2012
Loholona Larry Echo Hawk
Mey 2012


Loholona Larry Echo Hawk

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Larry Echo Hawk

Nanomboka tamin’ny nahenoan’ny Loholona Larry Echo Hawk ny Loholona Spencer W. Kimball (1895–1985) niresaka momba ny fahitany tao an-tsainy fa ho mpitarika vontom-pahalalana ireo Indiana any Amerika, dia nanokana ny fiainany tamin’ny “fanomezana hery ny olona” izy.

Ny Loholona Echo Hawk izay mpikambana iray ao amin’ny Firenena Pawnee, dia zanak’i Ernest sy Jane Echo Hawk teraka tao Cody, Wyoming, Etazonia tamin’ny Aogositra 1948. Lehibe tao Farmington, Nouveau Mexique, Etazonia izy izay toerana nampianaran’ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany azy sy ny fianakaviany sy nanaovana batisa azy tamin’ny 1962.

Tamin’ny faha-17 taonany rehefa voadonan’ny baseball ny masony dia nampanantena ny Tompo izy hoe raha tsy maninona ilay masony dia hamaky ny Bokin’i Môrmôna izy. Afaka nampiasa ny masony ihany izy ary namaky pejy miisa 10 isan’andro tao anatin’ny telo volana latsaka.

“Zavatra ara-panahy nahery vaika indrindra niainako hatramin’izay ilay nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona tamiko fa marina ny Bokin’i Môrmôna,” hoy ny Loholona Echo Hawk. “Izany zavatra niainana izany dia nanome hery ahy nandritra ny fiainako mba hanampiana ahy hivoatra.”

Voaray ho nahazo vatsim-pianarana ao anatin’ny filalaovana baolina Amerikana tao amin’ny Brigham Young University–Provo izy ary nahazo mari-pahaizana mikasika ny fanatanjahantena sy ny haibiby. Nahazo mari-pahaizana doctorat momba ny lalàna avy tao amin’ny Oniversiten’i Utah izy tamin’ny 1973.

Ny Loholona Echo Hawk dia efa mpisolo vava, mpanao lalàna tao amin’ny faritany iray, mpisolo vava miandraikitra ny fitoriana teo amin’ny faritany iray, prôfesora mampianatra lalàna tao BYU, ary Mpitantsoratra Mpanampy ny Tompon’andraikitra ambony tao amin’ny Departemanta misahana ny Ati-tany Indiana—asa izay nialany mba hahafahany manaiky ilay antso ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy.

Ny Loholona Kimball no nanamasina ny fanambadian’ny Loholona Echo Hawk sy ny vadiny Terry Pries tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny Volana desambra 1968. Nijoro teo akaikiny foana ny vadiny tamin’izy mpampianatra, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo ary filohan’ny tsatòka. Manan-janaka enina izy ireo izy ireo.

Hamoaka printy