2012
Eveka Gary E. Stevenson
Mey 2012


Eveka Gary E. Stevenson

Eveka Mpiahy

Sary
Eveka Gary E. Stevenson

Nilaza ny Eveka Gary Evan Stevenson fa nandany ny ankamaroan’ny fotoana teo amin’ny fiainany nandinihina ilay asa manan-danja tanterahan’ny eveka manerana an’izao tontolo izao izy. Ny rainy dia nolazainy hoe: “eveka tao anatin’ny fahatanorako ary nisy fiantraikany lalina teo amiko ny asa fanompoana nataony.”

Imbetsaka ny rain’ny Eveka Stevenson no nanasa azy hiaraka aminy hamangy an’ireo mananotena 60 izay mipetraka ao amin’ny paroasin’izy ireo. Ny Eveka Stevenson dia nianatra lesona avy amin-drainy mikasika ny asa fanompoana tahaka ny nataon’i Kristy ary ny fikarakarana ireo izay mila fanampiana. Ireo lesona ireo hoy izy dia hanampy azy tsara ao anatin’ilay antsony amin’ny maha-Eveka Mpiahy ao amin’ny Fiangonana azy.

“Ireo evekan’ny Fiangonana no tena maherifoko,” hoy izy. “Isan’andro dia misy fiantraikany amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny zavatra ataon’izy ireo, indrindra fa amin’ny ankizy sy ny zatovolahy ary zatovovavy.”

Ny Eveka Stevenson dia zanak’i Evan N. sy Vera Jean Stevenson teraka tamin’ny Aogôsitra 1955 ary lehibe tao anatin’ny fianakaviana iray izay avy amin’ny taranaky ny mpisava lalana tany Cache Valley Utah.

Fony izy zatovolahy dia nanaiky antso hanao asa fitoriana any Japon izy. Izany asa nanirahana azy izany dia niteraka fitiavan-javatra roa tao amin’ny Eveka Stevenson dia ny fitiavana an’i Asie izany sy ny fizarana ny filazantsara izay naharitra nandritra ny fiainany.

Taorian’ny niverenany nanao asa fitoriana dia niditra nianatra tao amin’ny Utah State University izy. Tao no nifanenany (ary nahatonga dia latsa-pitia azy) tamin’i Lesa Jean Higley. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Idaho Falls Idaho izy ireo tamin’ny Aprily 1979. Manan-janaka efatra ry Stevenson mivady.

Nahazo mari-pahaizana mikasika ny fitantanan-draharaha ny Eveka Stevenson ary taty aoriana dia lasa filohan’ny orinasa iray mpanamboatra fitaovana fanaovana fanazaran-tena.

Nanompo tao anatin’ny antsom-piangonana isan-karazany izy ary tao anatin’izany dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka izy sy eveka ary filohan’ny Misiônan’i Nagoya Japon (2004–07). Voantso ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy izy tamin’ny 2008 ary efa mpanolotsaina sy filohan’ny Vondrom-paritr’ i Asie Avaratra.

Hamoaka printy