2019
Avia, hanaraka Ahy—tetikadin’ny Tompo hamaliana ny fahavalo sy drafitra handraisana andraikitra mialoha
Nôvambra 2019


Avia, hanaraka Ahy—tetikadin’ny Tompo hamaliana ny fahavalo ary drafitra handraisana andraikitra mialoha

Ny Tompo dia manomana ny olony amin’ny fanafihan’ilay fahavalo. Ny Avia, hanaraka Ahy dia tetikadin’ny Tompo hamaliana ny fahavalo ary drafitra handraisana andraikitra mialoha.

Fifaliana ho antsika ny miara-mivory amin’izao Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manetriketrika an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izao. Fitahiana ny mandray ny fisainana sy ny sitrapon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fampianaran’ireo mpaminaniny sy apôstôliny. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany velon’ny Tompo. Feno fankasitrahana tokoa isika noho ireo torohevitra feno fitaomam-panahy sy fitarihana izay azo avy aminy androany.

Ampiako ny tenivavolombeloko ny an’ireo izay efa nizara teo aloha. Mijoro ho vavolombelona an’ Andriamanitra, ilay Raintsika Mandrakizay aho. Velona Izy ary tia antsika sy miahy ny momba antsika. Ny drafitry ny fahasambarany dia mitondra fitahiana amin’izao fiainana an-tany izao ary ny fiverenantsika ho eo anatrehany amin’ny farany.

Mijoro ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy ihany koa aho. Izy no Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra. Namonjy antsika tamin’ny fahafatesana Izy, ary Izy dia manavotra antsika amin’ny fahotana rehefa mampihatra finoana Aminy sy mibebaka isika. Ny sorona fanavotana tsy misy fetra nataony ho antsika dia mitondra ny fitahian’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. “Isaorana [tokoa] anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany masina” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Liahona, mey 2017, ao anatin’ny fonony ao aloha).

Voatahy amin’ny fanompoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo tempoliny ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao. Ny iray amin’ireo tempoly ireo dia andalam-panamboarana any Winnipeg Kanadà amin’izao fotoana izao. Izaho sy i Anne Marie vadiko dia nanana fahafahana hitsidika ilay toerana hananganana an’izany tamin’ny aogôsitran’ity taona ity. Tsara tarehy ny tefibikan’ilay tempoly ary azo antoka fa ho mahatalanjona izany rehefa vita. Na dia izany aza dia tsy afaka hanana tempoly mahatalanjona ianao any Winnipeg, na amin’ny toerana hafa rehetra, raha tsy manana fototra matanjaka sy mafy orina.

Ny fiantraikan’ny fifandimbiasan’ny fivainganana sy ny fitsonian’ny ranomandry eo amin’ny tany any Winnipeg dia niteraka olana tamin’ny fanomanana ny fototry ny tempoly. Noho izany dia notapahina fa ny fototra ho an’io tempoly io dia ho fitambarana vy lavalava miisa 70 norakofana orimbato. 18 metatra ny alavan’ireo vy ary 30 ka hatramin’ny 50 santimetatra eo ho eo ny ateviny. Alentika any ambany tany hatrany izy ireo mandrapidonan’izy ireo amin’ny vatolampy, ka tokotokony ho eo amin’ny 15 metatra any ambany tany izany. Amin’ny alalan’izany fomba izany, ireo vy miisa 70 dia manome fototra matanjaka sy mafy orina ho an’ilay tempoly tsara tarehin’i Winnipeg.

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, isika dia mikatsaka fototra matanjaka sy mafy orina toy izany koa eo amin’ny fiainantsika—fototra ara-panahy izay ilaina ho an’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany sy ny diantsika miverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Izany fototra izany dia miorina amin’ny vatolampin’ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy Tompo.

Tsaroantsika ny fampianaran’i Helamàna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, … dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12).

Feno fankasitrahana isika fa miaina ao anatin’ny vanim-potoana iray izay misy mpaminany sy apôstôly mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ny fanarahana ny torohevitr’izy ireo dia hanampy antsika hanorina fototra mafy orina ao amin’i Kristy.

