Mendrika ny Natao Ve Izany?
Ny fizarana ny filazantsara amin’ ny fomba mandeha ho azy sy tsotra amin’ ireo olona izay tiantsika dia ho asan’ ny fiainantsika sy ho fifaliana eo amin’ ny fiainantsika
Nandritra ity fihaonambe ity sy ireo fivoriana vao haingana hafa,1 dia maro amintsika no nanontany tena hoe: inona no azoko atao hanampiana amin’ ny fananganana ny Fiangonan’ ny Tompo ary hahitana ny fivoarana marina eo amin’ ny toerana misy ahy?
Amin’ ity sy ireo ezaka hafa tena manan-danja, ny tena asa manan-danja ataontsika dia ny eo an-tokantranontsika sy ny fianakaviantsika.2 Eo anivon’ ireo fianakaviana no hanorenana ny Fiangonana ary hitrangan’ ny fivoarana marina.3 Mila mampianatra ny zanatsika ny fitsipika sy ny fotopampianaran’ ny filazantsara isika. Mila manampy azy ireo hanana finoana an’ i Jesoa Kristy isika ary manomana azy ireo hatao batisa rehefa feno valo taona izy ireo.4 Mila mahatoky isika mba hahafahan’ izy ireo mahita ny ohatra asehontsika eo amin’ ny fitiavana ny Tompo sy ny Fiangonana. Izany dia hanampy ireo zanatsika hahatsapa hafaliana amin’ ny fitandremana ny didy, hasambarana eo amin’ ny fianakaviana, ary ny fankasitrahana amin’ ny fanompoana ny hafa. Tokony hanaraka ny fakantahaka nomen’ i Nefia isika ao an-tokantranontsika rehefa niteny izy hoe:
“Fa miasa araka ny zotom-po isika … handresy lahatra ny zanatsika … [h]ino an’ i Kristy, sy hihavana amin’ Andriamanitra. …
“… Ary miresaka an’ i Kristy isika, mifaly amin’ i Kristy, mitory an’ i Kristy, maminany ny amin’ i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”5
Miasa amim-pahavitrihana isika mba hitondra ireo fitahiana ireo ho an’ ireo zanatsika amin’ ny alalan’ ny fandehanana any am-piangonana miaraka amin’ izy ireo, fanaovana takarivan’ ny mpianakavy, ary ny famakiana soratra masina miaraka. Mivavaka isan’ andro miaraka amin’ ny fianakaviantsika isika, manaiky antso, mitsidika ny marary sy ny manirery, ary manao zavatra hafa izay mampahafantatra ny zanatsika fa tiantsika izy ireo ary tiantsika ny Ray any an-danitra, ny Zanany ary ny Fiangonany.
Isika dia miresaka sy maminany momba an’ i Kristy rehefa manome ny leson’ ny takarivan’ ny mpianakavy na mipetraka miaraka amin’ ny ankizy iray ary milaza ny fitiavantsika azy sy ny fijoroantsika ho vavolombelona mikasika ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny.
Afaka manoratra momba an’ i Kristy isika amin’ ny alalan’ ny fanoratana taratasy ho an’ ireo izay lavitra. Ho voatahy noho ireo taratasy soratantsika ireo misiônera manompo, ireo zanakalahy na zanakavavy izay miaramila, ary ireo olon-tiantsika. Ny taratasy avy any an-trano dia tokony tsy ho e-mail maimaika be fotsiny. Ny tena taratasy dia manome zavatra azo tazonina, saintsainina ary ankafizina.
Manampy ireo zanatsika isika hiankina amin’ ny Sorompanavotan’ ny Mpamonjy ary hahafantatra ny famelan-keloky ny Ray any an-danitra be fitiavana amin’ ny alalan’ ny fanehoam-pitiavana sy famelan-keloka amin’ ny maha-ray aman-dreny antsika. Tsy mampanakaiky ireo zanatsika amintsika fotsiny ihany ny fitiavana sy ny famelan-keloka fa koa manorina ny finoan’ izy ireo amin’ ny fahafantarana fa ny Ray any an-danitra dia tia azy ireo ary hamela ny helok’ izy ireo rehefa miezaka ny mibebaka sy manao zavatra tsara kokoa izy ireo ary miezaka ny ho tsaratsara kokoa. Mahatoky ity fahamarinana ity izy ireo satria efa niaina izany koa avy tamin’ ny ray aman-drenin’ izy ireo tety an-tany.
