razantsika na isika ho entina?

“Fa mino isika fa ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa” (Asan’ ny Apôstôly 15:9–11; jereo koa ny andininy 8).

Taorian’ ny nitenenan’ i Paoly sy i Barnabasy ary ireo olona hafa mba hanohanana ny fanambaran’ i Petera dia nanome sosokevitra ny mba hanaovana izany fanapahan-kevitra izany ao anaty taratasy ho an’ ny Fiangonana i Jakoba ary “nifanara-kevitra” ny filankevitra (Asan’ ny Apôstôly 15:25; jereo koa ny andininy 12–23). Tao anatin’ ilay taratasy nanambarana ny fanapahan-kevitr’ izy ireo dia nanambara ireo Apôstôly hoe: “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay” (Asan’ ny Apôstôly 15:28), na amin’ ny teny hafa, izany fanapahan-kevitra izany dia tonga tamin’ ny alalan’ ny fanambarana masina tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina.

Ireo lamina ireo koa dia arahana ankehitriny ao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa naverina tamin’ ny laoniny. Ny Filohan’ ny Fiangonana dia afaka manambara na manazava fotopampianarana izay mifototra amin’ ny fanambarana omena azy (mba hahitana ohatra dia jereo ny F&F 138). Ny fanazavana ara-potopampianarana koa dia mety tonga amin’ ny alalan’ ny filankevitra itambaran’ ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo (jereo mba hahitana ohatra ny Fanambarana Ôfisialy 2). Ny resaka atao ao anatin’ ny filankevitra matetika dia ahitana ny fampiasana ireo soratra masina nankatoavin’ ny Fiangonana, ireo fampianaran’ ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana, ary ny zavatra natao teo aloha. Saingy amin’ ny farany toy ny ao amin’ ny Testamenta Vaovao ihany dia tsy hoe fifanarahana tsotra fotsiny eo amin’ ireo mpikambana ao amin’ ny filankevitra akory no tanjona fa fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Fomba fiasa sady ahitana ny fampiasana ny saina sy ny finoana izany mba hahazoana mahafantatra ny saina sy ny sitrapon’ ny Tompo.4

Miaraka amin’ izay ihany koa dia tokony ho tsaroana fa tsy izay zavatra rehetra nolazain’ ny mpitarika iray ao amin’ ny Fiangonana, na mpitarika taloha izany na ankehitriny akory dia voatery hoe fotopampianarana. Efa takatry ny rehetra ato amin’ ny Fiangonana fa ny zavatra nolazain’ ny mpitarika iray tao anatin’ ny fotoana iray manokana dia matetika raisina ho hevitra avy amin’ ny tenany manokana izay avy tamim-pisainana tsara fa tsy natao ho lasa zavatra ôfisialy sy tsy maintsy arahan’ ny Fiangonana iray manontolo. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa “ny mpaminany iray [dia] mpaminany rehefa mitondra tena ho toy izany izy.”5 Ny Filoha Clark, izay efa nindraman-teny tany aloha dia nanambara hoe:

“Maneho izany toe-javatra izany ny tantara tsotra iray notantarain’ ny raiko ahy fony aho ankizilahy, izay tsy fantatro hoe inona ilay fahefana resahana fa maneho izany toe-javatra izany fotsiny ilay izy. Ilay tantarany dia hoe nandritra ny fientanentanana mikasika ny fahatongavan’ ny Tafik’ i [Johnston], dia nanao lahateny ho an’ ny olona tao anatin’ ny fivoriana maraina iray Rahalahy Brigham, izay lahateny feno fihantsiana an’ ilay tafika manatona ary fanambarana ny fikasana hanohitra sy handroaka azy ireo. Tao anatin’ ny fivoriana natao ny tolakandro dia nitsangana izy ary nilaza hoe, niteny i Brigham Young tamin’ ny maraina, saingy ny Tompo indray no hiteny izao. Dia nanao lahateny iray izy ka samy hafa tamin’ ilay nataony ny maraina izany. …

“… Ny Fiangonana dia hahafantatra amin’ ny alalan’ ny fijoroan’ ny Fanahy Masina ho vavolombelona izay omena ireo mpikambana raha toa ilay rahalahy, izay mizara ny heviny ka ‘entanin’ ny Fanahy Masina’ ary hiseho ihany izany fahalalana izany amin’ ny farany.”6

