2012
Tena Tia Antsika Tokoa Izy
Mey 2012


Tena Tia Antsika Tokoa Izy

Noho ilay fakantahaka avy any an-danitra izay narafitra ho an’ ny fianakaviana dia takatsika tsara kokoa ny fomba tena hitiavan’ ny Ray any an-danitra antsika tsirairay amin’ ny fomba tsy miangatra sy feno.

Loholona Paul E. Koelliker

Tiako ny miaraka amin’ ireo misiônera manompo amin’ ny fotoana feno. Vontom-pinoana sy fanantenana ary feno fiantrana marina izy ireo. Ny zavatra niainany mandritra ny maha-misiônera dia toy ny fiainana kely iray voafono ao anatin’ ny 18 ka hatramin’ ny 24 volana. Tonga toy ny zaza ara-panahy izy ireo izay manana hetaheta mafy ny hianatra ary olon-dehibe matotra izy ireo rehefa mody, toa vonona ny hiatrika ireo fanamby rehetra miseho eo anoloan’ izy ireo. Tiako koa ireo misiônera mpivady feno fanoloran-tena, izay feno faharetana, sy fahendrena, ary fahatokiana tony. Mitondra ilay fanomezan’ ny tsy fiovaovana sy fitiavana ho an’ ireo tanora feno tanjaka izay manodidina azy izy ireo. Rehefa miaraka ny misiônera tanora sy ny misiônera mpivady dia hery mahery vaika sy maharitra amin’ ny fanaovana ny tsara, izay misy fiantraikany lalina eo amin’ ny fiainan’ izy ireo sy amin’ ireo izay voakasiky ny asa fanompoana ataon’ izy ireo.

Vao haingana aho no nihaino ny roa tamin’ ireo misiônera tanora manana ny maha izy azy ireo raha nanao tamberina ny zavatra niainany sy ny ezaka nataony izy ireo. Tao anatin’ izany fotoana nisaintsainan’ izy ireo izany dia nandinika momba ny olona tsirairay izay nifampiresaka tamin’ izy ireo nandritra iny andro iny izy ireo, ny sasantsasany tamin’ izany dia olona izay nety nandray kokoa noho ny hafa. Rehefa nandinika ny toe-javatra izy ireo dia nametraka fanontaniana hoe: “Ahoana no ahafahantsika manampy ny tsirairay hampivelatra ny fanirian’ izy ireo hahafantatra bebe kokoa momba ny Ray any an-danitra? Ahoana no hanampiantsika azy ireny hahatsapa ny Fanahiny? Ahoana no hanampiantsika azy ireo hahafantatra hoe tiantsika izy ireo?”

Azoko sary an-tsaina ireo tovolahy roa ireo telo taona na efa-taona taorian’ ny nahavitan’ izy ireo ny asa fitoriany. Hitako izy ireo fa nahita ireo ho vadiny mandrakizay ary manompo ao amin’ ny kôlejin’ ny loholona na mampianatra andian-jatovolahy iray. Amin’ izay fotoana izay raha tokony hieritrerira mikasika ny naman’ ny Fiangonana izy ireo dia ho apetrak’ izy ireo io fanontaniana io mikasika an’ ireo mpikambana ao amin’ ny kôlejin’ izy ireo na mikasika an’ ireo zatovolahy nampandraiketina azy ireo mba ho beazina. Hitako ny fomba ahafahan’ izy ireo mampiasa ny zavatra niainan’ izy ireo fony misiônera mba ho entina hanampiana ny hafa mandritra ny androm-piainan’ izy ireo manontolo. Rehefa miverina avy nanao asa fitoriana ka mody any amin’ ireo firenena maro maneran-tany io tafiky ny mpanara-dia marin-toetra io dia lasa mpandray anjara manan-danja ao amin’ ny asa fanorenana ny Fiangonana izy ireo.

Mety nisaintsaina ireo karazam-panontaniana napetraky ny misiônera ireo koa ny mpaminany Lehia, ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna, rehefa nihaino ny valintenin’ ny zanany lahy izy mikasika ny fitarihana sy fahitana izay nomeny azy ireo: “Ary dia toy izany no nimonomononan’ i Lamàna sy i Lemoela izay zokiny indrindra, tamin-drainy. Izy ireo dia nimonomonona, satria tsy fantany ny fitondran’ ilay Andriamanitra izay efa nahary azy ireo” (1 Nefia 2:12).

