2019
Fomba efatra entina mivonona ho amin’ny aprily 2020
Nôvambra 2019


Fomba efatra entina mivonona ho amin’ny aprily 2020

Ny taona 2020 dia hanamarika ny faha-200 taonan’ny Fahitana Voalohany, izay nitranga tamin’ny lohataonan’ny 1820. Araka izany, ny Filoha Russell M. Nelson dia mampilaza fa ny fihaonambe ho avy amin’ny volana aprily dia “hankalazana ireo fototra iorenan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny” (jereo ny pejy 122).

Namporisika ny mpikambana sy ny fianakaviana tsirairay izy mba hiomana ho amin’io “fihaonambe tsy manam-paharoa” io ary nanolotra soso-kevitra momba ireo fomba azo atao hanatanterahana izany:

  1. Vakio indray ny fitantaran’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany.

  2. Rehefa mandalina ny Avia, hanaraka Ahy ianareo amin’ny taona 2020, dia saintsaino ireo fanontaniana momba ny fahalalana azo sy ireo fitahiana azo noho ny Bokin’i Môrmôna.

  3. Ampiasao ireo horonan-tsary vaovao momba ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana.

  4. Safidio ireo fanontaniana anao manokana dia arafeto ny drafitrao manokana mba “[handrobohana ny tenanao] ao amin’ny fahazavana be voninahitry ny Famerenana amin’ny laoniny.”

“Rehefa ataonareo izany,” hoy ny Filoha Nelson, “dia sady ho mendrika ny hotsaroana ny fihaonambe amin’ny volana aprily no tsy ho hay hadinoina ihany koa.”

Hamoaka printy