2012
Ahoana no Fomba Ahafahana Mahazo Fanambarana sy Fitaomam-panahy ho an’ ny Fiainanao Manokana
Mey 2012


Ahoana no Fomba Ahafahana Mahazo Fanambarana sy Fanentanam-panahy ho an’ ny Fiainanao Manokana

Loholona Richard G. Scott

Nahoana no tian’ ny Tompo hivavaka sy hangataka Aminy isika? Satria izany no fomba ahazoana mandray fanambarana.

Na iza na iza mijoro eto amin’ ity polpitra ity mba hizara hafatra dia mahatsapa ny hery sy ny fanohanana avy amin’ ireo mpikamban’ ny Fiangonana manerana an’ izao tontolo izao. Feno fankasitrahana aho fa izany fanohanana izany ihany koa dia mety ho azo avy amin’ ilay namana malala iray any amin’ ny faritra ambadiky ny voaly. Misaotra anao ry Jeanene.

Ny Fanahy Masina dia mampita fampahalalana izay ilaintsika hitantanana antsika eto amin’ ity fiainana an-tany ity. Rehefa miavaka sy mazava ary ilaina izany dia mendrika ny antsoina hoe fanambarana. Rehefa bitsika misesisesy kosa no azontsika matetika mba hitarihana antsika tsikelikely any amin’ ny tanjona mendrika iray, raha ny hevitra manodidina an’ ity hafatra ity, dia fanentanam-panahy izy amin’ izay.

Ny ohatra iray mikasika ny fanambarana dia ny fitarihana azon’ ny Filoha Spencer W. Kimball taorian’ ny fitaloahany tsy tapaka ary nandritra ny fotoana ela mikasika ny mba hanomezana ny fisoronana an’ ireo lehilahy mendrika rehetra tato amin’ ny Fiangonana, raha toa ka nomena ny sasantsasany tamin’ izy ireo fotsiny izany tamin’ izany fotoana izany.

Ny ohatra iray hafa mikasika ny fanambarana dia ny fitarihana nomena ny Filoha Joseph F. Smith: “Mino aho fa isika dia manao zavatra eo anatrehan’ ireo iraky ny lanitra sy olona avy any an-danitra ary miaraka amin’ ny tenantsika eny izy ireo. Tsy misaraka amin’ izy ireo isika. … Mifandray akaiky amin’ ny fianakaviantsika sy ny razambentsika isika … izay nialoha lalana antsika any amin’ ny tontolon’ ny fanahy. Tsy afaka ny hanadino azy ireo isika ary tsy afaka ny hitsahatra tsy hitia azy ireo. Tehirizintsika foana ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika izy ireo ary noho izany dia miray sy mikambana amin’ izy ireo isika amin’ ny alalan’ ny fatotra izay tsy azontsika vahana. … Raha izay no toe-javatra mikasika ny toetry ny vatantsika izay voafetra ihany, izay voahodidin’ ny fahalemena amin’ ny maha olombelona, … dia tena azo antoka tokoa … ny mino fa ireo izay nahatoky sy efa nodimandry … dia afaka mahita tsara kokoa antsika noho ny ahitantsika azy ireo, ary izy ireo koa dia mahafantatra tsara kokoa antsika noho ny ahafantarantsika azy ireo. … Miaina eo anatrehan’ izy ireo isika ary mahita antsika izy ireo sy mieritreritra an’ izay mahasoa antsika ary tia antsika bebe kokoa noho ny hatramin’ izay. Ary amin’ izao fotoana izao dia hitan’ izy ireo ireo loza manambana antsika; … ny fitiavany antsika sy ny faniriany mba hahazoantsika an’ izay mahasoa antsika dia tsy maintsy lehibe kokoa noho izay mba tsapantsika ho an’ ny tenantsika.”1

Azo hamafisina mamakivaky an’ ilay voaly ny fifandraisana amin’ ireo olona izay fantatsika sy tiantsika. Izany dia tanteraka amin’ ny alalan’ ny ezaka feno fahavononana ataontsika eo amin’ ny fanaovana ny marina lalandava. Afaka manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ ilay olona efa lasa izay tiantsika isika amin’ ny alalan’ ny fahatsapana fa ny fisarahana dia mandalo ihany ary ireo fanekempihavanana izay natao tany amin’ ny tempoly dia mandrakizay. Rehefa hajaina tsy tapaka ireo fanekempihavanana ireo dia afaka manome antoka ny ho fahatanterahan’ ireo fampanantenana mandrakizay izay miraikitra ao anatiny.

Ny fahazoana fanambarana iray tena mazava teo amin’ ny fiainako dia niseho rehefa natosiky ny Fanahy mafy aho mba hangataka an’ i Jeanene Watkins hofehezina amiko any amin’ ny tempoly.

Ny iray amin’ ireo lesona lehibe izay tokony hianarantsika tsirairay avy dia ny mangataka. Nahoana no tian’ ny Tompo isika mba hivavaka sy hangataka? Satria izany no fomba handraisana fanambarana.

Rehefa miatrika zavatra sarotra aho dia izao no fomba fiezahako mba hahatakarana ny tokony hatao. Mifady hanina aho. Mivavaka aho mba hahita sy hahatakatra ireo soratra masina izay hanampy. Averimberina izany dingana arahana izany. Manomboka amin’ ny alalan’ ny famakiana andinin-tsoratra masina iray aho, dia misaintsaina ny tian’ ilay andininy holazaina, dia mivavaka mba hahazoana fitaomam-panahy. Dia misaintsaina sy mivavaka aho mba hahafantarana raha azoko daholo ny zavatra rehetra tian’ ny Tompo hataoko. Mihamaro kokoa ny hevitra rehefa mitombo ny fahatakarana ny fotopampianarana. Hitako fa fomba tsara hianaran-javatra avy amin’ ny soratra masina izany lamina izany.

Misy fitsipika sasantsasany manamora ny atao, izay ahafahana mahazo fanambarana. Voalohany, ny fanehoana karazana fihetseham-po toy ny fahatezerana na ny fiarovan-tena dia hampiala ny Fanahy Masina. Tsy maintsy esorina ireo fihetseham-po ireo raha tsy izany dia ho kely ny fanantenantsika hahazo fanambarana.

Ny fitsipika iray hafa dia ny fitandremana amin’ ny fanaovana vazivazy. Hanafintohina ny Fanahy ny fihomezena mafy sy tsy sahaza ny tokony ho izy. Ny fananana toetra mahay mihomehy na mahay mampihomehy amin’ ny endriny tsara dia manampy amin’ ny fahazoana fanambarana. Ny tokelaka mafy dia tsy manampy ahazoana izany. Ny fananana toetra tia mampihomehy dia fomba iray mba hivoahana kely amin’ ireo zavatra maro tsy maintsy atao eo amin’ ny fiainana.

Ny fahavalo hafa iray ho an’ ny fanambarana dia ny fanaovana laza masaka sy ny fitabatabana rehefa miresaka. Ny fitenenan-javatra amim-pitandremana sy amim-pahatoniana dia hampisy ny fahazoana fanambarana.

Amin’ ny lafiny iray, ny fifandraisana ara-panahy dia azo hatsaraina amin’ ny alalan’ ny fitandremana ara-pahasalamana. Ny fanaovana fanatanjahan-tena, ny torimaso ampy tsara ary ny fahazarana mihinana sakafo ara-pahasalamana dia mampitombo ny fahafahantsika mahazo sy mahatakatra fanambarana. Isika dia hiaina ao anatin’ ny halavam-potoana nomena mba hiainantsika. Kanefa afaka mampivoatra ny hatsaran’ ny asa ataontsika sy izay mahasoa antsika isika amin’ ny alalan’ ny fanaovana safidy feno fitandremana sy araka ny tokony ho izy.

Zava-dehibe ny tsy tokony hanelingelenan’ ny zavatra ataontsika isan’ andro ny fihainoantsika ny Fanahy.

Ny fanambarana koa dia mety ho azo amin’ ny alalan’ ny nofy, rehefa misy ilay fiampitana tsy tsapa akory miala eo amin’ ny torimaso mankany amin’ ny fifohazana. Raha miezaka tonga dia mirakitra ny ao anatin’ ilay nofy ianao dia afaka mahazo antsipirian-javatra maro fa raha tsy izany dia manjavona vetivety izany. Ny fifandraisana feno fitaomam-panahy ao anatin’ ny alina dia matetika arahin’ ny fahatsapan-javatra masina mandritra ilay fotoana iray manontolo itrangan’ izany. Ny Tompo dia mampiasa olona izay hajaintsika tokoa mba hampianatra antsika fahamarinana ao anatin’ ny nofy iray, satria matoky azy ireo isika ary hihaino ny toroheviny. Izany dia ny Tompo izay manao fampianarana amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina. Kanefa Izy ao anatin’ ny nofy iray dia sady afaka manao izay hahamora kokoa ny fahatakarana sy manao izay hahamora kokoa ny hahavoakasika ny fontsika amin’ ny alalan’ ny fampianarana antsika amin’ ny alalan’ ny olona iray izay tiantsika sy hajaintsika.

Rehefa hoe ho an’ ny tanjon’ ny Tompo izany dia afaka mamerina na inona na inona Izy mba ho tsaroantsika. Izany dia tsy tokony hampihena ny fahavononantsika hirakitra ireo hevitra azo avy amin’ ny Fanahy. Ireo fitaomam-panahy izay voarakitra tsara dia mampiseho amin’ Andriamanitra fa masina ho antsika ny fifandraisana Aminy. Ny firaketana koa dia hampivoatra ny fahafahantsika mahatsiaro fanambarana. Ny firaketana ny torolalan’ ny Fanahy toy izany dia tokony harovana mba tsy ho very na harovana amin’ ny fiselontselonan’ ny hafa.

Ny soratra masina dia manome fanamafisana miharihary mikasika ny hoe ny fahamarinana iainana tsy tapaka dia manokatra ny varavaran’ ny fitaomam-panahy mba hahafantarana ny tokony hatao ary rehefa ilaina dia mba hampivoarana ny fahafaha-manaon’ ny tena manokana amin’ ny alalan’ ny hery masina. Ny soratra masina dia maneho ny fomba hanamafisan’ ny Tompo amin’ ny fotoana ilana azy ny fahafahan’ ny olona iray mandresy ny olana sy ny ahiahy ary ireo fanamby izay toa tsy zaka. Rehefa misaintsaina mikasika an’ ireo ohatra ireo ianao dia hisy fanamafisana tony ho tonga amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina fa marina ny zavatra niainan’ izy ireo. Hahafantatra ianao fa misy fanampiana mitovy amin’ izany koa ho anao.

Efa nahita olona maro aho niatrika olana izay nahafantatra ny tokony hatao rehefa mihoatra noho ny zavatra efa niainany manokana izany, satria natoky ny Tompo izy ireo ary nahafantatra fa izy dia hitarika azy ireo hahita vahaolana izay ilaina maika.

Nanambara ny Tompo hoe: “Ary hampianarina avy any ambony ianareo. Hamasino ny tenanareo, dia hotafiana amin’ ny hery ianareo, mba hahazoanareo manome araka izay noteneniko.”2 Ireo teny hoe hamasino ny tenanareo dia mety hahagaga. Ny Filoha Harold B. Lee dia nanazava indray mandeha fa ireo teny ireo dia azonao ovaina amin’ ilay andian-teny hoe “tandremo ny didiko.” Vakio amin’ izay endriny izay izany dia mety hazava kokoa ilay torohevitra.3

Ny olona iray dia tsy maintsy madio ara-tsaina sy ara-batana hatrany ary manana finiavana madio mba hahafahan’ ny Tompo manentana ny fanahiny. Izay mankatò ny didiny dia atokisan’ ny Tompo. Izany olona izany dia mahazo fitaomam-panahy mba hahafantatra ny tokony hatao ary raha ilaina dia mahazo ny hery masina hanaovana izany.

Raha tiana hitombo ho mafy orina sy hitondra tombontsoa kokoa ny fiainam-panahy dia tsy maintsy volena any amin’ ny toerana marina izany. Ny fieboeboana dia toy ny tany marivo ambony vatolampy izay tsy hamokatra voa ara-panahy velively.

Ny fanetren-tena dia tany lonaka izay ahafahan’ ny fiainam-panahy mitombo sy mamokatra ny voan’ ny fanentanam-panahy mba hahafantarana ny tokony hatao. Ny olona iray izay entanin’ ny faniriana hahazo dera sy sitraka dia tsy ho mendrika ny ho ampianaran’ ny Fanahy. Ny olona iray miatikatika na mamela ny fihetseham-pony hibaiko ny fanapahan-keviny dia tsy ho tarihin’ ny Fanahy amin-kery.

Rehefa lasa fitaovana eo amin’ ny toeran’ ny hafa isika dia mora mahazo fitaomam-panahy kokoa noho ny rehefa mieritreritra fotsiny ny tenantsika. Ao anatin’ ilay dingana arahana hanampiana ny hafa dia afaka manome antsika torolalana manan-danja ho tombontsoantsika ny Tompo.

Ny Raintsika any an-danitra dia tsy nametraka antsika eto an-tany mba handamoka fa mba hahomby amim-boninahitra. Mety mifanohitra amin’ ny hevitry ny maro izany, saingy izay no antony maha tena sarotra ny fahatsapana ny valim-bavaka indraindray. Indraindray isika dia manandrana tsy am-piheverana miatrika ny fiainana amin’ ny alalan’ ny fianteherana amin’ ny traikefantsika sy ny fahaiza-manaontsika manokana. Fahendrena kokoa ho antsika ny mikatsaka amin’ ny alalan’ ny vavaka sy ny fitaomam-panahy masina ny fahafantarana ny tokony hatao. Ny fankatoavantsika dia manome antoka fa afaka mahazo ny hery masina hanatanterahana tanjona avy amin’ ny fitaomam-panahy iray isika rehefa ilaina izany.

I Oliver Cowdery toa ny maro amintsika dia tsy nahafantatra ny fisian’ ny valim-bavaka izay efa nomen’ ny Tompo. Mba hanokafana ny masony, sy ny masontsika dia nomena tamin’ ny alalan’ i Joseph Smith ity fanambarana ity:

“Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, sambatra ianao noho izay efa nataonao; fa efa nanontany Ahy ianao, ary indro, isaky ny avy nanontany ianao dia efa nandray toromarika avy amin’ ny Fanahiko. Raha tsy izany dia tsy ho tonga teo amin’ ny toerana izay misy anao amin’ izao fotoana izao ianao.

“Indro, fantatrao fa efa nanontany Ahy ianao ary nanazava ny sainao Aho; ary ankehitriny lazaiko aminao ireto zavatra ireto mba hahafantaranao fa efa nohazavain’ ny Fanahin’ ny fahamarinana ianao.”4

Raha mahatsapa ianao fa tsy namaly ny vavaka nataonao Andriamanitra dia saintsaino ireo andinin-tsoratra masina ireo—dia mitadiava tsara porofo eo amin’ ny fiainanao manokana fa mety efa namaly ny vavaka nataonao Izy.

Misy zavatra roa ahafantarana fa avy amin’ Andriamanitra ny fahatsapan-javatra iray na ny bitsika iray, dia rehefa mitondra fiadanana ao am-ponao izany sy fahatsapana fahatoniana sy hafanana. Rehefa manaraka ireo fitsipika izay noresahako ireo ianao, dia ho vonona ny hamantatra fanambarana izay miseho ao anatin’ ny fotoan-tsarotra eo amin’ ny fiainanao manokana.

Rehefa manaraka akaiky kokoa ny fitarihana masina ianao dia hahazo fifaliana bebe kokoa eto an-tany sy any amin’ ny mandrakizay—ary ankoatra izay dia hitombo bebe kokoa ny fivoaranao sy ny fahafahanao manompo. Tsy takatro tanteraka ny fanatanterahana azy, saingy ny fitarihana eo amin’ ny fiainanao dia tsy manaisotra ny fahafahanao misafidy. Afaka mandray izay fanapahan-kevitra nosafidianao ho raisina ianao. Saingy tsarovy fa ny fahavononana hanao ny tsara dia mitondra fiadanan-tsaina sy fifaliana.

Raha safidy ratsy no natao dia azo ovaina izany amin’ ny alalan’ ny fibebahana. Rehefa feno tanteraka ny fepetra takiany, ilay Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia manome fanafahana amin’ ny fitakian’ ny fahamarinana noho ireo hadisoana natao. Tena tsotra amin’ ny fomba mahatalanjona izany ary tsara tsy misy anoharana. Rehefa manohy miaina amim-pahamarinana ianao dia hahazo bitsika foana hahafantarana ny tokony hatao. Indraindray mitaky ezaka lehibe sy fahatokiana avy aminao ny fahitana ny zavatra tokony hatao. Kanefa hahazo bitsika mba hahafantarana izay tokony hatao ianao rehefa mahafeno ireo fepetra takiana hahazoana izany fitarihana masina izany eo amin’ ny fiainanao. Izany fepetra izany dia ny fankatoavana ny didin’ ny Tompo, ny fahatokiana ny drafitra masin’ ny fahasambarany ary ny fisorohana izay zavatra mifanohitra amin’ izany.

Tsy hoe zavatra tsy manan-danja ny fifandraisana amin’ ny Ray any an-danitra. Tombontsoa masina izany. Mifototra amin’ ny fitsipika mandrakizay ary tsy miova izany. Mahazo fanampiana avy amin’ ny Raintsika any an-danitra isika ho valin’ ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ary ny fampiasantsika araka ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy.

Enga anie ny Tompo ka hitaona ny fanahinareo mba hahatakatra sy hampiasa ireo fitsipika izay mitondra any amin’ ny fahazoana fanambarana ho an’ ny tena manokana sy fanentanam-panahy, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.