2012
Nampidirina ao amin’ny Tahirin’ny horonam-peo sy horonan-tsarin’ny Fihaonambe ny horonam-peo sy horonan-tsarin’izany nanomboka tamin’ny 1971.
Mey 2012


Nampidirina ao amin’ny Tahirin’ny horonam-peo sy horonan-tsarin’ny Fihaonambe ny horonam-peo sy horonan-tsarin’izany nanomboka tamin’ny 1971.

Noho ny fanaovana ezaka mba hanampiana ny mpikambana hahazo torohevitra avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly malalantsika izay efa nodimandry na ireo izay mbola velona amin’izao fotoana izao, dia nampidirin’ny Fiangonana ao amin’ny fizarana mikasika ny fihaonamben’ny Fiangonana ao amin’ny LDS.org ireo tahirin’ny horonam-peo sy horonan-tsary.

Amin’ny Jiona 2012 ireo tahirintsoratra sy sary ary feo en ligne amin’ny teny Anglisy dia hampiseho ny horonam-peo sy horonan-tsarin’ny fihaonamben’ny Fiangonana rehetra nanomboka tamin’ny Aprily 1971 ka mandraka ankehitriny. Teo aloha dia ireo lahatsoratry ny fihaonambe ihany izay nanomboka tany amin’ny 1971 no nisy. Ny horonan-tsary amin’ny teny Anglisy dia vao nanomboka tamin’ny 2002. Amin’ny Jiona 2012 koa, ny Fiangonana dia hanome amin’ny endrika horonam-peo sy horonan-tsary an’ireo lahatenin’ny fihaonambe nanomboka tany amin’ny 2008 amin’ny fiteny fanampiny mihoatra ny 70.

“Raha toa ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana ka miditra ao amin’ny fizarana mikasika ny fihaonamben’ny Fiangonana ao amin’ny LDS.org mba hamaky sy hijery ary hihaino ireo lahatenin’ny fihaonambe farany indrindra, dia maro koa ireo mpikambana izay liana ny hahafantatra mikasika an’ireo fihaonambe taloha,” hoy ny Loholona Patrick Kearon avy ao amin’ny Fitopololahy. “Ny tanjon’izany fisantarana izany dia hanamorana bebe kokoa ny fahazoan’ny mpikamban’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao ireo hafatry ny fihaonambe.”

Nampian’ny Fiangonana hira koa ao anatin’ny tahirin’ny horonam-peo sy horonan-tsarin’ny fihaonambe. Amin’izao fotoana izao ny mpikambana dia afaka mihaino ny Amboarampeon’ny Tabernakely mihira nanomboka tany amin’ny taona 2008 amin’ny alalan’ny fanindriana eo amin’ny Show Music (Asehoy ny Hira) ery amin’ny tampon’ny fizarana mikasika ny fihaonambe tsirairay ao amin’ny LDS.org. Ilay tarihin-kira vaovao ao amin’ny (GCmusic.lds.org) dia manome fahafahana hikaroka ao anatin’ireo tahiry maro sy ireo fihaonambe.

Efa misy ny fametrahana drafitra mba hahatonga ireo tahirin-javatra tsy hoe ho hita ao amin’ny LDS.org fotsiny fa mba ho hita koa ao amin’ireo application an’ny Fiangonana amin’ny fitaovana fitondra mandehandeha, toy ny application Gospel Library ary ireo haino aman-jery hafa, izay ahitana ny Mormon Channel ao amin’ny Roku sy YouTube.

Ny hira avy amin’ireo fivorian’ny fihaonambe rehetra nanomboka tany amin’ny 2008 dia azo henoina na alaina avy ao amin’ny GCmusic.lds.org.

Hamoaka printy