Tamin’ny taona lasa, tao anatin’ny lahateny nanokafany ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2018, dia nilaza izao teny filazana sy fampitandremana izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Ny tanjon’ny Fiangonana hatrizay dia ny hanampy ireo mpikambana rehetra mba hampitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny Sorompanavotany, sy mba hanampy azy ireo hanao ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany, ary mba hanamafy orina sy hamehy ny fianakavian’izy ireo. Tsy mora izany ao anatin’ity tontolo feno fahasarotana amin’izao fotoana izao ity. Mampitombo haingana dia haingana ny fanafihany ny finoana sy ny fianakaviana ny fahavalo. Mba hahatafavoaka velona antsika ara-panahy dia mila tetikady hamaliana ny fahavalo sy drafitra handraisana andraikitra mialoha isika” (“Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 7; nampiana fanamafisana).

Taorian’ny hafatra izay nataon’ny Filoha Nelson, ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampahafantatra ny: Avia, hanaraka Ahy loharano ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ahitana izao fanambarana manaraka izao ny teniny:

Nanomboka ny janoary tamin’ity taona ity, ny Olomasin’ny Andro Farany maneran-tany dia nanomboka nandalina ny Testamenta Vaovao, ka ny Avia, hanaraka Ahy no loharanom-pitaovana fitarihana antsika. Miaraka amin’ny fandaharam-pianarana isan-kerinandro ao aminy, ny Avia, hanaraka Ahy dia manampy antsika handalina ireo soratra masina, ny fotopampianaran’ny filazantsara, ary ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly. Loharanom-pitaovana mahatalanjona ho antsika rehetra ilay izy.

Sivy volana taorian’ity ezaka maneran-tany mba handalinana soratra masina ity dia inona no vokatra hitantsika? Mahita Olomasin’ny Andro Farany mitombo finoana sy fanolorantena ho an’ny Tompo Jesoa Kristy any amin’ny toerana rehetra isika. Mahita isam-batan’olona sy fianakaviana manokana fotoana mandritra ny herinandro mba handalinana ny tenin’ny Mpamonjy antsika isika. Mahita fivoarana eo amin’ny fampianarana ny filazantsara ao amin’ireo kilasy amin’ny andro alahady isika rehefa mandalina ny soratra masina any an-tokantrano sy mizara ny hevi-baovao ananantsika any am-piangonana. Mahita firavoravoana sy firaisan-kina bebe kokoa ao amin’ny fianakaviana isika rehefa niala tamin’ny famakiana tsotra ny soratra masina ka lasa nandalina ny soratra masina amin’ny fomba lalina kokoa.

Tombontsoako manokana ny nihaona tamina Olomasin’ny Andro Farany maro sy nihaino mivantana ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ny fanehoan’izy ireo finoana dia mitondra fifaliana ato am-poko. Ireto dia misy fanamarihana vitsivitsy izay henoko avy tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana avy amin’ny faritra samihafa eto amin’izao tontolo izao:

  • Nizara toy izao ny raim-pianakaviana iray hoe: “Ankafiziko ny Avia, hanaraka Ahy, satria izany dia manome fahafahana hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy amin’ireo zanako.”

  • Tao amin’ny tokantrano iray hafa dia nisy zaza niteny hoe: “Ity dia fahafahana iray hihainoana ny ray aman-dreniko mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.”

  • Nisy renim-pianakaviana iray nizara hoe: “Tena nahazo fitaomam-panahy ny amin’ny fomba hanaovana an’ Andriamanitra ho lohalaharana izahay. Ny fotoana [noheverinay] fa -tsy nanananay- dia lasa [nofenoina] fanantenana, fifaliana, fiadanana, ary fahombiazana tamin’ny fomba izay tsy noheverinay fa mety ho tanteraka.”

  • Nisy mpivady niteny hoe: “Tena amin’ny fomba hafa tanteraka ny famakianay ny soratra masina raha ampitahaina amin’ny fomba famakianay izany hatrizay. Tena mianatra bebe kokoa izahay raha ampitahaina amin’ny taloha. Tian’ny Tompo hanana fomba fijery vaovao isika. Manomana antsika ny Tompo.”

  • Ny reny iray dia nilaza hoe: “Tiako ny hoe miara-mianatra zavatra mitovy isika. Taloha dia namaky isika. Ankehitriny dia mianatra isika.”

  • Nisy ranabavy iray nizara an’izao fomba fijery vaovao izao: “Taloha dia teo ny lesona ary ny soratra masina no nanohana izany. Ankehitriny kosa dia eo ny soratra masina ary ny lesona no manohana azy.”

  • Nisy ranabavy iray hafa naneho izao hevitra izao hoe: “Mahatsapa zava-baovao aho rehefa manao an’ilay izy [raha ampitahaina amin’ny] rehefa tsy manao an’ilay izy. Moramora kokoa amiko ny miresaka momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra inoantsika amin’ny hafa.”