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanamafy ny anjara asa lehiben’ ny Mpamonjy ao amin’ ny fotopampianarantsika ao anatin’ ny fehezan-teny manan-danja iray: “Ireo fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelon’ ireo Apôstôly sy mpaminany mikasika an’ i Jesoa Kristy izay manao hoe, maty Izy dia nalevina ary nitsangana tamin’ ny maty ny andro fahatelo, dia niakatra any an-danitra ary ireo zavatra hafa mikasika ny finoantsika dia mifampiankina amin’ izany fotsiny.”7 Ny fijoroan’ i Joseph Smith ho vavolombelona mikasika an’ i Jesoa dia hoe velona Izy “satria hita[ny] izy, [t]eo ankavanan’ Andriamanitra ary re[ny] ny feo manambara fa Izy no Zanaka Lahitokan’ ny Ray” (F&F 76:23; jereo koa ny andininy 22). Miantso ny rehetra izay maheno na mamaky ity hafatra ity aho mba hikatsaka amin’ ny alalan’ ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina izany fijoroana ho vavolombelona momba ilay toetra maha-Andriamanitra an’ i Jesoa Kristy izany sy momba ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ ny maty. Ekeo ny fotopampianarany amin’ ny alalan’ ny fibebahana, ny fanaovana batisa ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary amin’ ny alalan’ ny fanajana ireo lalàna sy fanekempihavanan’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy mandritra ny fiainanareo.

Satria efa manakaiky ny fetin’ ny Paska dia zaraiko ny fijoroako ho vavolombelona manokana fa i Jesoa avy any Nazareta dia Zanak’ Andriamanitra, ilay Mesia marina tao anatin’ ny faminaniana fahiny. Izy ilay Kristy nijaly tao Getsemane, izay maty teo amin’ ny hazo fijaliana, dia nalevina ary nitsangana tamin’ ny maty tokoa tamin’ ny andro fahatelo. Izy ilay Tompo nitsangana tamin’ ny maty ary amin’ ny alalany no hitsanganantsika rehetra amin’ ny maty sy hahafahan’ ireo izay vonona, hahazo fanavotana sy fisandratana any amin’ ilay fanjakany any an-danitra. Izany no fotopampianarantsika izay manamafy ireo testamenta rehetra tany aloha mikasika an’ i Jesoa Kristy ary ambara indray amin’ izao androntsika izao. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Neal A. Maxwell, “From the Beginning,” Ensign, Nôv. 1993, 18–19:

    “Nanoro hevitra hialana amin’ ny ‘ady sy ny fifandirana eo anivon’ ny’ Fiangonana (Jakoba 4:1) i Jakoba. I Paoly dia naneho ny alahelony mikasika ny ‘fisarahana’ ao amin’ ny Fiangonana ary ny tena tsy mba hiantran’ ny ‘ambodia masiaka ny ondry’ (1 Kor. 11:18; Asan’ ny Apôstôly 20:29–31). Fantany fa hisy apôstazia ho avy ary nanoratra ho an’ ny Tesaloniana izy fa ny fiavian’ i Jesoa fanindroany dia tsy hitranga ‘raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana’; ary nanoro hevitra bebe kokoa izy hoe ‘miasa sahady ny zava-miafina’ (2 Tes. 2:3, 7).

    “Tamin’ ny farany dia nanamafy i Paoly fa tena niely be ilay fihemorana: ‘fantatro fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia’ (2 Tim. 1:15). …

    “Nampiahiahy be ny apôstôly ny fihanahan’ ny fahavetavetana sy ny fanompoan-tsampy (jereo ny 1 Kor. 5:9; Efes. 5:3; Joda 1:7). I Jaona sy i Paoly dia nanoratra ny ahiahin’ izy ireo mikasika ireo Apôstôly sandoka (jereo ny 2 Kor. 11:13; Apôk. 2:2). Tena voatohintohina ny Fiangonana. Ny sasany dia tsy hoe niala fotsiny fa lasa nanohitra ampahibemaso mihitsy ny Fiangonana. Tao anatin’ ny toe-javatra iray dia nijoro irery i Paoly ary nitaraina hoe: ‘nandao ahy avokoa izy rehetra’ (2 Tim. 4:16). Niampanga ampahibemaso ireo izay ‘nampivadika mpianakavy maro’ (Titosy 1:11)koa izy.

    “Nisy mpitarika vitsivitsy nikomy rehefa nisy anankiray izay tia toerana ambony nanda ny handray ireo rahalahiny (jereo ny 3 Jaona 1:9–10).

    “Tsy mahagaga raha toa ny Filoha Brigham Young ka nilaza hoe: ‘Nolazaina fa nesorina tao amin’ ny Fiangonana ny Fisoronana, saingy tsy izany no niseho. Ny Fiangonana no nandao ny Fisoronana’ (ao amin’ ny Journal of Discourses, 12:69).”