Angamba isika samy efa nahatsapa ny fahasorenana tsapan’ i Lehia tamin’ ny zavatra niainany niaraka tamin’ ireo zanakalahiny roa voalohany ireo. Rehefa eo anoloan’ ny ankizy iray manomboka manalavitra ny fahamarinana isika, na naman’ ny Fiangonana tsy manolo-tena, na olona miomana ny ho loholona fa tsy mandray anjara firy dia malahelo azy ireo tokoa ny fo tahaka ny an’ i Lehia ary manontany tena isika hoe ahoana no fomba ahafahako manampy azy ireo hahatsapa sy hihaino ny Fanahy mba hahafahan’ izy ireo misoroka ireo rendrarendran’ izao tontolo izao? Soratra masina roa no tonga ato an-tsaiko izay afaka manampy antsika hahita ny lala-kombana eo anivon’ ireo rendrarendra ireo ary hahatsapa ny herin’ ny fitiavan’ Andriamanitra.

I Nefia dia manome fanalahidy iray ho an’ ny varavaran’ ny fianarana amin’ ny alalan’ ny zavatra niainany manokana: “Izaho Nefia dia, … efa nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra ny mistery momba an’ Andriamanitra, noho izany aho dia nitalaho tamin’ ny Tompo; ary indro Izy tonga namangy ahy sy nampahalefaka ny foko hany ka nino ny teny rehetra izay efa nolazain-draiko aho; koa tsy nikomy taminy tahaka ny rahalahiko aho” (1 Nefia 2:16).

Ny famohazana ny faniriana hahafantatra dia mamela ilay fahafaha-manaontsika ara-panahy handre ny feon’ ny lanitra. Ny fikatsahana fomba hamohazana sy hikolokoloana izany faniriana izany no adidy sy andraikintsika tsirairay avy—ny misiônera, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpitarika ary ireo mpikambana. Rehefa mahatsapa isika fa mitsiry ao am-pontsika izany faniriana izany, dia vonona isika hahazo tombontsoa avy amin’ ny fianarana ilay soratra masina faharoa izay tiako hambara.

Tamin’ ny volana Jiona 1831, rehefa nanolorana antso ireo mpitarika ny Fiangonana tany am-piandohana, dia nolazaina i Joseph Smith fa “mivezivezy eran-tany i Satana, ary mivoaka izy hamitaka ireo firenena.” Mba hiadiana amin’ izany fitarihana mahavarimbariana izany, dia nilaza ny Tompo fa hanome antsika “ny fakantahaka amin’ ny zavatra rehetra [Izy], mba tsy ho azo fitahina [isika]” (F&F 52:14).

Ny fakantahaka dia ohatra, fitarihana, dingana miverimberina, na lalana arahin’ ny olona iray mba tsy hialana amin’ ny tanjon’ Andriamanitra. Raha arahina izany, dia hanampy antsika hanana fanetren-tena, sy ho taitra, ary ho hanana fahafahana hamantatra ny feon’ ny Fanahy Masina eo anivon’ ireo feo izay mandrebireby sy mamily lalana antsika. Nanome torolalana antsika ny Tompo avy eo manao hoe: “Izay mangovitra noho ny heriko dia hohatanjahina ary hamoa ny voan’ ny fiderana sy ny fahendrena araka ny fanambarana sy ny fahamarinana izay efa nomeko anareo” (F&F 52:17).

