Ny fifalian’ny Olomasina
Ny fifaliana dia azo avy amin’ny fitandremana ny didy, avy amin’ny fandresena ny alahelo sy ny fahalemena amin’ny alalany, ary avy amin’ny fanompoana tahaka ny nanompoany.
I Enosa, mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, zafikelin’i Lehia, dia nanoratra zavatra niainana miavaka iray izay nitranga fony izy tanora. Raha nihaza irery tany an’ala izy dia nanomboka nandinika lalina ireo fampianaran’i Jakôba rainy. Hoy ny nosoratany: “Ny teny izay efa reko matetika notenenin-draiko momba ny fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina dia tafalatsaka lalina tao am-poko.”1 Raha mosarena ny fanahiny dia nandohalika i Enôsa ka nivavaka, vavaka izay niavaka naharitra andro sy alina, vavaka izay nitondra fanambarana sy toky ary fanantenana manan-danja ho azy.
Betsaka ny zavatra azo ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Enôsa, fa ny zavatra hitako tena manan-danja anio dia ny fahatsiarovan’i Enôsa an-drainy niresaka matetika momba “ny fifalian’ny olomasina.”
Tamin’ny fihaonambe telo taona lasa izay, ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka momba ny fifaliana.2 Anisan’ny zavatra nolazainy ny hoe:
“Zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika, fa tena mifandray kosa amin’izay ifantohan’ny fiainantsika izany.
“Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga, na tsy mitranga, eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. … Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia i Jesoa Kristy no fifaliana!”3
Ny Olomasina dia ireo izay niditra tao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara tamin’ny alalan’ny batisa ka miezaka manaraka an’i Kristy amin’ny maha-mpianany azy ireo.4 Noho izany, “ny fifalian’ny olomasina” dia milaza ny fifaliana avy amin’ny fahatongavana tahaka an’i Kristy.
Te-hiresaka momba ny fifaliana azo avy amin’ny fitandremana ny didy aho, sy ny fifaliana izay tonga rehefa mandresy ny alahelo sy ny fahalemena amin’ny alalany ary ny fifaliana miaraka amin’ny fanompoana tahaka ny nanompoany.
Ny fifaliana avy amin’ny fitandremana ny didin’i Kristy
Miaina ao anatin’ny fotoana anjakan’ny rendrarendra isika izao izay mahatonga ny maro tsy mino na tsy miraharaha tsotra izao ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny didy. Matetika tokoa ny olona izay manao tsinontsinona ny fitarihan’ Andriamanitra toy ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fitsipiky ny fahamarinan-toetra ary ny fahamasinan’ny Sabata dia toa miroborobo sy migoka ireo zava-tsoan’ny fiainana, ary indraindray mihoatra noho ireo izay miezaka ny ho mpankatò mihitsy aza. Efa manomboka manontany tena ny sasany raha toa ka mahaleo ny sarany ny fiezahana sy ny fanoloran-tena atao. Nisy fotoana ireo vahoakan’Isiraely fahiny nitaraina hoe:
“Zava-poana ny manompo an’ Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’i Jehovah, Tompon’ny maro.
“Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an’ Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.”5
Miandrasa fotsiny, hoy ny Tompo, mandrapahatonga “ny andro izay hotendreko. … “Amin’izany ianareo dia … hanavaka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy, izay manompo an’ Andriamanitra amin’izay tsy manompo Azy.”6 Ny olon-dratsy dia mety ho “manam-pifaliana amin’ny asany … mandritra ny vanim-potoana iray,” saingy mandalo foana ihany izany.7 Ny fifalian’ny olomasina dia maharitra.
Andriamanitra dia mahita zavatra amin’ny fijery tena marina ary zarainy amintsika izany fomba fijery izany amin’ny alalan’ireo didiny, sady mitarika antsika tsara eo amin’ireo zava-tsarotra tsy ampoizina amin’ny fiainana an-tany mankany amin’ny fifaliana mandrakizay. Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Rehefa mampianatra antsika ireo didy dia amin’ny fomba fijery mandrakizay izany, satria Andriamanitra dia mijery antsika toy ireny efa any amin’ny mandrakizay ireny isika, Andriamanitra dia mitoetra any amin’ny mandrakizay, ary tsy mitovy amin’ny fijerintsika ny fijeriny.”8
Tsy mbola nahita aho hoe olona iray izay tara teo amin’ny fiainany vao nahita ny filazantsara ka tsy naniry ny ho nahita izany aloha kokoa. “Betsaka ireo safidy ratsy sy fahadisoana izay azoko nosorohana” hoy izy ireo. Ny didin’ny Tompo no mpanoro lalana antsika hanao safidy tsara kokoa sy hahita vokatra mahasambatra kokoa. Tena tokony hifaly sy hisaotra Azy isika noho ny fanehoany antsika io fomba tena tsara io.