Ho fanampin’ ny asa izay hataontsika eo anivon’ ny fianakaviantsika, dia nampianatra i Nefia fa “miasa araka ny zotom-po isika … handresy lahatra … ny rahalahintsika, mba hinoany an’ i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra.”6 Amin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany antsika, dia manana ny fitahiana sy ny andraikitra hizara ny filazantsara ny tsirairay avy amintsika. Ny sasany amin’ ireo izay mila ny filazantsara eo amin’ ny fiainany dia mbola tsy mpikamban’ ny Fiangonana. Ny sasany dia mety efa niaraka tamintsika kanefa mila mahatsapa indray ny hafaliana tsapan’ izy ireny fony izy ireny nandray ny filazantsara tany aloha tany teo amin’ ny fiainan’ izy ireo. Samy tian’ ny Tompo na ireo olona mbola tsy nandray ny filazantsara na ny olona izay miverina Aminy.7 Tsy mampaninona izany ho Azy sy ho antsika. Asa iray avokoa izany. Ny hasarobidin’ ny fanahy izany, na inona na inona toe-javatra misy azy ireo, no zava-dehibe eo amin’ ny Raintsika any an-danitra, sy ny Zananilahy, ary eo amintsika.8 Ny asan’ ny Ray any an-danitra sy ny Zanany dia ny “hitondra ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay”9 ho an’ ny zanany rehetra, na inona na inona mitranga amin’ izy ireo amin’ izao fotoana izao. Ny fitahiana ho antsika dia ny manampy ao anatin’ ity asa lehibe ity.
Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanazava ny fomba hanampiantsika rehefa niteny izy hoe: “Ny zavatra niainantsika nandritra ny fanaovana asa fitoriana dia tsy tokony ho lany andro. Tsy ampy fotsiny ny mipetraka ary misaintsaina ireo zavatra niainana taloha. Mba hahatsapana fahavitan-javatra dia tokony manohy mizara ny filazantsara amin’ ny fomba mandeha ho azy sy tsotra ianao.”10
Ny fizarana ny filazantsara amin’ ny fomba mandeha ho azy sy tsotra amin’ ireo olona izay tiantsika dia ho asan’ ny fiainantsika sy fifaliana eo amin’ ny fiainantsika. Mamelà ahy ianareo hilaza momba ny zava-nitranga roa mikasika izany.
I Dave Orchard dia lehibe teto Salt Lake City, ary mpikamban’ ny Fiangonana avokoa ny ankamaroan’ ny namany. Ohatra tsara ho azy izy ireo. Tetsy andanin’ izany, ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana nipetraka tany akaikiny dia nanasa azy tsy tapaka hanatrika ireo fiaraha-mientana. Nanao toy izany koa ireo namany. Na dia tsy lasa mpikambana aza izy tamin’ izany fotoana izany, dia voatahy tamin’ ny hery mitaona avy amin’ ireo namana tsara Olomasin’ ny Andro Farany sy ny fiaraha-mientan’ ny Fiangonana tao anatin’ ireo taona nitomboany. Rehefa namonjy ny oniverste izy, dia nifindra ka niala tao amin’ ny trano fonenany, ary ny ankamaroan’ ny namany dia lasa nandeha nitory ny filazantsara avokoa. Nahatsapa ny fahabangan’ ny fitaoman’ izy ireo teo amin’ ny fiainany izy.
Mbola tavela tany an-tranony ny iray tamin’ ireo naman’ i Dave tany amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa. Nihaona isan-kerinandro tamin’ ny evekany ity namany ity izay teo am-panaovana ezaka rehetra mba hanitsy ireo tsy mety eo amin’ ny fiainany mba hahafahany ho misiônera. Lasa niara-nanofa trano izy sy i Dave, ary toy ny zavatra mandeha ho azy sy tsotra, dia niresaka momba ny antony tsy mbola naha-misiônera azy sy ny ny antony hihaonany matetika amin’ ny evekany izy ireo. Naneho ny fankasitrahany sy ny fanajany ny evekany ilay namana ary ny amin’ ny fahafahana hibebaka sy hanompo. Avy eo dia nanontany an’ i Dave izy raha toa ka te-ho tonga amin’ ny tafa sy dinika manaraka. Hafa tokoa izany fanasana izany! Kanefa noho ny finamanana sy ny toe-javatra niainan’ izy ireo dia toy ny mandeha ho azy sy tsotra izany.
