2012
Loholona Scott D. Whiting
Mey 2012


Loholona Scott D. Whiting

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Scott D. Whiting

Ny Loholona Scott Duane Whiting dia mino fa ireo fahafahana nomena azy teo amin’ny fiainana mba hanompo an’Andriamanitra dia nifototra tamin’ny fanapahan-kevitra lehibe vitsivitsy.

Ny Loholona Whiting dia naterak’i Duane sy Beverly Whiting tamin’ny Aprily 1961 ary lehibe tao Salt Lake City, Utah, Etazonia. Tsapany fa ny fanapahan-kevitra lehibe voalohany noraisiny dia ny hanao asa fitoriana, ka nanaraka akaiky an’izany ilay fanapahan-kevitra mikasika ny faharetan’ny fanompoana. Noho ny toe-javatra nitranga tamin’izany fotoana izany dia nanana safidy ny hanompo mandritra ny 18 volana na roa taona ny Loholona Whiting. “Ilay fanapahan-kevitro hanalava mandritra ny enim-bolana ny fanompoana dia tena zava-dehibe teo amin’ny fanomanana ahy amin’ny asa fanompoana hatao ao amin’ny Fiangonana aty aoriana,” hoy izy.

Taorian’ny nahavitan’ny asa fanompoany tany amin’ny Misiônan’i Tokyo Avaratra, Japon, dia nihaona tamin’i Jeri Olson izay ho vadiny izy tamin’ny alalan’ny namana niraisana iray. Ny safidy mba hanambady azy dia fanapahan-kevitra lehibe anankiray hafa. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny Aprily 1984.

Rehefa avy nahazo mari-pahaizana licence mikasika ny teny Japoney tany amin’ny Brigham Young University ny Loholona Whiting dia nahazo mari-pahaizana doctorat momba ny lalàna avy tao amin’ny University of the Pacific, McGeorge School of Law.

Ny fanapahan-kevitra lehibe iray hafa izay noraisin’ny Loholona Whiting dia tamin’ny fotoana nanekeny antso iray izay natolotry ny Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba ho eveka. Nanontanian’ny Loholona Ballard izy raha toa ka afaka manatanteraka ny antsony. Nampanantena an’ilay Apôstôly izy fa ho vitany izany ary na dia teo aza ny fisian’ireo asa tsara karama azo natao izay nitaky fifindran-toerana dia nanaja ny fampanantenana nataony izy.

Manan-janaka dimy ry Whiting mivady. Talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy dia niasa tao amin’ny orinasa iray mpametra-karena ao anatin’ny fandaharam-barotra mikasika ny tany sy trano izy. Ny Loholona Whiting dia efa filohan’ny kôlejin’ny loholona, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny Zatovolahin’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Hamoaka printy