Aorian’ny fizahan-toetra ny finoantsika
Rehefa manaraka ny feon’ Andriamanitra sy ny lalan’ny fanekempihavanany isika dia hampatanjaka antsika amin’ireo fisedrana lalovantsika Izy.
Fony aho mbola zaza dia nanolo-tena ny hanampy ny fianakavianay handeha fiaramanidina avy any Porto Rico hankao Salt Lake City mba hofehezina ao amin’ny tempoly i Frank Talley, izay mpikamban’ny Fiangonana, saingy vetivety foana anefa dia nanomboka nisy sakantsakana niseho. Lasa narary mafy i Marivid, iray amin’ireo anabaviko. Tsy nahatombina ny ray aman-dreniko ka dia nivavaka momba izay hatao kanefa mbola nahatsapa fa tokony hanao ilay dia. Natoky izy ireo fa raha manaraka amim-pahatokiana ny fitarihan’ny Tompo mba handeha any amin’ny tempoly izy ireo dia ho voambina sy hotahiana ny fianakavianay, dia izany tokoa no nitranga.
Na inona na inona sakana atrehantsika eo amin’ny fiainana dia afaka matoky isika fa hanomana lalana iray ho antsika i Jesoa Kristy rehefa mandeha amim-pinoana amin’ny fanaovana ny sitrapony isika. Nampanantena Andriamanitra fa ireo rehetra izay miaina amim-pahatokiana araka ireo fanekempihavanana nataony Taminy dia handray, amin’ny fotoany, ireo fitahiana rehetra nampanantenaina. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny fitahiana sasany dia vetivety dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo.”1
Nampianatra i Môrônia fa “ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita; koa aza mitohika, satria tsy mahita ianareo, fa tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”2
Ny tokony ho fanontaniantsika dia izao: “Inona no tokony hataontsika mba hiatrehana tsara kokoa ireo fitsapana manatona antsika?”
Tamin’ny 16 janoary 2018, nandritra ny lahateniny ampahibemaso voalohany amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy, dia nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Amin’ny maha-Fiadidiana vaovao anay, dia te-hanomboka izahay miaraka amin’ilay tanjona farany voabanjina ato an-tsainay. Noho izany antony izany no iresahanay aminareo miainga avy eto amin’ny tempoly androany. Ny tanjona ifoforantsika tsirairay dia ny mba handray hery ao amin’ny tranon’ny Tompo, mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana, ary mba ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly izay ahafahantsika mahazo ilay fanomezana faran’izay lehibe avy amin’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay. Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana ataonao any dia zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana orina ny fiainanao, ny fanambadianao sy ny fianakavianao, ary ny fahafahanao manohitra ny fanafihan’ny fahavalo. Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanoloran-tenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”3
Rehefa manaraka ny feon’ Andriamanitra sy ny lalan’ny fanekempihavanany isika dia hampatanjaka antsika amin’ireo fisedrana lalovantsika Izy.
Sarotra ny dia nataon’ny fianakaviako nankany amin’ny tempoly, saingy rehefa nihananakaiky ny tempolin’i Salt Lake City Utah izahay dia niteny toy izao tamim-pifaliana sy finoana ny reniko hoe: “Hilamina ny zava-drehetra momba antsika. Hiaro antsika ny Tompo.” Nofehezina amin’ny maha-fianakaviana izahay ary sitrana tamin’ny aretiny ny anabaviko. Tsy nitranga izany raha tsy taorian’ny fitsapana ny finoan’ny ray aman-dreniko sy rehefa nanaraka ny fitaoman’ny Tompo izy ireo.
Mbola mitaona ny fiainanay mandrak’ankehitriny izany ohatra avy amin’ny ray aman-dreniko izany. Nanjary nihananan-danja sy nisy heviny kokoa ny ohatra nasehon’izy ireo rehefa nampianariny anay ny antony hisian’ny fotopampianaran’ny filazantsara ary nampiany izahay hahatakatra ny hevitra, sy ny tanjona, ary ireo fitahiana izay entin’ny filazantsara ho anay. Ny fahatakarana ny anton’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika ihany koa hiatrika amim-pinoana ireo fitsapana lalovantsika.