Ny fitahiana avy amin’ ny vavaka feno fanetren-tena omban’ ny tena finiavana, dia mamela ny Fanahy Masina hikasika ny fontsika ary manampy antsika hahatsiaro ireo zavatra izay efa fantatsika talohan’ ny nahaterahantsika teto amin’ ity fiainana an-tany ity. Rehefa mazava amintsika ny drafitry ny Raintsika any an-danitra ho antsika, dia manomboka mahafantatra ny andraikitsika isika eo amin’ ny fanampiana ny hafa hianatra sy hahatakatra ny drafiny. Ny fifamatorana akaiky amin’ ny fanampiana ny olona hahatsiaro dia fomba iainantsika manokana ny filazantsara sy ampiharantsika izany eo amin’ ny fiainantsika. Rehefa tena miaina marina ny filazantsara isika araky ny fankatahaka nampianarin’ ny Tompo Jesoa Kristy antsika, dia hitombo ny fahafahantsika manampy ny hafa. Ity zava-nitranga manaraka ity dia ohatra maneho ny fomba ahafahan’ ity fitsipika ity ho mahomby.

Nandondona tao amin’ ny trano iray ny misiônera vao herotrerony roa, izay nanantena fa hahita olona handray ny hafatr’ izy ireo. Nisokatra ny varavarana, ary lehilahy goavana iray no nandray azy ireo tamin’ ny feo somary nitrerona: “Ohatry ny efa nolazaiko anie ianareo tsy handondona ny varavarako intsony e! Efa nampitandrina anareo aho taloha fa raha mbola miverina ianareo, dia hivadika toe-javatra ratsy izany. Mandehana mandeha any amin’ izay.” Nakatony haingana ny varavarana.

Raha nandao ilay trano ireo elder, dia napetrak’ ilay misiônera efa manana traikefa bebe kokoa teo an-tsorok’ ilay misiônera vao tonga vao haingana ny sandriny mba hankahery sy handrisika azy. Tsy fantatr’ izy ireo akory hoe nitazana teo am-baravarankely ilay lehilahy mba hahazo antoka fa azon’ ireto misiônera ireto tsara ny hafatra nomeny. Izy dia tena nanantena ny hahita azy ireo hihomehy sy hihanihany tamin’ ilay valinteny feno tsy fahalalam-pomba rehefa nanandrana ny hamangy azy izy ireo. Kanefa rehefa hitany ny fifanehoana hatsaram-panahy nisy teo amin’ ireto misiônera roa ireto dia tonga nihanalefaka ny fony. Novohany indray ny varavarana ary nangataka ireto misiônera roa ireto izy hiverina ary hizara aminy ny hafatr’ izy ireo.

Amin’ ny fotoana izay hanaovantsika ny sitrapon’ Andriamanitra sy iainantsika ny ohatra nasehony no ahatsapana ny Fanahy Masina. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Izany no ahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:35). Ity fitsipiky ny fifankatiavana sy ny fampivelarana ny fahafahantsika mifantoka amin’ i Kristy ity eo amin’ ny fomba fisainantsika, sy fomba firesatsika, ary amin’ ny zavatra ataontsika dia zava-dehibe ao anatin’ ny fahatongavana ho mpianatr’ i Kristy sy ho mpampianatra ny filazantsarany.

Ny famohazana izany faniriana izany dia manomana antsika hikaroka ilay fakantahaka nampanantenaina. Ny fikatsahana ireo fakantahaka ireo dia mitarika antsika any amin’ ny fotopampianaran’ i Kristy izay nampianarin’ ny Mpamonjy sy ireo mpitarika izay mpaminaniny. Iray amin’ ireo fakantahaka ao amin’ ity fotopampianarana ity ny faharetana hatramin’ ny farany: “Ary hotahina izay hikatsaka ny hampiorina an’ i Zionako amin’ izany andro izany fa izy no handray ny fanomezana sy ny herin’ ny Fanahy Masina; ary raha maharitra hatramin’ ny farany izy dia hasandratra amin’ ny andro farany ka hovonjena ao amin’ ny fanjakan’ ny Zanakondry izay maharitra mandrakizay” (1 Nefia 13:37).

Inona no fomba faran’ izay lehibe indrindra ahafahantsika mahazo ny fanomezana sy ny herin’ ny Fanahy Masina? Izany dia ilay hery izay azo amin’ ny maha-mpanara-dia mahatokin’ i Jesoa Kristy. Izany dia ny fitiavantsika Azy sy ny mpiara-belona amintsika. Ny Mpamonjy no namaritra ilay fakantahaka eo amin’ ny fitiavana rehefa nampianatra antsika Izy hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa” (Jaona 13:34).