Fony mbola tanora Rahavavy Kalombo Rosette Kamwanya avy any amin’ny R.D. Congo, izay manompo any amin’ny misiônan’i Côte d’Ivoire Abidjan Ouest ankehitriny, dia nifady hanina sy nivavaka nandritra ny telo andro mba hahita ny fitarihana izay tian’ Andriamanitra horaisiny. Tao anatin’ny fahitana mahatalanjona iray tao anatin’ny alina izy dia nampisehoana trano lehibe roa, trano fiangonana iray ary ny iray hafa izay fantany ankehitriny fa tempoly. Nanomboka nikaroka izy ary tsy ela dia nahita ilay trano fiangonana hitany tao amin’ny nofiny. Toy izao ny voasoratra eo amin’ilay famantarana: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.” Natao batisa rahavavy Kamwanya dia avy eo ny reniny sy ireo anadahiny enina. Hoy rahavavy Kamwanya: “Rehefa nandray ny filazantsara aho dia nahatsapa ho toy ny vorona nosamborina ka navotsotra ireny. Heniky ny hafaliana ny foko. … Nanana fatokisana aho fa tia ahy Andriamanitra.”9
Ny fitandremana ny didin’ny Tompo dia manome fahafahana antsika hahatsapa mora sy feno kokoa ny fitiavany. Ny lalana ety sy terin’ny didy dia mitarika mivantana mankany amin’ny hazon’aina, ary ny hazo sy ny voany, izay mamy sy “mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra”10 dia fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra ary mameno ny fanahy amin’ny “fifaliana mitafotafo tokoa.”11 Hoy ny Tompo hoe:
“Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.
“Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba ho ao aminareo ny fifaliako ary mba ho tanteraka ny fifalianareo .”12
Ny fifaliana avy amin’ny fandresena amin’ny alalan’i Kristy
Na dia efa mitandrina amim-pahatokiana ireo didy aza isika dia misy ireo fitsapana sy loza izay mety hampitsahatra ny fifaliantsika. Saingy rehefa miezaka mandresy ireo fanamby ireo isika miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy dia mihazona ny fifaliana izay tsapantsika sy ny fifaliana izay andrandraintsika. Nanome toky ny mpianany i Kristy hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa nandresy izao tontolo izao.”13 Ny fitodihana any Aminy, ny fanoavana Azy, ny famatorantsika ny tenantsika Aminy, ireo no mahatonga ny fitsapana sy ny alahelo ho lasa fifaliana. Hilaza ohatra anankiray aho.
Tamin’ny 1989 i Jack Rushton dia nanompo tamin’ny naha filohan’ny tsatòkan’i Irvine Californie azy (Etazonia). Nandritra ny fialan-tsasatra iray niarahana tamin’ny fianakaviana tany amoron-tsirak’i Californie dia nanao surf vatana izy ary nentin’ny onja nidona tamin’ny vato iray nilentika ka nahatapaka ny hatony sy nandratra mafy ny taolan-damosiny. Hoy i Jack taty aoriana hoe: “Vao nidona tamin’ilay vato aho dia fantatro fa ho lasa malemy.”14 Tsy afaka niresaka na niaina intsony izy.15
Niara-nisalahy ny fianakaviana sy ireo namana ary ireo mpikambana tao amin’ny tsatòka mba hanohana an-drahalahy Rushton sy i Jo Anne vadiny ary ankoatra ny zavatra maro hafa dia nanamboatra ny faritra iray tamin’ny tranony izy ireo mba handraisana ny seza misy koadiarana an’i Jack. Lasa mpiambina sy mpikarakara an’i Jack i Jo Anne nandritra ny 23 taona nanaraka izay. Raha niresaka momba ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny namangian’ny Tompo ny vahoakany tao anatin’ny fahoriany sy ny nanamaivanany ny enta-mavesatr’izy ireo16 i Jo Anne dia hoy izy: “Talanjona aho matetika amin’ny hamaivan’ny fo izay tsapako rehefa mikarakara ny vadiko.”17
Namerina ny fahafahan’i Jack niteny ny fanamboarana kely natao tamin’ny taovam-pisefoany, ary rehefa nandeha ny taona dia nantsoina ho mpampianatra Fotopampianaran’ny filazantsara sy patriarika ao amin’ny tsatòka i Jack. Rehefa nanome tsodranon’ny patriarika izy dia mpihazona ny fisoronana hafa no mametraka ny tanan-drahalahy Rushton eo ambonin’ny lohan’ilay olona mandray ny tsodrano ary manohana ny tanany sy ny sandriny mandritra ilay tsodrano. Nodimandry i Jack tamin’ny andron’ny Noely 2012 rehefa nanompo tamim-panoloran-tena nandritra 22 taona.
