2012
Misy en Ligne ireo Fivoriana Fanofanana ny Vondrona Fanampiny Natao tao Salt Lake City
Mey 2012


Misy en Ligne amin’ny Teny Anglisy sy Espaniôla ny Fivoriana Fanofanana ny Vondrona Fanampiny

Mba hanampiana ireo mpitarika hianatra ny andraikiny sy mba hampahafantarana an’ireo loharanom-pitaovana izay azo ampiasaina ho an’ny fanofanana ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny vondrona fanampiny, dia nanao fanofanana ho an’ny mpitarika ny vondrona fanampiny eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy izay natao tany amin’ny faramparan’ny volana Martsa ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny efatra maneran-tany ao amin’ny Fiangonana. (Ny fanofanana an’ireo mpitarika ao amin’ny Zatovolahy dia hatao ny 10 Mey). Ny fandefasana izany en ligne mivantana sy araka izay fangatahana dia natao na hatao amin’ny teny Anglisy sy Espaniôla ho an’ireo vondrona fanampiny dimy. Misy famintinana mikasika ireo fivoriana fanofanana natao tamin’ny Martsa ity ho an’ireo izay tsy afaka nahazo izany.

Kilonga

Ny tanjon’ny Kilonga dia hanampy ny ankizy eo amin’ilay lalan’ny fiovam-po hoy i Rosemary M. Wixom, filohan’ny Kilonga maneran-tany, nandritra ny fanofanana ny vondrona fanampiny ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga tamin’ny 28 sy 29 Martsa.

“Tianay [ny ankizy ao amin’ny Kilonga] mba hahatsapa sy hitia ary hanao asa,” hoy izy. “Tianay izy ireo mba hanana fijoroana ho vavolombelona. … Ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona dia fanambarana. Tianay izy ireo hanao dingana iray hafa. Ny fiovam-po dia midika hoe manao asa. Tianay ireo ankizy ireo mba hanana sy hahatsapa ny voan’ny fiovam-po eo amin’ny fiainany.”

Ny Rahavavy Wixom sy ny mpanolotsainy, Jean A. Stevens sy Cheryl A. Esplin dia nilaza tamin’ireo mpitarika ny Kilonga eo anivon’ny paroasy sy tsatòka fa afaka manampy ny ray aman-dreny izy ireo mba hamboly ireo voan’ny fiovam-po ireo. Nilaza Rahavavy Wixom fa ny dingan’ny fiovam-po dia manomboka dieny mbola kely. “Ny tena tsara dia ny iantombohan’izany ao amin’ny tokantrano iray izay ahitana ray aman-dreny tia ny Tompo amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra ary amin’ny heriny rehetra. Ary dia mampianatra ny zanany izy ireo.”

Nilaza izy fa ny ankizy dia hahatakatra ny dikan’ny hoe niova fo “raha toa ka manokana fotoana hampianarana azy isika.” Ary nampiany hoe raha toa ka tsy mampianatra azy ireo ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin’ny Kilonga dia “izao tontolo izao no hampianatra azy ireo.”

Ireo mpikambana ao amin’ny filakevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany koa dia nanao famelabelarana mikasika ny fomba hampiasana ny hira mba hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara ary ny fomba hampiasana ireo loharano ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga izay hita ao amin’ny LDS.org.

Fikambanana Ifanampiana

“Mitarika asa lehibe ianareo!” Hoy i Julie B. Beck tamin’ireo mpitarika ny Fikambanana Ifanampiana nandritra ny fivoriana fanofanana tamin’ny 27 sy 28 Martsa. Izy dia nisaorana tamin’ny naha-filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany azy tamin’ny fivoriana Asabotsy tolakandron’ny fihaonambe. “Asan’ny Tompo ity. … Manana andraikitra tena manan-danja isika.”

Nizara lohahevitra maro Rahavavy Beck, ka tao anatin’izany ireo tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana, ny maha-zava-dehibe ny anjara asan’ny vehivavy ao amin’ny tokantranony, ny fampianarana (indrindra ny fampianarana an’ireo rahavavy vaovaon’ny Fiangonana), ny fanaovana asa ao anaty kaomity ary ireo fitsipika mikasika ny fitarihana.

Mifikira amin’ireo zavatra fototra hoy Rahavavy Beck. “Asa tsotra ity ary dia entin’ny Tompo ireo hevitra tokony hifantohana. Raha mahafantatra ny zavatra ilaintsika atao isika dia hanampy antsika hiainga eo amin’ny fanambarana ho an’ny fanatanterahana Izy. Hahazo fanambarana isika eny an-dalana eny.”

Tao anatin’ny fampianarany rehetra, ny fiadidiana sy ny ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nifantoka tamin’ny fitadiavana valiny tao amin’ny Manuel 2: Administration de l‘Église ary koa ny Filles dans mon Royaume: L’Histoire et L’oeuvre de la Société de Secours.