    Rehefa nandeha ny fotoana araka ny nilazan’ ny Loholona Maxwell azy, “dia nibahan-toerana ny fombafomba Grika momba ny filôzôfia ary avy eo nosoloin’ ny fianteherana amin’ ny fanambarana izay angamba toe-javatra nafainganin’ ireo Kristianina tsara eritreritra izay naniry ny hitondra ny finoan’ izy ireo tao anatin’ ilay kolontsaina nibahana tamin’ izany fotoana izany …

    “… Aoka isika rehetra [koa] mba hitandrina mikasika ny fandraisana ny fanambarana momba ny haifinoana an’ Andriamanitra ho toy ny fahendrena ekena” (Ensign, Nôv. 1993, 19–20).

  2. Manambara ny tenin’ Andriamanitra ireo Apôstôly sy mpaminany toa an’ i Joseph Smith, saingy ankoatra izany dia mino isika fa ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ ny ankapobeny na ny ankizy koa aza dia afaka ny hianatra zavatra avy amin’ ny fanentanam-panahy masina na afaka mahazo fitarihana amin’ ny alalan’ izany ho valin’ ny vavaka natao sy vokatry ny fandalinana ny soratra masina. Toy ny tamin’ ireo andron’ ireo Apôstôly fahiny dia omena ny fanomezana ny Fanahy Masina ireo mpikamban’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy izay manamora ny fifandraisana tsy tapaka amin’ ny Rainy any an-danitra na amin’ ny teny hafa dia hoe ny fahazoana fanambarana ho an’ ny tena manokana (jereo ny Asan’ ny Apôstôly 2:37–38). Amin’ izay fomba izay ny Fiangonana dia lasa vondron’ olona manolo-tena sy matotra ara-panahy ary ny finoan’ izy ireo dia vokatry ny fahitana ireo zavatra niainany manokana—finoana azo avy amin’ ny Fanahy Masina sy hamafisin’ ny Fanahy Masina. Tsy midika akory izany fa ny mpikambana rehetra dia miteny ho an’ ny Fiangonana na afaka mamaritra ny fotopampianarana ao anatiny fa ny olona tsirairay dia afaka mahazo fitarihana masina mba hiatrehana an’ ireo fanamby sy ireo zavatra mahasoa eo amin’ ny fiainany.

  3. J. Reuben Clark Jr., “When Are Church Leaders’ Words Entitled to Claim of Scripture?” Church News, 31 July, 1954, 9–10; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–2, 6–7, 11–13.

  4. Ny fiomanana ilaina sy ireo zavatra takiana avy amin’ ireo mpandray anjara ao amin’ ny filankevitra dia “fahamarinana, … fahamasinana, ary fietren’ ny fo, halemem-panahy sy ny fahari-po, … finoana, sy ny hatsaran-toetra ary fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny toetra araka an’ Andriamanitra, fifankatiavan’ ny mpirahalahy ary ny fiantrana;

    “Satria ny fampanantenana dia izao: raha miavosa ao aminy ireo zavatra ireo, dia tena hahavokatra izy ireo amin’ ny fahalalana ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:30–31).

  5. Joseph Smith, ao amin’ ny History of the Church, 5:265.

  6. J. Reuben Clark Jr., (“Church Leaders’ Words,” 10.) Tao anatin’ ilay tantara notantarain-drainy azy mikasika an’ i Brigham Young dia nanohy nanoratra bebe kokoa an’ izao ny Filoha Clark:

    “Tsy fantatro raha efa nitranga ity zavatra ity, saingy azoko lazaina hoe maneho fitsipika iray izany—fa na ny Filohan’ ny Fiangonana aza dia mety ho ‘entanin’ ny Fanahy Masina’ foana rehefa miresaka amin’ ny olona. Efa niseho izany teo amin’ ny lafin’ ny fotopampianarana (matetika hevitra tena saintsainina) ka na ireo Filohan’ ny Fiangonana nifandimby sy ireo olon-kafa aza dia nahatsapa fa tsy ‘nentanin’ ny Fanahy Masina’ ilay mpandahateny rehefa nanambara izany fotopampianarana izany.

    “Ahoana no hahafantaran’ ny Fiangonana fa ireo anoanon’ ireo rahalahy ao anatin’ ireo fitsipika sy fotopampianarana saintsainina ireo dia mahafeno ny fepetra izay maneho fa ilay mpandahateny dia ‘nentanin’ ny Fanahy Masina’? Ny Fiangonana dia hahalala amin’ ny alalan’ ny fijoroana ho vavolombelon’ ny Fanahy masina fa ao anatin’ ny vatan’ ireo mpikambana, raha toa ilay rahalahy izay maneho ny heviny ka ‘entanin’ ny Fanahy Masina’; ary rehefa tonga ny fotoana dia hiharihary izany fampahalalana izany” (“Church Leaders’ Words,” 10).

  7. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 49.