Nanaiky i Dave ary vetivety foana izy dia nihaona mitokana tamin’ ny eveka. Izany dia nitarika ny fanapahan-kevitr’ i Dave hihaona amin’ ny misiônera. Nahazo fijoroana ho vavolombelona izy fa marina ny filazantsara, ary dia napetraka ny datin’ ny batisany. Nataon’ ny evekany batisa i Dave, ary herintaona tany aoriana dia nivady tao amin’ ny tempoly i Dave Orchard sy i Katherine Evans. Manan-janaka mahafinaritra dimy izy ireo. I Katherine dia zandriko vavy. Tena feno fankasitrahana amin’ ilay namana tsara io aho izay niaraka tamin’ ilay eveka tsara, nitondra an’ i Dave tato am-piangonana.
Rehefa niresaka momba ny fiovam-pony i Dave ary nijoro ho vavolombelona momba izany tranga izany, dia nanontany izy hoe: “Mendrika ny natao ve izany? Moa ve ny ezaka rehetra nataon’ ireo namana sy mpitarika ny tanora ary ny evekako, nandritra izay taona rehetra izay, dia mendrika ny ezaka nanaovana batisa tovolahy iray monja?” Nanondro an’ i Katherine sy ny zanany dimy izy ary nanao hoe: “Mazava ho azy fa ho an’ ny vadiko sy ireo zanako dimy dia eny ny valiny.”
Isaky ny zaraina ny filazantsara dia tsy mba ho an’ ny “tovolahy iray monja” velively izany. Rehefa mitranga ny fiovam-po na misy olona iray miverina amin’ ny Tompo, dia fianakaviana iray manontolo no voavonjy. Rehefa nihalehibe ny zanak’ i Dave sy i Katherine, dia samy nandray tsara ny filazantsara avokoa izy rehetra. Misiônera ny vavy iray sy lahy roa ary ny iray vao avy nandray ny antsony hanompo any amin’ ny Misiônan’ i Alpine miteny Alemana. Ireo zokiny roa dia samy efa nanambady tany amin’ ny tempoly avokoa, ary ny zandriny indrindra dia any amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa izao, mahatoky amin’ ny endriny rehetra. Mendrika ny natao ve izany? Eny, tena mendrika ny natao izany.
Ny Rahavavy Eileen Waite dia namonjy ilay fihaonamben’ ny tsatòka nilazan’ i Dave Orchard momba izany fiovam-pony izany. Nandritra ilay fihaonambe, ny hany zavatra tao an-tsainy dia ny fianakaviany, fa indrindra indrindra ny rahavaviny, Michelle, izay efa nanalavitra ny Fiangonana. I Michelle dia nisara-bady ary niezaka namelona zaza efatra. Nahatsapa i Eileen fa tokony hanome azy ny tahadikan’ ny boky nosoratan’ ny Loholona M. Russell Ballard, dia ny Notre Recherche du Bonheur, niaraka tamin’ ny fijoroany ho vavolombelona, ary dia nataony izany. Ny herinandro manaraka izay dia nisy namana iray nilaza tamin’ i Eileen fa nahatsapa koa izy fa mila mifandray amin’ i Michelle. Nanoratra ho an’ i Michelle izy izay nizarany ny fijoroany ho vavolombelona sy nanehoany ny fitiavany azy. Moa tsy mahaliana ve ny fiasan’ ny Fanahy matetika amin’ ny olona maro ho an’ ny olona iray izay mila fanampiana.
Nandeha ny fotoana. Niantso an’ i Eileen i Michelle ary nisaotra azy tamin’ ilay boky. Nilaza izy fa nanomboka nahafantatra ny fahabangana ara-panahy teo amin’ ny fiainany. Nilaza taminy i Eileen fa fantany fa ny fiadanana izay katsahiny dia hita ao amin’ ny filazantsara. Nolazainy taminy fa tiany izy ary tiany mba ho faly izy. Nanomboka nanisy fiovana teo amin’ ny fiainany i Michelle. Vetivety izy dia nifanena tamin’ ny lehilahy mahafinaritra iray izay mazoto tao am-piangonana. Nivady izy ireo ary herintaona taty aoriana dia nofehezina tao amin’ ny tempolin’ i Ogden, Utah. Vao haingana, ny zanakalahiny 24 taona dia natao batisa.