Sekoly Alahady

Ny Tranomboky Hanofanana ireo Mpitarika izay endri-javatra vaovao ao amin’ny LDS.org, no zava-dehibe nifantohana tao anatin’ny fivoriana fanofanana ny mpitariky ny vondrona fanampiny ho an’ny Sekoly Alahady izay natao tamin’ny 28 Martsa.

Naseho tamin’izany ny sombiny tamin’ny horonan-tsary avy ao amin’ny tranomboky mba hanohanana ny famelabelarana nataon’i Russell T. Osguthorpe, filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany, izay nofintininy tao anatin’ny hevi-dehibe efatra nandritra ny fivoriana:

  • Ny anjara asan’ny mpitarika iray ao amin’ny Sekoly Alahadin’ny paroasy na tsatòka.

  • Ahoana no hanampiana ny hafa hahatakatra ny anjara asan’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady eo amin’ny fampivoarana ny fampianarana ao anatin’ireo rafitra rehetra eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka.

  • Ahoana no fomba hiarahana mifaneho hevitra amim-pahombiazana amin’ny maha-fiadidiana.

  • Ahoana ny fomba hanoroan-dalana ireo mpampianatra ary hanomezana fanohanana mitohy.

“Ilay Tranomboky Hanofanana ireo Mpitarika izay ho hitanao dia ho iray amin’ireo fitaovana tena manan-danja eo am-pelatananao mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny vondrona fanampiny hafa sy ao amin’ny Sekoly Alahady mikasika ny andraikiny,” hoy David M. McConkie, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany. “Ilay tranomboky dia nomanin’ny vondrona fanampiny rehetra, sy ireo mpikambana ao amin’ny Fitopololahy, [ary] ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.”

Ny tranomboky dia azo jerena ao amin’ny LDS.org amin’ny alalan’ny fanindriana eo amin’ny Votoatiny ao amin’ilay pejy fidirana, dia tsindriana eo amin’ny Tranomboky Hanofanana ireo Mpitarika ao amin’ilay faritra misy hoe Tolotra.

Zatovovavy

“Tsy niova ireo fitsipika saingy ny an’izao tontolo izao no niova,” hoy Elaine S. Dalton, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany nandritra ny fivoriana fanofanana ny vondrona fanampiny tamin’ny 27 sy 28 Martsa. Namporisika ireo mpitarika izy mba “hanova an’izao tontolo izao” amin’ny alalan’ny fanehoana ohatra tsara eo amin’ny fananana fiainana feno hatsarana.

“Tsy zavatra kisendrasendra ny antsonareo,” hoy izy. “Ny fihetsikareo sy ny fitafinareo ary ny tsikinareo dia hisy fiantraikany eo amin’ireo zatovovavy ireo … na ny fiarahanareo aminy fotsiny aza sy ny fampianarana azy ireo mikasika ny fifaliana amin’ny maha-zatovovavy sy ny fiainana ny filazantsara. … Ilaina ho maotina isika. Ilaina ho malina isika. Mila mampianatra amin’ny alalan’ny ohatra sy ny fitiavana lehibe isika.”

Ireo Mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, Mary N. Cook sy Ann M. Dibb dia niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny “famelana ny Ravintsara hitarika.” Ireo mpanolotsaina dia nampiasa ny lasin’ireo Zatovovavy—izay mankalaza ny faha-100 taona niorenany amin’ity taona ity—mba ho atao ohatra amin’ny fanomezana fahafahana ny Ravintsara hitarika, saingy nilaza izy ireo fa misy foana ny fahafahana tsy tapaka ho an’ireo mpitarika mba hizara andraikitra ka hamelana ny zatovovavy handray anjara.

Ireo mpanao famelabelarana koa dia nifantoka tamin’ny loharano maro—tranonkala, lahatsoratra, horonan-tsary, boky fampianarana ary ilay bokikely nohavaozina Jeunes Soyez Forts—izay ananan’ireo mpitarika mba hitadiavana hevitra sy fanampiana.

Ny Tranomboky Hanofanana ireo Mpitarika no iray tamin’ireo zavatra nifantohan’ny fivoriana fanofanana ny vondrona fanampiny ho an’ny Sekoly Alahady izay natao tamin’ny 28 Martsa. Ny fikambanan’ny Sekoly Alahady, ny Kilonga, ny Fikambanana Ifanampiana ary ny Zatovovavy dia nanao fivoriana fanofanana daholo izay mivantana na tamin’ny alalan’ny Internet taloha kelin’ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Aprily. Ny fikambanan’ny Zatovolahy dia hanatanteraka ny fanofanany amin’ny 10 May.

Hamoaka printy