2019
Mahafantatra sy mitia ary mitombo
Nôvambra 2019


Mahafantatra sy mitia ary mitombo

Enga anie isika hahatakatra ny anjarantsika eo amin’ity asa fanompoana lehibe ity mba hahatongavantsika ho tahaka Azy bebe kokoa.

Tamin’ny taona 2016 dia tonga nitsidika an’i Pays-Bas sy Belgique ny Amboarampeon’ny Tabernakely avy eto Temple Square. Ary noho izaho tafiditra tao anatin’io hetsika mampientanentana io dia nanana fahafahana ny hankafy in-droa ny fampisehoana nataon’izy ireo aho.

Mpively ampongabe vy

Nandritra io fampisehoana io dia nieritreritra aho hoe tena fahasahiranam-be ny fitondrana io amboarampeo goavana io mitety faritra. Lasa saina aho nieritreritra ilay ampongabe vy izay azoko antoka fa sarotra sy lafo tokoa ny fitaterana azy raha oharina amin’ny lokanga sy ny trompetra ary ireo zava-maneno hafa izay azonareo entina mora foana eny an-tanana. Kanefa rehefa nandinika ny tena fampiasana io ampongabe vy io aho dia im-bitsy ihany izy io no novelesina, raha ireo zava-maneno madinika hafa rehetra kosa nefa dia im-betsaka no nampiasaina tao anatin’ilay fampisehoana. Tonga saina aho fa tsy ho nitovy mihitsy ny fivoakan’ny fampisehoana raha tsy nisy ny fidobok’io ampongabe vy io, ka noho izany dia tsy maintsy natao ny ezaka nitaterana ity ampongabe vy ity nitety ny lalana rehetra namakivaky ny ranomasimbe.

Mpively ampongabe vy miaraka amin’ny ôrkesitra

Indraindray isika dia mety mahatsapa tena ho toy io ampongabe vy io, tsy mahavita afa-tsy kely fotsiny ao anatin’ilay fampisehoana. Saingy mamelà ahy hilaza aminao fa ny fanenonao no manova ny zava-drehetra.

Ilaintsika ny zava-maneno rehetra. Ny sasany amintsika dia mora mianatra sy mahay tsara any an-tsekoly, raha ny hafa kosa dia manan-talenta ara-javakanto. Ny sasany dia mamorona sy manangana zavatra, na mikolokolo sy miaro, na mampianatra ny hafa. Ilaina daholo isika rehetra mba hanome loko sy lanja an’ity tontolo ity.

Ho an’ireo izay mahatsapa fa tsy manana na inona na inona atolotra, na mino fa tsy misy lanjany izy ireo na fiantraikany na amin’iza na amin’iza, ho an’ireo hafa izay mety ho mahatsapa fa efa lafatra ny fiainany ary ireo hafa rehetra eo anelanelan’ireo no tiako hizarana ity hafatra ity.

Na aiza na aiza misy anareo eo amin’ny lalam-piainana, ny sasany aminareo dia mety ho mahatsapa ho mizaka enta-mavesatra loatra ka tsy mihevi-tena akory hoe eo amin’io lalana io. Te hanasa anao aho hiala ny haizina hankamin’ny fahazavana. Ny fahazavan’ny filazantsara dia hanome hafanana sy fahasitranana ary hanampy anao hahatakatra hoe iza marina moa ianao ary inona no tanjonao eto amin’ity fiainana ity.

Ny sasany amintsika dia nirenireny teny amin’ireo lalana tsy azo aleha miezaka mitady fahasambarana any.

Manasa antsika ny Ray any An-danitra be fitiavana mba handeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra sy hiverina Aminy. Tia antsika amin’ny fitiavana tonga lafatra Izy.1

Inona moa ilay lalana? Ilay lalana dia ny mifanampy mba hahatakatra hoe iza moa isika amin’ny alalan’ny fifanompoana.

Amiko ny fanompoana dia fanehoana fitiavana avy amin’ Andriamanitra.2 Amin’izany fomba izany no hamoronantsika tontolo izay hahazoan’ny mpanome sy ny mpandray faniriana hibebaka. Raha ambara amin’ny teny hafa dia miova lalana isika ary manatona sy lasa mitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Ohatra, tsy ilaina ny hitenenana lava ny vadintsika na ny zanatsika amin’ny zavatra izay tokony hatsarain’izy ireo. Efa fantatr’izy ireo izany. Amin’ny alalan’ny famoronana an’io tontolon’ny fitiavana io no hahafahan’izy ireo hahazo hery hanaovana ireo fanovana ilaina eo amin’ny fiainan’izy ireo ka ho tonga olona tsara kokoa.

Amin’io fomba io no mahatonga ny fibebahana ho lasa dingana fanadiovana atao isan’andro, izay mety ahitana ny fialantsiny noho ny zavatra ratsy natao. Tsaroako ary mbola iainako ireo toe-javatra izay nahatonga ahy ho mora mitsara loatra na tsy dia mihaino loatra. Ary amin’ny fiafaran’ny andro nandritra ny vavaka manokana fanaoko dia nahatsapa ny torohevitra feno fitiavana avy any an-danitra aho ny tokony hibebahako sy ho tonga tsaratsara kokoa. Ny tontolo feno fitiavana izay tany am-boalohany noforon’ireo ray aman-dreniko sy ny rahalahiko ary ireo anabaviko, ary taty aoriana noforonin’ny vadiko sy ireo zanako ary koa ireo namako, no nanampy ahy ho lasa olona tsara kokoa.

Fantatsika rehetra ny zavatra mila hatsaraintsika. Tsy ilaina ny mifampahatsiahy lavareny, saingy ilaina ny mifankatia sy mifanompo, ary ny fanaovana izany no mampisy tontolo anjakan’ny fahavonona hiova.

