2012
Mitoera ao amin’ ny Faritry ny Tompo!
Mey 2012


Mitoera ao amin’ ny Faritry ny Tompo!

Ny fanontaniana ao an-tsaintsika isan’ andro dia tokony hoe: “Mametraka ahy any amin’ ny faritry ny Tompo ve sa any amin’ ny an’ ny fahavalo ireo zavatra ataoko?”

Loholona Ulisses Soares

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson indray mandeha hoe: “Mamelà ahy hanome torolalana tsotra izay ahafahanareo mandrefy ireo safidy manoloana anareo. Mora tadidiana izany: ‘Tsy hanana ny rariny ianao rehefa manao hadisoana ary tsy ho diso ianao rehefa manao ny rariny” (“Pathways to Perfection,” Liahona, Jolay 2002, 112). Tsotra sy mivantana ny torolalan’ ny Filoha Monson. Mitovy fiasa amin’ ilay Liahônà nomena an’ i Lehia izany. Raha mampihatra ny finoana sy mazoto mitandrina ny didin’ ny Tompo isika dia ho mora amintsika ny hahita ny lalana marina tokony ho arahina, indrindra rehefa miatrika ireo safidy ataontsika isan’ andro isika.

Nolazain’ ny Apôstôly Paoly tamintsika ny maha-zava-dehibe ny famafazana ho an’ ny Fanahy sy ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana ny tsy tokony hamafazana ho an’ ny nofo. Hoy izy:

“Aza mety hofitahina hianareo; fa izay afafin’ ny olona no hojinjainy.

“Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy.

“Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika” (Galatiana 6:7–9).

Ny hoe mamafy ho an’ ny Fanahy dia midika hoe tokony hampiakatra antsika ho eo amin’ ny haavon’ ny maha-masina ireo ray aman-drenintsika any an-danitra ny eritreritra sy ny teny ary ny fihetsika rehetra ataontsika. Kanefa ny soratra masina dia mamaritra ilay toetra ara-batana na ara-nofo eo amin’ ireo olona araky ny nofo, izay ahafahan’ ny olona ho voasariky ny firehetam-pon’ ny nofo, ny fanirian’ ny nofo, ny fahalianan’ ny nofo sy ny fandrisihan’ ny nofo raha tokony mba hitady fitaomana avy amin’ ny Fanahy Masina anefa. Raha tsy mitandrina isika dia mety hitarika antsika haneho fihetsika mirefarefa amin’ ny tany sy tsy voahevitra izay mety ho lasa ampahan’ ny toetrantsika ireo zava-misarika ireo miaraka amin’ ny faneren’ ilay ratsy eto amin’ izao tontolo izao. Mba hialana amin’ izany fitaoman-dratsy izany dia ilaintsika ny manaraka ny torolalana izay nomen’ ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny famafazana tsy tapaka ho an’ ny Fanahy: “Koa aza ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ ny zavatra madinika no hivoahan’ izay lehibe” (F&F 64:33).

Mba hampivelarana ny fanahintsika dia takiana isika “[Hanaisotra amintsika] ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra” (Efesiana 4:31) ary ho “hendry amin’ ny andron’ ny fizahan-toetra [antsika] [isika]; hanaisotra amin’ ny tena[ntsika] ny tsy fahadiovana rehetra” (Môrmôna 9:28).

Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia mahita fa ny fampanantenana nomen’ ny Tompo ho antsika dia miankina amin’ ny fankatoavantsika ary mamporisika antsika hiaina amim-pahamarinana. Ireo fampanantenana ireo dia tokony hamoky ny fanahintsika, hitondra fanantenana ho antsika amin’ ny alalan’ ny famporisihana antsika mba tsy hilavo lefona, na dia manoloana ireo fanambin’ ny fiainana isan’ andro aza noho ny fiainana eto amin’ ity izao tontolo izao ity izay ahitana fa mihamanjavona ireo soatoavina ara-pahadiovam-pitondrantena, ka mamporisika ny olona ho vao mainka hamafy ho an’ ny nofo bebe kokoa hatrany. Kanefa amin’ ny fomba ahoana no ahafahantsika manana antoka fa manampy antsika hamafy ho an’ ny Fanahy fa tsy ho an’ ny nofo ny safidy ataontsika?