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanamafy ity fitsipika ity rehefa niteny hoe: “Ny hoe tiava ny Tompo dia tsy hoe torohevitra fotsiny; tsy hoe firariana tsara fotsiny. Fa tena didy izany. … Ny fitiavana an’ Andriamanitra no fakan’ ny hasina rehetra, ny hatsaran-toetra rehetra, sy ny herin’ ny toetra ananana rehetra ary ny fahitsim-po aman-tsaina rehetra hanao ny marina” (“Tenin’ ny Mpaminany Velona,” Liahona, Des. 1996, 8).

Nofaritan’ ilay drafitry ny Ray ny fakantahaka ho an’ ny fianakaviana mba ho entina hanampiana antsika hianatra, sy hampihatra, ary hahatakatra ny herin’ ny fitiavana. Tamin’ ny andro nanorenana ny fianakaviako manokana dia nandeha tany amin’ ny tempoly izaho sy i Ann malalako ary niditra tao anatin’ ny fanekempihavanan’ ny fanambadiana. Noeritreretiko fa lehibe dia lehibe ny fitiavako azy tamin’ io andro io, kanefa hay vao nanomboka nahatazana ny sombintsombin’ ny fitiavana fotsiny aho tamin’ izany. Rehefa tonga teo amin’ ny fiainanay ireo zanakay sy zafikelinay tsirairay, dia nanomboka nivelatra ny fitiavanay azy ireo tamin’ ny fomba tsy miangatra ary feno. Toa ohatry ny tsy misy farany izany fivelaran’ ny fahafahana mitia izany.

Ny fahatsapana ny fitiavan’ ny Raintsika any an-danitra dia tahaka ny hery misintona avy any an-danitra. Rehefa esorintsika ireo zavatra mahavarimbariana izay misintona antsika mankany amin’ izao tontolo izao, ka ampiharintsika ny fahafahantsika misafidy mba hikatsahana Azy, dia manokatra ny fontsika isika hahazo hery selestialy iray izay mampanatona antsika akaikikaiky kokoa Aminy. I Nefia dia namariparitra ny fiantraikan’ izany ho “hatrany amin’ ny fahalevonan’ ny nofo[ny] aza” (2 Nefia 4:21). Io herin’ ny fitiavana io ihany no nahatonga an’ i Almà hihira ny “hiran’ ny fitiavana manavotra” (Almà 5:26 jereo koa ny andininy 9). Tena nanohina an’ i Môrmôna izany ka nahatonga azy nanoro hevitra antsika mba “hivavaka … amin’ ny herin’ ny fon[tsika] manontolo,” mba hahazoana mameno antsika amin’ izany fitiavany izany (Môrônia 7:48).

Na ny soratra masina taloha na ny maoderina dia samy feno fampahatsiahivana ny fitiavana mandrakizain’ ny Ray any an-danitra ho an’ ny zanany. Azoko antoka fa manolotra hatrany ny sandriny ny Raintsika any an-danitra, vonona foana ny hisakambina ny tsirairay amintsika ary hiteny amintsika amin’ ilay feo tony, sy mipaka hatrany amin’ ny aty fanahy hoe: “Tiako ianao.”

Noho ilay fakantahaka avy any an-danitra izay narafitra ho an’ ny fianakaviana dia takatsika tsara kokoa ny fomba tena hitiavan’ ny Ray any an-danitra antsika tsirairay amin’ ny fomba tsy miangatra sy feno. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany. Fantatr’ Andriamanitra isika sady tiany. Nomeny fahitana mikasika an’ ilay fitoerany masina isika ary niantso mpaminany sy apôstôly Izy hampianatra ireo fitsipika sy fakantahaka izay hitondra antsika hiverina any Aminy. Rehefa miezaka mafy ny hamoha ny faniriana hahafantatra ao anatintsika sy ao amin’ ny hafa isika, ary rehefa miaina ny fakantahaka hitantsika isika dia hanatona akaiky Azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no ilay tena Zanakalahin’ Andriamanitra, Ilay Ohatra ho antsika, Mpanavotra malalantsika. Izany dia lazaiko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.