Mamela ny fanahintsika hifehy ny vatantsika
Iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika ianarana eto amin’ity fiainana ity ny fomba hampisongadinana ny toetrantsika mandrakizay ara-panahy sy hifehezana ny faniriana ratsintsika.
Ry rahalahy sy anabavy malalako, rehefa nanakaiky ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana ôktôbra tamin’ny taon-dasa dia nanomana ny lahateniko aho mba hampisongadinana ny faha-100 taonan’ny fahitana ny tontolon’ny fanahy izay nomena ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny 3 ôktôbra 1918.
Andro vitsivitsy taorian’ny nandefasako ny lahateniko mba hadika dia nahavita ny fisedrana azy teto an-tany i Barbara vadiko mandrakizay ka lasana tany amin’ny tontolon’ny fanahy.
Rehefa nandeha teny ny andro, ny herinandro, ny volana, ary izao herintaona taorian’ny nahalasana an’i Barbara dia lasa nankasitraka tanteraka izao soratra masina izao aho: “Ianareo dia hiara-honina amim-pitiavana, ka hitomany ny famoizana an’izay maty.”1 Tena voatahy izaho sy i Barbara fa “niara-nonina tamim-pitiavana” nandritra ny 67 taona. Saingy nianatra tamin’ny fomba tena mivaingana ny dikan’ny hoe “mitomany ny famoizana” an’ireo olon-tiantsika aho. Tena tiako izy ary malahelo azy aho!
Mino aho fa ny ankamaroantsika dia tsy mankasitraka ny zavatra ataon’ny hafa amintsika raha tsy efa lasana izy ireo. Fantatro fa be atao foana i Barbara, saingy tsy takatro tanteraka ny fangatahana tsy tapaka nataon’ny fianakaviana sy ny Fiangonana ary ny fiarahamonina mba hahazo amin’ny fotoany. Nisy ezaka isan’andro feno fanolorantena niverimberina an’arivony nandritra ireo taona izay nihazona ny fianakavianay tsy ho rava. Ary teo anivon’izany rehetra izany dia tsy nisy na iza na iza tao amin’ny fianakavianay nahare azy nampiaka-peo na nilaza zavatra tamin-karatsiam-panahy.
Nisy fahatsiarovana betsaka tonga tato an-tsaiko tamin’iny taon-dasa iny. Nieritreritra momba ny safidy mitaky herim-batana izay nataony aho, dia ny ho renin’ny zanaka miisa fito. Mpikarakara tokantrano no asa niriny hatrizay, ary tena matihanina tamin’izany izy.
Matetika aho no nanontany tena hoe ahoana no nahavitany nikarakara ahy sy ireo zanakay. Ny fikarakarana sakafo fotsiny dia asa mandreraka, raha tsy hilaza ireo zavatra atao toy ny manasa ireo lamba mivangongo nolotoinay mianakavy tao anatin’ny herinandro, ny mampanao kiraro sy akanjo antonona an’ireo ankizy. Nitodi-doha tany aminy izahay tamin’ny zavatra maro hafa izay nanan-danja taminay. Ary satria nanan-danja taminay izany dia nanan-danja taminy ihany koa. Raha lazaina amin’ny teny iray dia mahafinaritra izy, amin’ny maha-vady, reny, namana, mpiara-belona, ary zanakavavin’ Andriamanitra azy.
Amin’izao efa nahalasana azy izao dia faly aho fa nisafidy ny hipetraka teo anilany isaky ny tonga tao an-trano avy any amin’ny birao nandritra ireo volana vitsy farany niainany, mba hihazona ny tanany teo am-pijerenay ny fiafaran’ny sasany amin’ireo rindran-kira tiany indrindra, sady mamerina izany ombieny ombieny noho izy voan’ny Alzheimer ka tsy mahatadidy hoe vao avy nijery izany izy ny tolakandro teo. Tena sarobidy amiko ny fahatsiarovana ireo fotoana nifampihazonanay tanana ireo.
Ry rahalahy sy anabavy, aza avela handalo fotsiny ny fahafahana haneho fitiavana ireo olona ao amin’ny fianakavianareo. Ry ankizy sy ray aman-dreny, mifanolora tanana ianareo ary mifanehoa fitiavana sy fankasitrahana. Tahaka ahy dia mety hisy koa ny sasany aminareo hifoha indray andro any ka hahatsikaritra fa efa lasana ny fotoana tokony nanatanterahana fifandraisana manan-danja toy izany. Miaraha miaina isan’andro miaraka amin’ny fo feno fankasitrahana, sy fahatsiarovana mahafinaritra, sy fanompoana, ary fitiavana bebe kokoa.