Nilaza ny Filoha George Albert Smith indray mandeha, raha namerina ny torohevitra avy tamin’ ny raibeny, nanao hoe: “Misy tsipika mazava tsara manasaraka ny faritry ny Tompo sy ny an’ ny devoly. Raha maniry hitoetra any amin’ ny faritry ny Tompo ianao dia ho eo ambany fitarihany ka tsy hanana faniriana hanao ratsy, fa raha miampita na dia iray santimetatra monja any amin’ ny faritry ny devoly kosa ianao dia ho eo ambanin’ ny herin’ ilay mpaka fanahy ary raha mahomby izy dia tsy ho afaka ny hieritreritra na hampiasa saina araka ny tokony ho izy akory ianao satria tsy hanana ny Fanahin’ ny Tompo intsony” (Teachings of Presidents of the Church: George Albert Smith [2011], 191).

Noho izany, ny fanontaniana ao an-tsaintsika isan’ andro dia tokony hoe: “Mametraka ahy any amin’ ny faritry ny Tompo ve sa any amin’ ny an’ ny fahavalo ireo zavatra ataoko?”

Nampitandrina ny vahoakany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy i Môrmôna mpaminany:

“Koa, ny zavatra rehetra izay tsara dia avy amin’ Andriamanitra; ary izay ratsy dia avy amin’ ny devoly; fa ny devoly dia fahavalon’ Andriamanitra sy miady Aminy lalandava, ary manainga sy mitaona hanota, ary hanao izay ratsy lalandava.

“Nefa indro, izay avy amin’ Andriamanitra dia manainga sy mitaona hanao ny tsara lalandava” (Môrônia 7:12–13).

Ny Fahazavan’ i Kristy miaraka amin’ ny fananana ny Fanahy Masina ho namana dia tsy maintsy hanampy antsika hamantatra raha toa ka mampitoetra antsika any amin’ ny faritry ny Tompo na tsia ny fomba fiainantsika. Raha tsara ny toetrantsika dia avy amin’ ny fitaoman’ Andriamanitra izany satria ny zavatra tsara rehetra dia avy amin’ Andriamanitra. Kanefa raha toa ka ratsy kosa ny toetrantsika dia eo ambany fisarihan’ ilay fahavalo isika satria izy dia mandresy lahatra ny olona hanao ny ratsy.

Nahakasika ny foko ny vahoaka Afrikanina noho ny tsy fihambahamban’ izy ireo sy ny fahazotoan’ izy ireo hitoetra ao amin’ ny faritry ny Tompo. Na dia ao anatin’ ny toe-javatra sarotra eo amin’ ny fiainana aza ireo izay nanaiky ny fanasana hanatona an’ i Kristy, dia lasa fahazavana ho an’ izao tontolo izao izy ireo. Herinandro vitsy lasa izay raha nitsidika ny iray tamin’ ireo paroasy tany Afrika Atsimo aho dia nanana fahafahana niaraka tamin’ ny mpisorona tanora roalahy sy ny evekany ary ny filohan’ ny tsatòkany hitsidika ireo zatovolahy malaindaina ao amin’ ny kôlejiny. Tena nanaitra ahy tokoa ny herimpo sy fanetren-tena izay nasehon’ ireto mpisorona roalahy ireto teo am-panasana ireo zatovolahy malaindaina hiverina hivavaka. Teo am-piresahan’ izy ireo tamin’ ireo zatovolahy malaindaina ireo dia tsikaritro fa namiratra teny amin’ ny endrik’ izy ireo ny fahazavan’ ny Mpamonjy, sady nameno hazavana an’ ireo rehetra nanodidina azy ireo izany. Izy ireo dia nanatontosa ny adidiny hoe “[hamonjy] ny osa, [hampiakatra] ny tanana izay miraviravy ary [hampatanjaka] ny lohalika malemy” (F&F 81:5). Ny fihetsika nasehon’ ireo mpisorona roa ireo dia nametraka azy ireo ho ao amin’ ny faritry ny Tompo, ary dia fitaovana eo an-tanany izy ireo noho izy ireo nanasa ny hafa hanao toy izany koa.

Ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, dia ampianarin’ ny Tompo antsika ny dikan’ ny hoe mamafy ho an’ ny Fanahy sy izay zavatra tena mametraka antsika ao amin’ ny faritry ny Tompo, arak’ izao voalaza manaraka izao: manetry ny tenantsika manoloana an’ Andriamanitra, maneho fo torotoro sy fanahy manenina, mijoro ho vavolombelona amin’ ny Fiangonana fa efa nibebaka marina tamin’ ireo fahotantsika, mitondra eo amintsika ny anaran’ i Jesoa Kristy, manana finiavana hanompo Azy hatramin’ ny farany, maneho amin’ ny asantsika fa efa nandray ny Fanahin’ i Kristy ary noraisina tamin’ ny batisa tato amin’ ny Fiangonany. Ny fahavononantsika hanatanteraka ireo fanekempihavanana ireo dia manomana antsika hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra ho toy ny olona nisandratra. Ny fahatsiarovana ireo fanekempihavanana ireo dia tokony hitarika ny fihetsika ataontsika eo amin’ ny fianakaviantsika, eo amin’ ny fifaneraserantsika amin’ ireo olon-kafa ary indrindra eo amin’ ny fifandraisantsika amin’ ny Mpamonjy.

Nametraka fakantahaka mikasika ny fihetsika tonga lafatra i Jesoa Kristy izay ahafahantsika manamafy orina ny toetrantsika mba hahafahana manatanteraka ireo fanekempihavanana masina ireo. Ny Mpamonjy dia nanilika teo amin’ ny fiainany ireo zava-misarika izay mety tsy hampifantoka Azy amin’ ny asa masina nampanaovina Azy, indrindra rehefa nalain’ ny fahavalo fanahy Izy na nalain’ ireo mpanara-dia azy fanahy tamin’ Izy nanao asa fanompoana teto an-tany. Na dia tsy nanota mihitsy aza Izy dia nanana fo torotoro sy fanahy nanenina, izay heniky ny fitiavana ny Raintsika any an-danitra sy ny olombelona rehetra. Nanetry ny tenany teo anoloan’ ny Raintsika any an-danitra Izy, nandà ny sitrapon’ ny tenany manokana mba hanatanterahana hatramin’ ny farany ny zava-drehetra izay nangatahan’ ny Ray taminy. Na dia tamin’ ny fotoana niainany fijaliana ara-batana sy ara-panahy faran’ izay mafy aza, izay nitondrany ny vesatry ny fahotan’ ny zanak’ olombelona rehetra teo an-tsorony sy nivoahan’ ny ra tamin’ ny masonkodiny, dia hoy izy tamin’ ny Ray hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Marka 14:36).

Ny vavaka ataoko rahalahy sy ranabavy, rehefa mieritreritra ireo fanekempihavanana nataontsika isika dia ny mba hanatanjahantsika ny tenantsika foana hanoherana ireo “zana-tsipika mirehitry ny fahavalo” (1 Nefia 15:24), amin’ ny alalan’ ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy mba hahafahantsika mamafy ho an’ ny Fanahy sy hitoerantsika ao amin’ ny faritry ny Tompo. Tsarovy ilay torolalana nomen’ ny Filoha Monson, manao hoe: “Tsy hanana ny rariny ianao rehefa manao hadisoana ary tsy ho diso ianao rehefa manao ny rariny.” Izany dia ataoko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.