Ny hafatra, sy ny dikany, ary ny olona
Ao anatin’ny safotofotom-piainana tsy mitsahatra amin’izao androntsika izao dia aoka isika hiezaka hahita an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika sy ny finoantsika ary ny fanompoantsika.
Ry rahalahy sy ranabavy, i Sammy Ho Ching io hitantsika io, fito volana, mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny fahitalavitra ao an-tranony tamin’ny aprily lasa teo.
Rehefa akaiky ny fotoana hanohanana ny Filoha Russell M. Nelson sy ireo Manampahefana Ambony hafa dia sahirana nitazona tavoahangy ny tanan’i Sammy. Koa dia nataony ary ny zavatra tsara indrindra manaraka.
Nasian’i Sammy dikany vaovao ny hevitr’ilay fomba fiteny hoe manohana amin’ny alalan’ny fananganana tongotra.
Tonga soa amin’ity fihaonambe maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity. Mba hanomanana resaka momba ny dikan’itony fivoriana in-droa isan-taona itony dia tiako ianareo hieritreritra izao tranga ao amin’ny fitantaran’i Lioka ao amin’ny Testamenta Vaovao izao:1
“Ary raha Jesosy nanakaiky an’ i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
“… Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
“… Hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
“Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.”
Taitra tamin’ny fahasahiany ny olona dia niezaka nampangiana azy, “fa vao mainka niantsoantso izy,” araka ny voalaza. Vokatry ny fikirizany dia nentina teo amin’i Jesoa izy, izay efa nandre ny fitarainany feno finoana mba hamerina amin’ny laoniny ny fahitany sy hanasitrana azy.2
Mampihetsi-po ahy foana io zavatra niainana kely izay tena mpitranga io isaky mamaky izany aho. Tsapantsika ny fahorian’io lehilahy io. Mila ho rentsika izy mihiaka mba hampitodika ny Mpamonjy. Ihomehezantsika ny tsy fanekeny hampanginina, izany hoe ny fahavononany hiantsoantso mafy rehefa niteny azy mba hiteny moramora ny olona hafa rehetra. Tantara iray momba ny finoana tsy azo hozongozonina izany. Fa tahaka ny ao amin’ny soratra masina rehetra dia arakaraka ny hamakianao azy no hahitanao zavatra ao anatiny.
Ny zavatra iray izay nanaitra ahy vao tsy ela dia ny fahatsapana tsara izay nananan’io lehilahy io noho ireo olona manana toetra mahafantatra zavatra ara-panahy nanodidina azy. Ny tena mampisy lanjany io tantara io dia mifototra amin’ireo vehivavy sy lehilahy vitsivitsy tsy fantatra izay rehefa nanontanian’ny namany hoe “Inona izany?” dia nanana fahitana ny hilaza an’i Kristy ho anton’ilay horakoraka, Izy ilay olona nahatonga izany; Izy ilay Antony Velona. Misy lesona ho antsika rehetra ao amin’io resaka kely io. Raha resaka finoana sy finiavana hanao ny tsara, dia manampy ny fametrahanao ny fanontanianao amin’ireo izay tena manana izany. “Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba?” Hoy i Jesoa nanontany indray mandeha. “[Raha izany, moa] tsy hianjera any an-kady va izy roa?”3
Fitadiavana ny hampitombo ny finoana sy ny finiavana hanao ny tsara toy izany no antony mahatonga antsika manatrika itony fihaonambe itony, ary amin’ny fiarahanareo aminay androany dia ho hitanareo fa zavatra iraisan’ny rehetra izany fitadiavana izany. Jereo ny manodidina anareo. Hitanareo tonga etoana fa misy fianakaviana isan-karazany avy amin’ny toerana rehetra. Ao ny mpinamana taloha izay mifamihina ao anatin’ny fihaonana feno fifaliana, ao ny amboaram-peo mahatalanjona izay manafana feo, ary ao ireo mpanohitra miantsoantso avy eny amin’ny toeram-panentanany tian’izy ireo indrindra. Ireo misiônera nanompo teo aloha izay mitady ireo namana mpiara-mitory teo aloha, raha toa kosa ireo misiônera tafaverina ka mitady namana vaovao mihitsy (raha azonareo ny tiako holazaina!). Ary ny sary? Ampio re izahay ry lanitra ô! Miaraka amin’ireo finday eny an-tanan’ny tsirairay dia niova ilay hoe “ny mpikambana rehetra dia misiônera” ka lasa hoe “ny mpikambana tsirairay dia mpaka sary.” Eo anivon’izany fisafotofotoana mahafinaritra izany dia mety hisy olona hanontany hoe: “Inona daholo no dikan’izany?”
