2019
Nanao fanovana teo amin’ny fitsipika mifehy ny vavolombelona amin’ireo ôrdônansy ny Fiangonana
Nôvambra 2019


Nanao fanovana teo amin’ny fitsipika mifehy ny vavolombelona amin’ireo ôrdônansy ny Fiangonana

Nandritra ny fivorian’ny mpitarika nandritra Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay nandraisan’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana torolalana avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanao filazana ny Filoha Russell M. Nelson momba ireo fanovana ara-drafitra eo amin’ny fitsipika mifehy an’ny Fiangonana mikasika izay afaka manao vavolombelona amin’ny batisa sy ny famehezana.

Ny taratasy iray avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany, natao ny 2 ôktôbra 2019 dia ahitana ny antsipirian’ireo fanovana natao:

“Rehefa mahazo fanasana avy amin’ireo mpitarika mpiahy dia:

  1. “Azo atao vavolombelona ho an’ny batisa isoloana tena izay olona mpikambana mihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahazoan-dalana voafetra.

  2. “Azo atao vavolombelona ho an’ny fanaovana famehezana ho an’ny velona na famehezana isoloana tena izay olona mpikambana efa nandray fanafiana masina ka manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery.

  3. “Azo atao vavolombelona ho an’ny fanaovana batisa olona velona ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana efa vita batisa, tafiditra ao amin’izany ny ankizy sy ny tanora.”

Hamoaka printy