2019
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-189
Nôvambra 2019


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-189

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nanao lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia nanolotra ombieny ombieny ilay fanasana mba hahatongavana: hahatongavana ho sambatra kokoa, hahatongavana ho masina kokoa, hahatongavana tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa, ary ny hanampy ny hafa hanao torak’izany koa.

Ankoatra izay dia nataon’izy ireo izay hahatonga izany fanovana izany ho azontsika tsirairay avy handraisana anjara.

“Tian’ny Tompo ireo zanany rehetra handray anjara amin’ireo fitahiana omena any amin’ny tempoly,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson. “… Ny fahamendrehan’ny tena manokana mba hiditra ny tranon’ny Tompo dia mitaky fiomanan’ny tena manokana ara-panahy be dia be. Kanefa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia tsy misy zavatra tsy azo tanterahana.”

Mitady fahasambarana sy fahamasinana

Nanasa antsika tsirairay avy ny Filoha Nelson mba ho mendrika hahazo ireo fitahian’ny tempoly (jereo ny pejy 120).

Ny Filoha Henry B. Eyring dia nanazava ny fifandraisana eo amin’ny fahamasinana mitombo sy ny fahasambarana mitombo (jereo ny pejy 100).

Ny Loholona D. Todd Christofferson dia nampianatra antsika ny fomba hahitana “ny fifalian’ny olomasina” (jereo ny pejy 15).

Fanasana mba hitia sy hizara

Ny Filoha Nelson dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ny namantsika ary nanazava ny asa fanasoavana olona ataon’ny Fiangonana izay mipaka ihany koa any amin’ireo olona hafa ankoatra ny mpikamban’ny (jereo ny pejy 96).

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanazava ny herin’ny fanasana ny hafa ho avy ka hijery (jereo ny pejy 86).

Nanoritsoritra ny fifaliana avy amin’ny fizarana ny filazantsara Rahavavy Cristina B. Franco (jereo ny pejy 83).

Fanamafisana orina ny zatovo

Nampahafantatra fanovana eo amin’ireo rafitry ny zatovo ny mpaminany izay hamporisika ireo zatovo ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy sy ireo kilasy mba hijoro sy hitarika (jereo ny pejy 38).

Natolotry ny Loholona Quentin L. Cook ny fomba fitantanana ny Fisoronana Aharôna (jereo ny pejy 40).

Rahavavy Bonnie H. Cordon dia nizara ireo fanovana amin’ny rafitry ny Zatovovavy (jereo ny pejy 67).

Manorina tempoly; Mampiorina antsika

Nanambara tempoly vaovao miisa valo ny Filoha Nelson nandritra ny fivoriamben’ny vehivavy (jereo ny pejy 120).

Ny alahady tolakandro izy dia nampianatra momba ny fahamendrehana hiditra ny tempoly ary nampahafantatra mikasika ny fanavaozana ireo fanontaniana hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny pejy 120).

Hamoaka printy