Tahaka ny ao amin’ilay tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, ireo izay nomena fahatakarana dia hahafantatra fa na dia eo aza ireo zavatra hafa izay atolotr’ity fihaonambe ity ho antsika dia tsy manan-danja na tsy misy dikany izany raha tsy i Jesoa no eo anivon’izany rehetra izany. Mba hahazoana ilay fahatakarana katsahintsika, ilay fahasitranana izay nampanantenainy, ilay zavatra manan-danja izay fantatsika fa eto, dia tsy maintsy miala amin’ilay fisafotofotoana isika, na dia mahafinaritra aza izany, ka mampifikitra ny fifantohantsika Aminy. Ny vavaka izay ataon’ny mpandaha-teny tsirairay, ny fanantenan’ireo rehetra izay mihira, ny fanajana asehon’ny vahiny tsirairay, ireo rehetra ireo dia natokana hanasana ny Fanahin’Ilay tompon’ity Fiangonana ity, dia Ilay Kristy Velona, ilay Zanak’ondrin’ Andriamanitra, ilay Andrian’ny fiadanana.
Fa tsy voatery hamonjy ivon-toeran’ny fihaonambe isika vao hahita Azy. Rehefa vao sambany ny ankizy iray no mamaky ny Bokin’ i Môrmôna ka lasa tia ny herim-pon’i Abinadia na ny dian’ireo zatovolahy miaramila 2.000, dia azontsika ampiana fa i Jesoa foana no ivon’izany tantara izany, izay mijoro ho toy ny fanevan’ny pejy tsirairay ary mampifandray singa mampiroborobo ny finoana ao amin’izany.
Toy izany koa, rehefa misy namana iray mianatra momba ny fivavahantsika, dia mety ho very kely izy amin’ireo zavatra mampiavaka na fiteny tsy mahazatra misy ato amin’ny fivavahantsika, ny famerana ny sakafo hohanina, ireo fitaovana ho an’ny fizakan-tena, ny dian’ireo mpamaky lay, ny tetiarana amin’ny endriny nomerika, miaraka amin’ireo foiben’ny tsatoka maro izay azo inoana fa amin’ny maha-hoe “stake center” azy dia eritreretin’ny sasany fa toerana fihinanana steak matsiro be. Koa rehefa mahita sy mahare ireo zavatra vaovao ireo ny namantsika dia tsy maintsy ampiantsika izy ireo tsy hisavorovoro saina ka hahatakatra ny dikan’izany rehetra izany ary hifantoka amin’ny filazantsara mandrakizay, ny fitiavan’ireo Ray aman-dReny any An-danitra, ny fanavotana natrolotr’ilay Zanak’ Andriamanitra, ny fitarihana mampaherin’ny Fanahy Masina, ny famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana rehetra ireo amin’ny andro farany sy zavatra maro hafa be dia be.
Rehefa vao sambany ny olona iray no mankany amin’ny tempoly masina dia mety ho gaga amin’ny zavatra iainany izy. Ny asantsika dia ny hanao izay hahatonga ireo famantarana masina sy ireo fombafomba voambara, ny fitafy entina manatanteraka ny fombafomba sy ny fanehoana an-tsary, mba tsy hampiala ny fifantohana fa hisarika ny saina kosa ho any amin’ny Mpamonjy, izay mahatonga antsika eto hitsaoka. Ny tempoly dia tranony, ary tokony ho Izy no tena manan-danja indrindra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika, ilay fotopampianarana kanton’i Kristy manenika ny aina manontolo tahaka ny hamenoany ireo ôrdônansin’ny tempoly, manomboka amin’ilay fotoana hamakiantsika ny soratra eo amin’ny varavarana anoloana hatramin’ilay fotoana farany maha-ao amin’ilay trano antsika. Eo anivon’ireo zavatra mahatalanjona tojo antsika ao dia tokony ho ny lanjan’i Jesoa no hitantsika ambonin’ny zavatra rehetra.