Indray mandeha raha nohadihadiana i Jack dia toy izao ny zavatra tsikariny: “Hisy olana foana ho tonga amin’ny fiainantsika, izany ny miaina ety an-tany. Ary mieritreritra ny olona sasany fa ny fivavahana na ny fananana finoana an’ Andriamanitra no hiaro azy ireo amin’ny zavatra ratsy. Tsy izany no fahitako azy. Mieritreritra aho fa rehefa mafy orina ny finoantsika, rehefa mitranga ny zavatra ratsy, izay hitranga tokoa, dia ho afaka ny hiatrika izany isika. … Tsy ho voahozongozona na oviana na oviana ny finoako, saingy tsy midika akory izany fa tsy nandalo fahakiviana aho. Angamba sambany teo amin’ny fiainako aho no voan’ny mafy indrindra nihoatra ny vitako, ary tena tsy nisy azo nitodihana, koa dia nitodika tany amin’ny Tompo aho, ary hatramin’izao andro izao aho dia mahatsapa fifaliana be.”18
Fotoana izay indraindray itrangan’ny famelezana tsy misy indrafo any amin’ny tambazotra ifaneraserana sy mivantana izao izay mihatra amin’ireo izay mikatsaka ny hitandrina ny fitsipiky ny Tompo momba ny fitafiana sy ny fialamboly ary ny fahadiovana ara-pitondrantena. Matetika ireo zatovo sy tanora eo anivon’ny olomasina, sy ireo vehivavy sy reny ihany koa, no mitondra io hazofijalian’ny fanesoana sy fanenjehana io. Tsy mora ny mandresy fanararaotana toy izany, saingy tsarovy ny tenin’i Petera manao hoe: “Sambatra hianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy, fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’ Andriamanitra, mipetraka ao aminareo: amin’izy ireo Izy dia haratsiana, saingy aminareo kosa Izy dia homena voninahitra.”19
Tao amin’ny saha Edena i Adama sy i Eva dia tao anatin’ny “toetry ny tsy fananan-tsiny, tsy nanam-pifaliana satria tsy nahalala fahoriana.”20 Ankehitriny amin’ny maha-olona tompon’andraikitra antsika dia mahita fifaliana isika rehefa mandresy ny fahoriana amin’ny endriny rehetra, na izany fahotana, na fitsapana, na fahalemena, na zavatra hafa manakantsakana ny fahasambarana. Izany no ilay fifaliana avy amin’ny fahatsapana fivoarana eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra, ilay fifaliana azo “rehefa nandray ny famelana … ny fahotany sy nahazo fiadanan-tsaina”;21 ilay fifaliana avy amin’ny fahatsapana ny firoboroboana sy fitomboan’ny finoana amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy.22
Ny fifaliana avy amin’ny fanompoana tahaka ny nanompoan’i Kristy
Ny Mpamonjy dia mahita fifaliana amin’ny fanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizaintsika.23 Raha niresaka momba ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ny Filoha Russell M. Nelson dia hoy izy:
“I Jesoa Kristy no ohatra lafatra indrindra ho antsika amin’ny zavatra rehetra, -izay naharitra ny hazo fijaliana mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany.- [Hebreo 12:2]. Eritrereto tsara anie izany! Mba hizakana ny zavatra sarotra indrindra niainana teto ambonin’ny tany, ny Mpamonjintsika dia nifantoka tamin’ny fifaliana!
“Ary inona ilay fifaliana izay napetraka teo anoloany? Azo antoka fa izany dia nahitana ny fifaliana avy amin’ny fanadiovana, fanasitranana, ary fampatanjahana antsika; ny fifaliana avy amin’ny fanefana ny fahotan’ny olona rehetra izay mibebaka; ny fifaliana avy amin’ny fanaovana izay hahafahantsika sy ianao mandeha mody—madio sy mendrika—mba hiaina miaraka amin’ireo Ray aman-dRenintsika any An-danitra sy ireo fianakaviantsika.”24
Toy izany koa, ny fifaliana “napetraka eo anoloantsika” dia ilay fifaliana avy amin’ny fanampiana ny Mpamonjy amin’ny asa fanavotana ataony. Amin’ny maha-taranaka sy zanak’i Abrahama antsika,25 dia mandray anjara isika amin’ny fitahiana ny fianakaviana rehetra maneran-tany amin’ny “fitahian’ny Filazantsara, izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay.”26
Tonga ato an-tsaiko ireo tenin’i Almà hoe:
“Izao no reharehako dia ny hahatonga ahy angamba ho fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra ka hitondra ny fanahy sasany hankamin’ny fibebahana, ary izany no fifaliako.
“Ary indro, rehefa mahita ny maro amin’ny rahalahiko mivalo marina tokoa aho sy manatona ny Tompo Andriamaniny, amin’izany ny fanahiko dia heniky ny fifaliana. …
“Nefa tsy mifaly amin’ny fahombiazako irery aho, fa ny fifaliako kosa dia feno kokoa noho ny fahombiazan’ny rahalahiko izay efa niakatra tany an-tanin’i Nefia.
“Ankehitriny, rehefa mieritreritra ny fahombiazan’ireto rahalahiko ireto aho, dia lasalasa ny fanahiko, toy ny misaraka amin’ny vatana mihitsy, fa lehibe loatra ny fifaliako.27
Ny vokatry ny asa fanompoana ifanaovantsika ato am-piangonana no anisan’ny fifaliana “napetraka eo anoloantsika.” Na dia amin’ny fotoam-pahakiviana na fitaintainana aza dia afaka manompo amim-paharetana isika rehefa mifantoka amin’ilay fifaliana amin’ny fanaovana izay mahafaly an’ Andriamanitra sy ny fitondrana fahazavana, sy fanampiana ary fahasambarana ho an’ireo zanany, dia ireo rahalahy sy ranabavintsika.
Raha tany Haïti ny Loholona David A. Bednar sy Rahavavy Susan vadiny tamin’ny volana lasa, ho fitokanana ny tempolin’i Port-au-Prince, dia nihaona tamin’ny tovovavy iray izay maty vady vao tsy ela noho ny lozam-pifamoivoizana izy ireo. Niara-nitomany taminy izy ireo. Kanefa ny alahady dia tonga tamin’ilay fitokanana ity rahavavy mahafinaritra ity nanompo ho mpandray vahiny niaraka tamin’ny tsiky malefaka sy nandray ireo rehetra izay niditra ilay tempoly.
Mino aho fa ny “fifalian’ny olomasina” faratampony dia tonga avy amin’ny fahafantarana fa ny Mpamonjy dia miady ho azy ireo,28 “ary tsy misy afaka misaintsaina ny fifaliana izay [h]ameno ny fanahinay tamin’ny fotoana nandrenesanay [an’i Jesoa] nivavaka tamin’ny Ray ho anay.”29 Miaraka amin’ny Filoha Russell M. Nelson aho dia mijoro ho vavolombelona fa ny fifaliana dia fanomezana ho an’ireo Olomasina mahatoky “ izay efa niaritra ny fanenjehan’izao tontolo izao”30 sy izay miezaka “amin’ny nahim-po mba hiaina fiainana araka ny fahamarinana, araka ny nampianaran’i Jesoa Kristy.”31 Enga anie mba ho feno ny fifalianareo, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.