2012
Eveka Gérald Caussé
Mey 2012


Eveka Gérald Caussé

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Episkôpà Mpiahy

Sary
Eveka Gérald Caussé

Efa hatramin’ny fahazazany ny Eveka Gérald Jean Caussé izay voantso vao haingana ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Episkôpà Mpiahy no nahita fifaliana amin’ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana. Zavatra tsara izany hoy izy, satria tao amin’ilay sampana kely nisy azy tany Bordeaux, France dia nilaina ny rehetra mba hanao izay mba hampandeha ilay vondrona. Ankoatry ny fanompoany tao amin’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna tao anatin’ny fahatanorany dia efa mpitendry pianô tao amin’ny Kilonga izy tamin’ny faha-12 taonany, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady tamin’ny faha-14 taonany ary filohan’ny Sekoly Alahady tamin’ny faha-16 taonany.

“Nanampy ahy hahazo ny fijoroako ho vavolombelona ny fanompoana tao amin’ny Fiangonana,” hoy izy. Ny rainy izay filohan’ny sampana sy eveka imbetsaka dia fitaovana iray manokana ho an’ny Eveka Caussé nahafahany nahazo traikefa tsara.

“Fony aho zatovolahy dia nampandray anjara ahy tamin’ny fanaovana fampianarana isan-tokantrano na famangiana fianakaviana sahirana izy,” hoy ny Eveka Caussé. “Ny fijerena azy angamba no fotoam-pianarana tsara indrindra mba hiomanana amin’ny fitarihana ao amin’ny fisoronana.”

Taty aoriana ny Eveka Caussé dia lasa mpitamboky ny paroasy, filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny vondron’ny mpisorona avo, mpanolotsain’ny eveka, mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary ny vao tsy ela dia ny naha-mpikambana iray azy tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy.

Ny Eveka Caussé dia zanak’i Jean sy Marie-Blanche Caussé teraka tamin’ny mey 1963 tao Bordeaux, France.

Nahazo ny mari-pahaizana maîtrise momba ny fandraharahana avy tao amin’ny ESSEC izy tamin’ny 1987. Nanomboka ny asa aman-draharahany tamin’ny fanaovana fanoroan-kevitra momba ny fahaiza-tetik’ady izy, ka dia niasa nandritra ny enin-taona tao amin’ny orinasa mpanoro hevitra an’ireo biraon’i Paris sy Londres. Taty aoriana izy dia niasa ho an’ny vondrona iray lehibe misahana ny fanaovana varotra antsijarany tao Eorôpa ary taloha kelin’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy tamin’ny 2008, dia tale jeneraly sy mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa lehibe indrindra mpaninjara sakafo ao Frantsa.

Izy sy i Valérie Lucienne Babin dia nivady tamin’ny Aogôsitra 1986 tany amin’ny Tempolin’i Berne Suisse. Manan-janaka dimy izy ireo.

Hamoaka printy