Eritrereto ireo ezaka mafonja sy filazana vaovao maro tato amin’ny Fiangonana tao anatin’ireo volana lasa. Rehefa mifanompo isika, na manatsara ny fiainantsika ny Sabata, na manaraka am-pifaliana ny fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny ankizy sy ny zatovo, dia tsy ho hitantsika ny tena anton’ireo fanitsiana azo avy amin’ny fanambarana ireo raha toa ka raisintsika ho zavatra misaraka sy tsy mifandray izy ireo, fa tsy toy ny ezaka mifandray mba hanampiana antsika hiorina mafy bebe kokoa eo ambonin’ny Vatolampin’ny Famonjena antsika.4 Mino, tena mino aho fa izany mihitsy no tian’ny Filoha Russell M. Nelson hahatongavana amin’ny fanasana antsika hampiasa ny anaran’ny Fiangonana voambara.5 Rehefa i Jesoa (ny anarany, ny fotopampianarany, ny ohatra nasehony, ny maha-Andriamanitra Azy) no ivon’ny fitsaohantsika, dia manamafy ilay fahamarinana lehibe nampianarin’i Almà isika hoe: “Zavatra maro no hitranga; [saingy] indro, misy zavatra iray izay manan-danja kokoa noho ny rehetra— … [dia ny Mpanavotra izay hiaina sy ho tonga] eo anivon’ny vahoakany.”6
Hevitra iray farany: Ny toerana niainan’i Joseph Smith tamin’ny taonjato faha-19 dia feno kristianina tia mifaninana.7 Saingy teo anivon’ny horakoraka izay naterak’izany, dia vao mainka nanafina an’ilay Mpamonjy izay nokatsahin’i Joseph tovolahy fatratra ireo fifohazam-panahy mafana fo ireo. Raha niady tamin’izay nolazainy hoe “haizina sy ny fifangaroan-kevitra,”8 izy dia nisintaka tany amin’ny mangingina tany anaty alakely izay nahitany sy naharenesany tenivavolombelona am-boninahitra momba ny maha-zava-dehibe ny Mpamonjy ao amin’ny filazantsara mihoatra an’izay zavatra mety ho efa noresahintsika teto androany maraina. Fanomezam-pahasoavan’ny fahitana izay tsy takatry ny saina sy tsy nampoizina no azon’i Joseph fa nahita ny Ray any An-danitra, ilay Andriamanitra lehiben’izao rehetra izao sy i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana tonga lafatra izy. Dia naneho ilay ohatra noresahintsika androany maraina ny Ray: nanondro an’i Jesoa Izy dia nilaza hoe: “Ity no Zanako Malalako. “Henoy Izy!”9 Tsy misy fomba filazana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa sy ny maha-ivon’ny drafitry ny famonjena Azy ary ny toerany eo imason’ Andriamanitra lehibe mihoatra izany filazana ao anatin’ny teny enina izany.
Misy fifandonana sy fikorontanana ve? Misy vahoaka manakorontana sy fifandirana ve? Feno an’izany rehetra izany ity tontolo misy antsika ity. Eny tokoa, mbola mifanditra foana ireo tsy mino sy ny mino momba io fahitana io sy ireo zavatra hafa nolazaiko androany. Raha toa ianao ka miezaka mafy ny hahita mazava kokoa sy hahatakatra bebe kokoa eo anivon’ny hevitra marobe dia mamporisika anao aho hitodika any amin’io Jesoa io ary hijoro ho vavolombelon’ny zavatra niainan’i Joseph Smith, izay nitranga teo amin’ny 1800 taona taorian’ny nahazoan’ilay namantsika jamba ny fahitana tao Jeriko fahiny. Mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ireo roa ireo sy ny maro hafa koa aho fa ny zavatra hita sy re tena mampientam-po be indrindra amin’ny fiainana dia i Jesoa, izay tsy vitan’ny mandalo fotsiny10 fa tonga eto anivontsika, mijanona eo anilatsika , ary mametraka ny fitoerany miaraka amintsika koa.11
Ranabavy sy rahalahy, ao anatin’ny safotofotom-piainana tsy mitsahatra amin’izao androntsika izao dia aoka isika hiezaka hahita an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika sy ny finoantsika ary ny fanompoantsika. Ao amin’izany no ahitana ny zavatra tena manan-danja. Ary raha tàhiny indray andro any ka voafetra ny fahatakarantsika, na mihena ny fatokian-tenantsika, na voazaha toetra sy voasivana ny finoantsika, izay tena hitranga, dia aoka isika hihiaka mafy hoe: “Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko!”12 Mampanantena amin’ny hafanam-pon’ny apôstôly sy amin’ny fandresen-dahatry ny mpaminany aho fa handre anareo Izy, ary na ho ela na ho haingana dia hilaza Izy hoe: “Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.”13 Tonga soa eto amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.