Nandritra iny taona lasa iny dia nisaintsaina lalina mihoatra ny efa nataoko hatrizay aho mahakasika ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Raha nampianatra an’i Kôriantona zanany lahy i Almà dia nolazainy hoe “ny drafitra lehiben’ny fahasambarana” izany.2
Ny teny tonga ato an-tsaiko foana rehefa mandinika ilay drafitra aho dia ny hoe “fihaonana indray.” Drafitra izany, izay novolavolain’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana, izay misy ny fahafahana lehibe sy faran’izay tsara eo anivony ho an’ny fianakaviana mba hihaona indray, fihaonana mandrakizain’ny mpivady, ray aman-dreny sy ny zanaka, taranaka mifandimby ao an-tranon’ Andriamanitra.
Mitondra fankaherezana sy toky ho ahy izany eritreritra izany fa mbola hihaona amin’i Barbara indray aho. Na dia nijaly aza ny vatany tamin’ny fiafaran’ny fiainany, dia natanjaka sy tsara ary nadio ny fanahiny. Efa niomana izy ny amin’ny zava-drehetra ka rehefa tonga ny fotoana dia afaka mijoro eo anatrehan’ny “toeram-pitsarana mahafinaritra izay an’ Andriamanitra”3 izy, sady feno fahatokian-tena sy fiadanana. Saingy inty aho, afaka roa andro dia 91 taona, ary mbola manontany tena hoe “Vonona ve aho? Manao izay rehetra ilaiko atao ve aho mba hahafahako hihazona ny tanany indray?”
Ny zavatra fototra sy tsotra momba ny fiainana dia izao: Tsy maintsy ho faty avokoa isika rehetra. Na maty efa antitra isika na tanora, na mora na sarotra, na manan-karena na mahantra, na tian’olona na manirery, dia tsy misy afaka mitsoaka ny fahafatesana.
Taona vitsy lasa izay ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nilaza zavatra izay manan-danja manokana momba izany: “Akory ny hamamin’ny toky azo, ary akory ny fiononana azo avy amin’ny fahalalana fa rehefa manambady ny tsara isika sy miaina amim-pahamarinana, dia hitohy hatrany ny fiarahana ananantsika, na dia eo aza ny fahafantarana fa tsy maintsy ho faty ary mandalo ihany ny fotoana.”4
Azo antoka fa nanambady ny tsara aho. Tsy azo ihodivirana ny amin’izany. Saingy tsy ampy izany, araka ny nambaran’ny Filoha Hinckley. Mila miaina amim-pahamarinana ihany koa aho.5
Ankehitriny ny hoe “miaina amim-pahamarinana” dia mety ho foto-kevitra somary mampisafotofoto, indrindra rehefa mandany fotoana eny amin’ny tambazotran-tserasera ianao, izay mety hilazan’ny rehetra ny tena fahamarinana na foto-kevitra diso momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny ho an’ireo zanany. Soa ihany fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia manana fitsipiky ny filazantsara izay marina mandrakizay mba hahalalana ny fomba fiainana mba hahafahantsika ho vonona tsara rehefa maty.
Volana vitsivitsy monja talohan’ny nahaterahako, ny raibeko izay Apôstôly, ny Loholona Melvin J.Ballard, dia nanao lahateny iray izay, ho an’ny olona sasany, dia nanazava ny tena dikan’ny hoe miaina amim-pahamarinana Io lahateniny io izay nitondra ny lohateny hoe “The Struggle for the Soul” (Ny tolona ho an’ny fanahy) dia nifantoka tamin’ny ady tsy mety tapitry ny vatantsika ara-nofo sy ny fanahintsika mandrakizay.
Hoy izy: “Ny ady lehibe indrindra hatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay … dia ny ady izay misy ao anatin’ny tena,” izay manazava fa i Satana (ilay fahavalon’ny fanahintsika) dia manafika antsika amin’ny alalan’ireo “fitsiriritana sy filana ary nofinofin’ny vatana.”6 Koa ny tena ady dia ifanaovan’ny maha-olona araka an’ Andriamanitra sy ara-panahy antsika sy ny maha-olona araka ny nofo antsika. Ry rahalahy sy anabavy, tsarovy fa afaka mahazo fanampiana ara-panahy isika amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay “hampianatra anareo ny zavatra rehetra.”7 Afaka ny ho tonga amin’ny alalan’ny hery sy ireo fitahian’ny fisoronana koa ny fanampiana.
Ankehitriny manontany aho hoe: “Ahoana ny fandehan’izany ady izany eo aminareo tsirairay?”