Ny zavatra rehetra hanasan’ Andriamanitra sy handidiany antsika raha ny marina dia fanehoana ny fitiavany antsika sy ny faniriany hanome antsika ireo fitahiana rehetra voatokana ho an’ireo zanany mahatoky. Tsy afaka hilaza fotsiny isika fa hianatra hitia ny filazantsara amin’ny tenany samirery ireo zanatsika. Andraikitsika ray aman-dreny ny mampianatra azy ireo. Rehefa manampy ireo zanatsika hianatra ny fomba hampiasana amim-pahendrena ny fahafahan’izy ireo misafidy isika, ny ohatra marina asehontsika dia afaka mitaona azy ireo hanao ny safidy tsarany manokana. Ny fiainan’izy ireo am-pahatokiana dia hanampy indray ny zanak’izy ireo hahafantatra manokana ny faharamarinan’ny filazantsara.
Ry zatovolahy sy zatovovavy isany, henoy ny mpaminany hiresaka aminareo anio. Katsaho amim-pinoana ny hianatra ireo fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ary katsaho ny hahatakatra manokana ny filazantsara. Nanoro hevitra vao haingana ny Filoha Nelson hoe: “Inona no fahendrena tsy anananareo?… Araho ny ohatry ny Mpaminany Joseph. Mitadiava toerana mangina. … Manetre tena eo anoloan’ Andriamanitra. Aborahy amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. Mitodiha any Aminy mba hahazoana valim-panontaniana.”4 Rehefa mikatsaka fitarihana avy amin’ny Rainareo any An-danitra izay be fitiavana, mihaino ny torohevitr’ireo mpaminany velona, ary mijery ny ohatra asehon’ireo ray aman-dreny mahatoky, ianareo koa dia afaka ny ho tonga rohin’ny finoana matanjaka ao anatin’ny fianakavianareo.
Ho an’ireo ray aman-dreny izay manan-janaka niala tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ampio amin-katsaram-panahy izy ireo hiverina. Ampio izy ireo hahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsara. Atombohy amin’izao fotoana izao; tsy misy tara loatra izany mihitsy.
Ny ohatra asehontsika amin’ny fiainana araka ny fahamarinana dia afaka mitondra fiovana goavana. Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia efa zatra isika mieritreritra ny -fiangonana- ho toy ny zavatra izay miseho ao anatin’ireo trano fivoriantsika ary hamafisin’ireo zavatra miseho any an-tokantrano. Ilaina ny hanaovantsika fanovana an’izany lamina izany. Fotoana izao mba hahatonga ny Fiangonana ho mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano, izay hamafisin’ireo zavatra mitranga any amin’ireo trano fiangonan’ny sampana sy ny paroasy ary tsatòka misy antsika.”5
Ny soratra masina dia mampianatra hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”6
Milaza ihany koa izany hoe: “Ary ankehitriny, satria nanana fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina ny fitorian-teny—eny, izany dia efa nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra, na ny zavatra hafa, izay efa nihatra taminy—noho izany dia noheverin’i Almà fa tsara ny hanandraman’izy ireo ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.”7
Misy tantara momba ny vehivavy iray izay tezitra fa nihinana zava-mamy be loatra ny zanany lahy. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana nibedesany azy dia nanohy nihinana zava-mamy ihany izy. Sorena tanteraka ny reniny ka nanapa-kevitra ny hitondra ilay zanany lahy hankany amin’ny lehilahy hendry iray izay najainy tokoa.
Nanatona azy tamim-panetrentena izy ka niteny hoe: “Andriamatoa ô, mihinana zava-mamy be loatra ny zanako. Mba afaka manoro hevitra azy hitsahatra tsy hihinana izany ve ianao?”
Nihaino tsara ilay vehivavy ilay lehilahy hendry, dia nihodina ka niteny tamin’ilay zanany hoe: “Mandehana mody dia miverena afaka roa herinandro.”
Toa sahiran-tsaina ilay vehivavy ary nanontany tena momba ny antony tsy nangatahan’ilay lehilahy hendry an’ilay zazalahy mba hitsahatra amin’ny fihinanana zava-mamy be loatra.
Niverina izy ireo afaka roa herinandro. Nijery mivantana ilay zazalahy izy dia niteny hoe: “Razazalahy, tokony hitsahatra amin’ny fihinanana zava-mamy be loatra ianao. Tsy tsara ho an’ny fahasalamanao izany.”
Nanaiky ilay zazalahy kely ary nampanantena fa hanao izany.