  • Nanamarika ny renibe iray hoe: “Miantso ireo zanako sy zafikeliko aho rehefa alahady, ary mifampizara hevi-baovao avy amin’ny Avia, hanaraka Ahyizahay.”

  • Ny ranabavy iray dia nilaza hoe: ny “Avia, hanaraka Ahy dia toy ny hoe ny Mpamonjy mihitsy no manompo ahy. Avy any an-danitra ilay izy.”

  • Nisy raim-pianakaviana iray nanamarika hoe: “Rehefa mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy, izahay dia toy ny zanak’ Israely manisy marika ny tolanam-baravaranay, miaro ny fianakavianay amin’ny asan’ny mpamotika.”

Ry rahalahy sy ranabavy, tena tsara ny miaraka aminareo ary ny maheno ny fomba itahian’ny ezaka ataonareo amin’ny Avia, hanaraka Ahy ny fiainanareo. Misaotra noho ny fahazotoanareo.

Ny fandalinana ny soratra masina miaraka amin’ny fitarihan’ny Avia, hanaraka Ahy dia mampatanjaka ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Tsy hoe manakalo adiny iray any am-piangonana amin’ny alahady amina adiny iray fanampiny handalinana soratra masina any an-tokantrano fotsiny isika. Ny fianarana ny filazantsara dia ezaka mitohy mandritra ny herinandro manontolo. Araka ny voalazan’ny ranabavy iray hoe: “Ny tanjona dia tsy ny hanafohezana ny fivoriam-piangonana hihena adiny iray; ny tanjona dia ny hampitombo enina andro ny fivoriam-piangonana!”

Eritrereto indray mandeha indray izao ilay fampitandreman’ny mpaminanintsika, ny Filoha Nelson, izay nomeny raha nanokatra ny fihaonambe maneran-tany izy ny ôktôbra 2018:

“Mampitombo haingana dia haingana ny fanafihany ny finoana sy ny fianakaviana ny fahavalo. Mba hahatafavoaka velona antsika ara-panahy dia mila tetikady hamaliana ny fahavalo sy drafitra handraisana andraikitra mialoha isika” (Lahateny fanokafana,” 7).

Avy eo (tokony ho 29 ora taty aoriana teo ho eo) tamin’ny alahady tolakandro, dia nofaranany ny fihaonambe tamin’ny alalan’izao fampanantenana izao: “Rehefa miasa amim-pahazotoana ianareo hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara, … [dia] hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113).

Ahoana izany hoe mitombo hatrany ny fanafihan’ny fahavalo nefa sady mihena ihany koa ny fitaoman’ny fahavalo? Mety hitranga izany, ary mitranga izany manerana ny Fiangonana, satria ny Tompo dia manomana ny olony amin’ny fanafihan’ilay fahavalo. Ny Avia, hanaraka Ahy dia paikady sy drafitra fisorohana avy amin’ny Tompo. Araka ny fampianaran’ny Filoha Nelson hoe: “Ilay fandaharam-pampianarana manome sehatra ny fiainana sy ny fianarana ny zavatra ara-panahy ao an-tokantrano, izay hamafisin’ny zavatra atao any am-piangonana dia manana ny fahafahana hamoaka ny herin’ny fianakaviana.” Kanefa izany dia mila sy hila ny ezaka tsara indrindra avy amintsika; mila “miezaka manao zavatra amim-pahamalinana sy am-pitandremana [tsy tapaka] mba hanova ny fonena[ntsika] ho toerana masina isian’ny finoana” isika (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” 113).

Isika rahateo koa, araka ny voalazan’ny Filoha Nelson, no “tompon’andraikitra amin’ny fivoarana ara-panahin’ny tenantsika manokana” (“Lahateny fanokafana,” 8).

Amin’ny alalan’ilay loharanom-pitaovana hoe Avia, hanaraka Ahy dia manomana antsika “amin’izao andro mahory hatrehantsika izao” ny Tompo (Quentin L. Cook, “Fiovam-po lalina sy maharitra,” 10). Manampy antsika hanorina ilay “fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12)—ilay fototry ny fijoroana ho vavolombelona miorim-paka eo amin’ny vatolampin’ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy Tompo.

Manantena aho fa hampatanjaka antsika ny ezaka ataontsika amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro ary hanaporofo izany fa mendrika ireo fitahiana nampanantenaina ireo isika. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy