Ny fikasihan’ny Mpamonjy
Rehefa manatona Azy isika dia ho avy hanavotra antsika Andriamanitra, na mba hanasitrana antsika na hanome antsika ny hery hiatrehana izay toe-javatra misy.
Tokotokony ho 2.000 taona lasa izay dia nidina avy teny ambonin’ny tendrombohitra ny Mpamonjy rehefa avy nampianatra ny Fahasambarana sy ireo fitsipiky ny filazantsara hafa. Rehefa nandeha Izy dia nanatona Azy ny lehilahy iray nararin’ny habokana. Naneho fanajana lalina ilay lehilahy rehefa niankohoka teo anatrehan’i Kristy, mba hikatsaka fanamaivanana amin’ny fahoriany. Tsotra ny fangatahany: “Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.”
Dia naninjitra ny tanany ny Mpamonjy ary nikasika azy dia niteny hoe: “Mety Aho; madiova hianao.”1
Mianatra isika eto fa te hitahy antsika mandrakariva ny Mpamonjy antsika. Mety ho tonga avy hatrany ny fitahiana sasany, mety ho elaela kokoa ny sasany, ary mety ho tonga aorian’izao fiainana izao mihitsy aza ny sasany, kanefa ho tonga amin’ny fotoany ireo fitahiana.
Tahaka ilay boka, isika dia afaka mahazo hery sy fampiononana eto amin’ity fiainana ity amin’ny alalan’ny fanekena ny sitrapony sy ny fahafantarana fa te-hitahy antsika Izy. Afaka mahazo hery hiatrehana izay mety ho olana, sy handresena fakam-panahy, ary hahatakarana sy hiaretana ny zava-miseho eo amin’ny fiainantsika isika. Azo antoka fa tao anatin’ny fotoana navesatra indrindra teo amin’ny fiainany dia nitombo ny herin’ny Mpamonjy mba hiaritra rehefa niteny Izy hoe “Aoka ny sitraponao no hatao.”2
Tsy nangataka tamin’ny fomba tafahoatra sy tamim-pitakiana zavatra be ilay boka. Maneho fihetsika feno fanetren-tena omban’ny fanantenana lehibe ny teniny, kanefa niaraka tamin’ny faniriana tamin-kitsim-po ihany koa mba ho ny sitrapon’ny Mpamonjy no atao. Ohatra amin’ny fihetsika tokony hanatonantsika an’i Kristy izany. Afaka manatona an’i Kristy amin’ny fahazoana antoka isika fa ny faniriany amin’izao fotoana izao sy ho mandrakariva dia ny tsara indrindra ho an’ny fiainantsika eto an-tany sy mandrakizay. Manana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izay tsy ananantsika Izy. Tsy maintsy manatona an’i Kristy amin’ny faniriana amin-kitsim-po isika mba ho voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray tahaka ny Azy ny antsika.3 Hanomana antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay izany.
Sarotra be ny maka sary an-tsaina ny fijaliana ara-batana sy ara-pihetseham-po nitambesatra tao amin’ilay boka izay nanatona ny Mpamonjy. Mamely ny hoza-ketsika sy ny hoditra ny habokana, ka miteraka fahasimban’ny endrika sy fahasembanana. Ankoatra izay dia mitondra ho amin’ny fahafaham-baraka lehibe eo anivon’ny fiarahamonina izany. Ny olona voan’ny habokana dia tsy maintsy nandao ireo havan-tiany ary nitoka-monina. Noraisina ho toy ny maloto ny boka, na ara-batana izany na ara-panahy. Noho izany antony izany dia notakian’ny lalàn’i Mosesy ny hanaovan’ny boka akanjo voro-kitsay sy hiantsoantsoany hoe “Maloto e!” rehefa mandeha izy ireo.4 Noho izy ireo marary sy nankahalaina dia tany amin’ireo trano haolo sy fasana no nipetrahan’ireo boka nony farany.5 Tsy sarotra ny maka sary an-tsaina fa torotoro ara-batana sy ara-panahy ilay boka izay nanatona ny Mpamonjy.
Na toy ny ahoana na toy ny ahoana dia mety hahatsapa ho torotoro ihany koa isika, na izany vokatry ny zavatra ataontsika ihany na ataon’ny hafa, na vokatr’ireo toe-java-misy izay azontsika na tsy azontsika fehezina. Amin’ny fotoana toy izany dia afaka mametraka ny sitrapontsika eo an-tanany isika.
Taona maro lasa izay no nahazo vaovao sarotrarotra roa herinandro fotsiny mialohan’ny fanambadian’ny iray tamin’ireo zanakay i Zulma vadiko, tsara tarehy, ilay ilako tsara indrindra. Nisy kyste tao amin’ny parotide an’ilay vadiko, ary nitombo haingana izany. Nanomboka nivonto ny tarehiny, ary tsy maintsy nandalo fandidiana saropady avy hatrany izy. Maro ny eritreritra tonga tao an-tsainy sy nampanahy azy. Homa-miadana ve io fivontosana io? Ahoana no hahasitranan’ny vatany? Ho lasa malemy ve ny tarehiny? Ho toy ny ahoana ny halehiben’ny fanaintainana? Hisy holatra mandra-maty ve ny tarehiny? Hiverina ve ilay fivontosana rehefa avy nesorina? Ho afaka ny hanatrika ny fanambadian’ny zanakay lahy ve izy? Nahatsapa ho trotraka izy rehefa natory tao amin’ny efitrano fandidiana.
Tamin’izay fotoana tena manan-danja izay, dia nibitsika taminy ny Fanahy fa tsy maintsy nanaiky ny sitrapon’ny Ray izy. Nanomboka teo dia nanapa-kevitra ny hametraka ny fitokisany amin’ Andriamanitra Izy. Tena tsapany nahery vaika tokoa fa na inona na inona no vokany, ny Sitrapony no tsara indrindra ho azy. Vetivety izy dia niharendrika noho ny fampatoriana natao azy mialoha ny fandidiana.
Taty aoriana dia nanoratra tamin’ny fomba kanto tao amin’ny diariny izy hoe: “Raha teo an-databatry ny mpandidy aho dia niankohoka teo anatrehanao ary nanaiky ny sitraponao, dia tafatory aho. Fantatro fa afaka natoky Anao aho noho ny fahafantarako fa tsy misy fa tsy misy zavatra ratsy avy Aminao.”
Nahazo hery sy fampiononana avy tamin’ny fandeferana ny sitrapony eo anatrehan’ny sitrapon’ny Ray izy. Nanome azy fitahiana lehibe tokoa Andriamanitra tamin’izay andro izay.
Na inona na inona no mety ho toe-javatra iainantsika dia afaka mampihatra ny finoantsika isika mba hanatona an’i Kristy, dia hahita Andriamanitra azontsika itokiana isika. Araka ny nosoratan’i Gabriel, iray tamin’ireo zanako, indray mandeha izay:
Araka ny voalazan’ny mpaminany dia mamiratra noho ny masoandro ny tavan’ Andriamanitra
Ary fotsy noho ny oram-panala ny volony
ary mirohondrohona toy ny rano manonja ny feony,
Ary tsinontsinona ny olona raha mitaha Aminy. …
Torotoro aho rehefa tonga saina fa izaho koa dia tsinontsinona.
Ary tamin’izay aho vao namindra tamim-pahavotsana nankany amin’ny andriamanitra iray azoko itokiana.
Ary tamin’izay aho vao nahafantatra ilay Andriamanitra azoko itokiana.6
Ny Andriamanitra izay azontsika itokiana dia afaka mankahery ny fanantenantsika. Afaka matoky Azy isika satria tia antsika Izy ary maniry izay zavatra tsara indrindra ho antsika amin’ny toe-javatra rehetra.
Ny herin’ny fanantenana no nahatonga ilay boka hanatona. Tsy nanome vahaolana ho azy izao tontolo izao, na dia fampaherezana aza. Noho izany dia tsy maintsy hoe toy ny safosafo ho an’ny fanahiny manontolo ilay fikasihana tsotra nataon’ny Mpamonjy. Ny hany azontsika atao dia ny maka sary an-tsaina ny fahatsapana fankasitrahana lalina izay tsy maintsy tsapan’ilay boka tamin’ny nikasihan’ny Mpamonjy azy, indrindra fa rehefa nahare ilay teny hoe “Mety Aho; madiova hianao” izy.
Milaza ilay tantara fa “nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy.”7
Afaka mahatsapa ny fikasihan’ny tanana be fitiavana sy manasitran’ny Mpamonjy ihany koa isika. Endrey ny fifaliana sy fanantenana ary ny fankasitrahana tonga ao anatintsika rehefa fantatsika fa te hanampy antsika mba hadio Izy. Rehefa manatona Azy isika dia ho avy hanavotra antsika Andriamanitra, na mba hanasitrana antsika na hanome antsika ny hery hiatrehana izay toe-javatra misy.
Na izany aza, ny fanekena ny sitrapony, fa tsy ny antsika, dia hanampy antsika hahatakatra ny toe-javatra iainantsika. Tsy misy zavatra ratsy avy amin’Andriamanitra. Fantany izay tsara indrindra ho antsika. Mety tsy hoesoriny eo no ho eo angamba ny enta-mavesatsika. Indraindray dia afaka manao izay hahamaivana kokoa ireny enta-mavesatra ireny Izy, tahaka izay nataony tamin’i Almà sy ny olony.8 Amin’ny farany, noho ny fanekempihavanana, dia hoesorina ireo enta-mavesatra,9 na eto amin’ity fiainana ity na amin’ny Fitsanganana amin’ny maty masina.
Ny faniriana amin-kitsim-po mba ho ny sitrapony no hatao, miaraka amin’ny fahatakarana ny toetra araka an’Andriamanitra ananan’ny Mpanavotra antsika, dia manampy antsika hanana ilay karazana finoana nasehon’ilay boka mba ho voadio. I Jesoa Kristy dia Andriamanitry ny fitiavana, Andriamanitry ny fanantenana, Andriamanitry ny fanasitranana, Andriamanitra maniry ny hitahy antsika sy hanampy antsika mba ho madio. Izany no niriany talohan’ny nankanesany teto amin’ity tany ity rehefa nanolo-tena ny hamonjy antsika Izy rehefa lavo noho ny fandikan-dalana isika. Izany no niriany tao Getsemane rehefa niatrika fanaintainana tsy takatry ny sain’olombelona Izy nandritra ny fijaliany noho ny fanefana ny saran’ny fahotana. Izany no iriany amin’izao fotoana izao rehefa miaro antsika eo anatrehan’ny Ray Izy.10 Izany no mbola hanohizany ilay fanasana hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.”11
Afaka manasitrana antsika sy mampitraka antsika Izy satria manana ny fahafahana hanaovana izany. Nitondra teo Aminy ny fanaintainan’ny vatana sy ny fanahy rehetra Izy mba ho feno famindram-po ny kibony mba hahafahany manampy antsika amin’ny zavatra rehetra sy hanasitrana antsika ary hampitraka antsika.12 tamin’ny fomba kanto sy mampihetsi-po no nilazan’ny tenin’i Isaia izany, araka izay notanisain’i Abinadia hoe:
“Nitondra marina tokoa ny fahoriantsika Izy ary nivesatra ny alahelontsika. …
“… Nefa Izy dia noratraina noho ny fandikantsika lalàna, notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahatra taminy no nahazoantsika fiadanana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika.”13
Ampianarina ato amin’ity tononkalo ity io hevitra io:
“Ry mpandrafitra avy ao Nazareta ô,
Ity fo maratra tsy mety sitranina,
Ity fiainana trotraka amoron-tevana,
Azonao amboarina ve izy ireo ry Mpandrafitra ô?
Ary amin’ny tanany feno hamoram-panahy sy vonon-kanampy,
No mampifaningotra ny fiainany mamy
Amin’ny fiainantsika izay efa rava, mandra-piarahan’ny fiainantsika sy ny Azy miarina
Ho Voary Vaovao—”havaozi[na] ny zavatra rehetra.”
“Ireo hetahetam-po izay tsy tanteraka,
Faniriana, tanjona, fanantenana, ary finoana,
Mba tanteraho ho lavorary,
Ry mpandrafitra avy ao Nazareta ô!”14
Raha tsapanao fa tsy madio ianao na amin’ny fomba ahoana na ahoana, raha mahatsapa ho torotoro ianao, dia aoka ho fantatrao fa azo diovina ianao, azo amboarina ianao satria tiany ianao. Matokia fa tsy misy zavatra ratsy avy Aminy.
Satria “[nidina] … ho ambanin’ ny zava-drehetra”15 Izy, dia ataony izay hahafahana manamboatra ny zavatra rehetra izay rava teo amin’ny fiainantsika, ka noho izany dia azo hampihavanina amin’ Andriamanitra isika. Amin’ny alalany no hampihavanana ny zavatra rehetra, na ny ety an-tany na ny any an-danitra, ka mampisy ny fampihavanana amin’ny alalan’ny “ràny teo amin’ny hazo fijaliana.”16
Ndeha isika hanatona an’i Kristy ka hanao ny dingana ilaina rehetra. Rehefa manao izany isika, dia enga anie ny toe-tsaintsika mba ho ilay miteny hoe “Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.” Raha manao izany isika dia afaka mahazo ny fikasihana manasitran’ny Tompo, miaraka amin’ny feony mahafinaritra manao hoe: “Mety Aho, madiova hianao.”
Andriamanitra azontsika itokiana ny Mpamonjy. Izy no Kristy, ilay Voahosotra, ilay Mesia izay hijoroako ho vavolombelona amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.