Hoy ny Filoha David O. McKay: “Ny fisian’ny olona eto an-tany dia ny hotsapaina fotsiny mba hahitana raha toa ka hampifantoka ny zavatra ataony sy ny eritreriny ary ny fanahiny amin’ireo zavatra izay mahatanteraka ny fahafinaretana sy ny fahafaham-pon’ny maha-araka ny nofo azy izy, na hanao [tanjona] eo amin’ny fiainana ny fahazoana ireo toetra ara-panahy.” 8
Io ady eo amin’ny toetra maha-araka ny nofo sy ny toetra ara-panahy io dia tsy zavatra vaovao. Tao amin’ny lahateny farany nataony tamin’ireo vahoakany ny Mpanjaka Benjamina dia nampianatra “fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra ary efa toy izany hatramin’ny fahalavoan’i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.”9
Nampianatra ny Apôstôly Paoly “fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
“Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana.”10
Mazava amiko fa ny iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika ianarana eto amin’ity fiainana ity dia ny fomba hampisongadinana ny toetrantsika mandrakizay ara-panahy sy hifehezana ny faniriana ratsintsika. Tsy tokony ho sarotra izany. Raha ny marina, ny fanahintsika izay efa niaina taloha kokoa noho ny vatantsika, dia efa nahomby tamin’ny fisafidianana ny tsara teo anatrehan’ny ratsy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Talohan’ny nanamboarana ny tany dia niaina tany amin’ny tontolon’ny fanahy tamin’ny naha-zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray aman-dReny any An-danitra, izay tia antsika sy mbola tia antsika amin’izao isika.
Ary marina fa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra sy nanao safidy nanova fiainana isika tao amin’izany fiainana talohan’ny nahaterahana izany. Ny olona tsirairay izay niaina sy mbola hiaina eto amin’ity planeta ity dia nandray fanapahan-kevitra manan-danja ny hisafidy ny hanaiky ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena antsika. Noho izany dia tonga teto an-tany isika rehetra miaraka amin’ny porofo manamarina ny toetra ara-panahy mahomby sy tanjona mandrakizay.
Eritrereto kely ange izany e! Ianao dia tena izany mihitsy ary efa izany hatrizay: zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fototra ara-panahy ao amin’ny mandrakizay sy hoavy feno fahafahana tsy manam-petra. Ianao dia olona ara-panahy voalohany indrindra, ary ho izany foana mandrakariva. Koa rehefa misafidy ny hametraka ny maha-olona araka ny nofo ho ambonin’ny maha-olona ara-panahy antsika isika dia misafidy zavatra mifanohitra amin’ny tena toetrantsika marina ara-panahy.
Na izany aza dia tsy isalasalana fa ny nofo sy ny fironan’izao tontolo izao dia manasarotra ny fandraisana fanapahan-kevitra. Noho ny voalin’ny fanadinoana izay manasaraka ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana sy ity tontolo ity dia mety ho hadinontsika ny fifandraisantsika tamin’ Andriamanitra sy ny toetrantsika ara-panahy, ary mety hibahan-toerana amin’ny zavatra ilaintsika izaony toetra maha-olona araka ny nofo antsika. Ny fianarana ny hisafidy ireo zavatry ny Fanahy fa tsy ny zavatry ny nofo no iray amin’ireo antony voalohany mahatonga ity fiainana an-tany ity ho tafiditra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Izany ihany koa no antony mahatonga ilay drafitra hiorina eo ambonin’ny fototra mafy sy azo antoky ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy, ka ireo fahotantsika, tafiditra amin’izany ireo fahadisoana nataontsika rehefa manaraka ny nofo isika, dia azo resena amin’ny alalan’ny fibebahana tsy tapaka ary afaka miaina ao anatin’ny fifantohana amin’ny ara-panahy isika. Izao no fotoana tokony hamehezana ny fanirian’ny vatantsika ka hanaraka ny fotopampianaran’i Kristy izay masina. Izany no antony mahatonga antsika tsy hanemotra ny andron’ny fibebahantsika.11
Ny fibebahana noho izany no lasa fiadiana manan-danja amin’ny ady ataontsika amin’ny tenantsika. Vao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo ny Filoha Russell M. Nelson no niresaka momba io ady io ary nampahatsiahy antsika fa “rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy!”12
Isaky ny alina rehefa mamerina mijery ny tontolo androko amim-bavaka amin’ny Raiko any An-danitra aho dia mangataka ny hamelana ahy raha toa ka nanao zavatra tsy mety ary mampanantena ny hiezaka ny ho tsaratsara kokoa ny ampitso. Mino aho fa io fibebahana isan’andro tsy tapaka io dia manampy ny fanahiko hampahatsiahy ny vatako hoe iza no miahy ahy.
Ny loharano iray hafa dia ny fahafahana ananantsika rehetra isan-kerinandro hanavao ara-panahy ny tenantsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny Sorompanavotana sy ny fitiavana tonga lafatra atolotr’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.
Ry rahalahy sy anabavy, mamporisika anareo aho mba hilamina kely ka handinika hoe aiza izao ianareo amin’ny fandresena ny toetranareo araka ny nofo sy ny fampantanjahanareo ny toetranareo ara-panahy avy any an-danitra, ka rehefa tonga ny fotoana, dia afaka hifindra any amin’ny tontolon’ny fanahy mba hihaona amim-pifaliana amin’ireo olon-tianareo ianao, izay ijoroako ho vavolombelona sy vavaka ataoko amim-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.