2012
Linda K. Burton
Mey 2012


Linda K. Burton

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany

Sary
Linda K. Burton

Fony mbola zatovo i Linda Kjar Burton dia nahatsapa zavatra tampoka nandritra ny fivoriam-piangonana iray tany Christchurch, Nouvelle Zélande. Nitantara izy hoe: “Nahafantatra aho fa marina ny filazantsara.” “Tsapako koa fa efa nahafantatra an’izany foana aho.” Izany fijoroana ho vavolombelona izany no hanohana azy ankehitriny amin’izao izy filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany izao.

Rahavavy Burton dia zanak’i Marjorie C. sy Morris A. Kjar teraka tao Salt Lake City, Utah, Etazonia ary 13 taona izy rehefa nandao an’i Utah ny fianakaviany mba hahafahan’ny rainy miahy ny Misiônan’i Nouvelle Zélande Atsimo. Rahavavy Burton—izay faharoa tamin’ireo ankizy enina—dia nianatra tany amin’ny Sekoly Ambatatonga faharoan’i Nouvelle Zélande ary nifanerasera tamin’ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany nanerana ny Pasifika. Niverina tany Salt Lake City izy ka tsy niaraka fotsiny tamin’ny fitiavana ireo kolotsaina sy fomban-drazana samihafa fa indrindra niaraka tamin’ny fitiavany ny Tompo sy ny fianakaviany.

Nianatra tao amin’ny University of Utah Rahavavy Burton tamin’izy nifankahita tamin’i Craig P. Burton ary nanambady azy tamin’ny Aogôsitra 1973 tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Nanapa-kevitra ny tsy hanemotra ny fanorenana fianakaviana izy mivady. Ny voalohany tamin’ireo zanak’izy ireo enina dia teraka herintaona latsaka taty aoriana.

Rehefa niara-niasa tamin’ny vadiny izy dia afaka nijanona tao an-trano niaraka tamin’ny zanany ary ny vadiny dia niasa tao amin’ny sehatry ny fandaharam-barotra mikasika ny tany sy trano. Ireo olana ara-bola izay niseho tany aloha dia nampianatra azy mivady hiatrika ny hoavy amim-pahatokiana “ satria fantatray fa nanao zavatra mafy izahay niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo,” hoy izy nanazava.

Nandeha nanao fialan-tsasatra tsotsotra ny fianakaviana ary nankafy ny fiarahana. Rahavavy Burton dia nanompo tao amin’ny Zatovovavy, Kilonga ary Sekoly Alahady ary tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga sy ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. Niara-nanompo tamin’ny vadiny izy rehefa niahy ny Misiônan’i Séoul Andrefana, Corée izy nanomboka tamin’ny 2007 ka hatramin’ny 2010. Tany amin’ny sahan’ny misîona dia nahatsapa Rahavavy Burton— toy ny nahatsapany izany tany Nouvelle Zélande—fa ny fitiavana dia mihoatra ny fiteny sy ny kolotsaina.

Manantena izy ao anatin’ilay andraikiny vaovao fa hihatra indray ilay zavatra nianarany avy amin’ny namana iray tany Corée hoe: “Ho tsapan’izy ireo ny fitiavanao.”

Hamoaka printy