Ho an’ ny hafa ao amin’ ny fianakavian’ i Michelle sy ireo hafa rehetra izay mbola tsy mahafantatra fa marina ity Fiangonana ity, manasa anareo aho mba hikatsaka ombam-bavaka raha marina ity Fiangonana ity. Avelao ny fianakavianao sy ny namanao ary ny misiônera hanampy. Rehefa fantatrao fa marina izany, satria marina izany, dia tongava miaraka aminay amin’ ny fanaovana izany dingana izany eo amin’ ny fiainanao.
Ny faran’ ity tantara ity dia mbola tsy voasoratra, fa ireo fitahiana dia nomena ity vehivavy mahafinaritra ity sy ny fianakaviany satria nandray andraikitra rehefa nahazo bitsika ireo tia azy ary nizara tamin’ ny fomba mandeha ho azy sy tsotra ny fijoroan’ izy ireo ho vavolombelona ary nanasa azy mba hiverina.
Nieritreritra lalina momba ireo zava-niseho roa ireo aho. Tovolahy iray izay niezaka nanitsy ny fiainany manokana ary nanampy zatovolahy iray nikatsaka ny fahamarinana. Vehivavy iray izay nizara ny fijoroana ho vavolombelony sy ny finoany tamin’ ny rahavaviny izay nanalavitra ny Fiangonana efa ho 20 taona. Raha toa ka mivavaka isika ary mangataka ny Ray any an-danitra hoe iza no azontsika ampiana ary mampanantena handray andraikitra araka ny bitsika izay omeny isika mba hampahanfantarana antsika ny fomba ahafahantsika manampy dia hamaly ny vavaka ataontsika Izy ary ho tonga fitaovana eo am-pelatanany hanao ny asany isika. Ny fandraisana andraikitra amim-pitiavana araky ny bitsika azo avy amin’ ny alalan’ ny Fanahy dia ho fitaovana hitondra fiovana goavana.11
Rehefa nihaino ireo toe-javatra izay izarana amin’ ny fomba mandeha ho azy sy tsotra ny filazantsara amin’ ireo olona izay tianareo ianareo dia maro aminareo no efa niaina zavatra mitovy tamin’ ny an’ i Eileen Waite. Mety efa nieritreritra olona iray izay tokony hanatonana ianao na hasaina hiverina na mba hizaranao ny zavatra tsapanao momba ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Ny fanasana arosoko dia ny fandraisana andraikitra tsy misy hatak’ andro eo anatrehan’ izany bitsika izany. Miresaha amin’ ny namanao na amin’ ny olona ao amin’ ny fianakavianao. Ataovy amin’ ny fomba mandeha ho azy sy tsotra izany. Ampahafantaro azy ireo ny fitiavanao sy ny fitiavan’ ny Tompo azy. Afaka manampy ireo misiônera. Ny torohevitro dia mitovy amin’ ny an’ ny Filoha Monson izay efa nomeny im-betsaka teto amin’ ity polpitra ity, “Aza mba mangataka andro rehefa mandray bitsika.”12 Rehefa mandray andraikitra mifanaraka amin’ ireny bitsika ireny ianao ary manao izany amim-pitiavana, dia jereo ny fampiasan’ ny Ray any an-danitra ny fahavononanao hiasa hitondra fahagagana eo amin’ ny fiainanao sy eo amin’ ny fiainan’ ireo olona tianao.13
Ry rahalahiko sy anabaviko malala, afaka manorina ny Fiangonany isika ary mahita ny fivoarana marina raha toa ka miasa mba hitondra ny fitahian’ ny filazantsara eo amin’ ny fianakaviantsika sy ireo izay tiantsika isika. Ity no asan’ ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany. Fantatro fa velona izy ireo ary mamaly vavaka. Rehefa mandray andraikitra arak’ izany bitsika izany isika, ary mino ny fahafahan’ izy ireo hitondra fahagagana, dia hiseho eo amintsika ny fahagagana ary hiova ny fiainana. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.