Ao amin’io tontolo io ihany no hianarantsika hoe iza marina moa isika ary inona no ho anjara andraikitsika ao anatin’ity fizarana farany amin’ny tantaran’izao tontolo izao ity izay mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Raha toa ka manontany tena ny amin’izay anjaranao ianao dia te hanasa anao aho hitady toerana iray izay hahafahanao mitokana ka hangataka ny Ray any An-danitra hampahafantatra anao izay anjara tokony ho lalaovinao. Mety ho tonga tsikelikely ny valiny ary avy eo dia hiha-mazava kokoa rehefa nahazo toerana mafy orina kokoa isika eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana sy ny fanompoana.

Miaina ny sasany amin’ireo olana mitovy amin’izay natrehan’i Joseph Smith isika fony izy “teo afovoan’[ny] ady antsanga sy horakoraka teo amin’ny hevitra.” Araka ny hitantsika eo amin’ny tantara noraketiny, dia matetika izy no nanontany anakampo hoe: “Inona no tokony hatao? Iza amin’ireo andiany rehetra ireo no marina? Sa miara-diso avokoa izy ireo? Raha marina ny anankiray aminy, dia iza izany? Ary ahoana no hahafantarako azy?”3

Noho ny fahalalana izay azony tao amin’ny Epistily nosoratan’i Jakoba, izay nilaza fa “raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany,”4 dia “farany dia tonga teo amin’ny fanapahan-kevitra” i Joseph ny -hangataka amin’ Andriamanitra-”.5

Hitantsika misimisy kokoa avy eo fa “sambany nanao andrana toy izany [izy] teo amin’ny fiaina[ny], fa na dia teo afovoan’ny tebitebi[ny] rehetra aza [izy] dia tsy mbola nanandrana na oviana na oviana ny nanao tonom-bavaka.”6

Koa mety ho toy izany koa hoe sambany ho antsika ny hiresahantsika amin’ilay Mpahary antsika amin’ny fomba izay tsy mbola nataontsika hatrizay.

Noho ilay fanandramana nataon’i Joseph, dia niseho taminy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany, niantso azy tamin’ny anarany, ary ny vokatr’izany dia manana fahatakarana mazava lavitra kokoa isika hoe iza moa isika ary koa hoe tena manan-danja isika.

Hitantsika koa fa fony zatovo i Joseph dia “nenjehin’ireo izay tokony ho nama[ny] ary tokony hitondra [azy] araka ny halemem-panahy.”7 Araka izany dia mety ampoizina ny hisian’ny fanoherana raha manana fiainana araka ny maha-mpianatra isika.

Raha mahatsapa ianao ankehitriny fa tsy afaka ny ho isan’ilay ôrkesitra ary toa sarotra aminao ilay lalan’ny fibebahana, dia aoka ho fantatrao fa raha manohy miezaka isika dia ho esorina amin’ny sorotsika ny enta-mavesatra ary ho avy indray ny fahazavana. Tsy handao antsika velively ny Ray any An-danitra rehefa mitady Azy isika. Na mianjera aza isika ka miarina dia hanampy antsika Izy hamafa ny loto eo amin’ny lohalitsika.

Maratra ny sasany amintsika, saingy ny kojakoja famonjena aina an’ny Tompo dia ahitana famonosam-pery lehibe ampy hamonosana ireo ratrantsika rehetra.

Koa dia io fitiavana io, io fitiavana tonga lafatra io izay antsointsika koa hoe fiantrana na ny “fitiavana madion’i Kristy”,8 izay ilaina ao an-tokantranontsika, izay toerana hanompoan’ireo ray aman-dreny an’ireo zanany, sy hanompoan’ireo zanaka an’ireo ray aman-dreniny. Amin’ny alalan’io fitiavana io dia hiova ireo fo ary ho tonga ny faniriana vaovao hanatanteraka ny Sitrapony.

Io fitiavana io no ilaina eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny maha-zanaky ny Raintsika any An-danitra antsika, ary mpikamban’ny Fiangonany ka ahafahantsika mampiditra ireo zava-maneno rehetra ao amin’ny ôrkesitsika mba hahafahantsika miara-mitendry amim-boninahitra amin’ireo amboaram-peon’ny anjelin’ny lanitra rehefa hiverina indray ny Mpamonjy.

Io fitiavana io, io fahazavana io no ilaina hamiratra sy hanazava ny manodidina antsika rehefa mamakivavy ny fiainana an-davanandro isika. Hahatsikaritra ilay fahazavana ny olona ary ho voasarika hanatona izany. Izany no karazana asa fitoriana ny filazantsara izay hitarika ny hafa “[h]andeha ka hizaha, ho avy ka hanampy, ary ho avy ka hitoetra.9 Miangavy aho hoe rehefa nahazo fijoroanao ho vavolombelona momba ity asa lehibe ity sy ny anjarantsika ao amin’izany ianao dia aoka isika hiara-paly amin’i Joseph Smith Mpaminany malalantsika, tamin’izy niteny hoe “Fa efa nahita fahitana aho; nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho.”10

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa fantatro hoe iza aho, ary fantatro hoe iza ianareo. Isika rehetra dia zanaky ny Raintsika any an-danitra izay tia antsika. Ary tsy nandefa antsika ety Izy hoe tsy hahomby, fa ho tafaverina amim-boninahitra any Aminy. Ny vavaka ataoko dia enga anie isika hahatakatra ny anjarantsika eo amin’ity asa fanompoana lehibe ity, mba hahatongavantsika ho tahaka Azy bebe kokoa rehefa hiverina indray Izy, amin’ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.