Nitodika tamin’ilay lehilahy hendry ny renin’ilay zazalahy dia nanontany hoe: “Nahoana no tsy nolazainao azy tamin’ny roa herinandro lasa izany?”
Nitsiky ilay lehilahy hendry. “Roa herinandro lasa izay dia mbola nihinana zava-mamy be loatra ny tenako.”
Niaina tamim-pahitsiana tokoa ity lehilahy hendry ity ka fantany fa tsy hanana hery ny toroheviny raha tsy izy tenany mihitsy no nanaraka ny toroheviny.
Ny fitaomana ananantsika eo amin’ny zanatsika dia mahery vaika kokoa rehefa hitan’izy ireo mandeha amim-pahatokiana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika. Ohatra amin’izany fahamarinana izany i Jakôba mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nanoratra momba ny fitaomana nananan’ny fampianaran’ny rainy i Enôsa zanany lahy:
“Izaho Enôsa, noho ny fahalalako ny raiko fa izy dia lehilahy marina—fa izy dia nampianatra ahy tamin’ny fiteniny ary koa tamin’ny fanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo—ary hotahiana anie ny anaran’ny Andriamanitro noho izany. …
“… Ary ny teny izay efa reko matetika notenenin-draiko momba ny fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina dia tafalatsaka lalina tao am-poko.”8
Ny renin’ireo zatovolahy miaramila Lamanita dia niaina ny filazantsara ka heniky ny faharesen-dahatra ny zanak’izy ireo. Nilaza ny mpitarika azy ireo hoe:
“Efa nampianarin’ny reniny izy ireo fa raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo.
“Ary naveriny tamiko ny tenin’ny reniny manao hoe: Tsy miroanahana izahay, nahafantatra izany ny reninay.”9
I Enôsa sy ireo zatovolahy miaramila Lamanita dia natanjaka noho ny finoan’ny ray aman-dreniny, izay nanampy azy ireo hiatrika ny fitsapana ny finoan’izy ireo manokana.
Voatahy isika manana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao, izay mampitraka antsika rehefa mahatsapa ho kivy na sahiran-tsaina isika. Rehefa mijery ireo ohatra avy amin’ireo olona mahatoky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia afaka mahazo toky fa ireo ezaka ataontsika dia hivadika ho fitahiana amin’ny fotoan’ny Tompo raha toa ka mibosesika mandroso ao amin’ny fizahan-toetra ny finoantsika isika.
Niaraka tamin’ny Loholona David A. Bednar sy ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra izahay mivady tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Port-au-Prince Haïti. I Jorge zanakay lahy, izay niaraka taminay dia nilaza toy izao momba ny zavatra niainany: “Mahagaga ry Dada! Raha vantany vao nanomboka ny vavaka fanokanana ny Loholona Bednar dia tena tsapako fa feno hafanana sy hazavana ilay efitrano. Nanampy betsaka ny fahatakarako momba ny tanjon’ny tempoly ilay vavaka. Tena tranon’ny Tompo izany.”
Mampianatra i Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa rehefa maniry ny hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra isika, dia hampatanjaka antsika Izy. Nanoratra izy hoe: “Ary … izaho Nefia izay mbola tena tanora tokoa dia … nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra ny mistery momba an’ Andriamanitra, noho izany aho dia nitalaho tamin’ny Tompo; ary indro Izy tonga namangy ahy sy nampahalefaka ny foko hany ka nino ny teny rehetra izay efa nolazain-draiko aho; koa tsy nikomy taminy tahaka ny rahalahiko aho.”10
Rahalahy sy ranabavy, handeha isika hanampy ireo zanatsika sy ireo manodidina antsika rehetra mba hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ka ho afaka hampianatra azy ireo sy hampalefaka ny fony mba haniry hanaraka Azy mandritra ny androm-piainan’izy ireo ny Fanahy.
Rehefa mandinika ny ohatra nasehon’ireo ray aman-dreniko aho, dia fantatro fa ny finoantsika ny Tompo Jesoa Kristy dia hanoro antsika ilay lalana izay hitondra antsika hiverina soa aman-tsara any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Fantatro fa tonga aorian’ny fisedrana ny finoana ny fahagagana.
Mijoro ho vavolombelona aho momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany. Fantatro fa Izy no Mpamonjy sy Mpanafaka antsika. Izy sy ny Raintsika any An-danitra dia niseho tamin’i Joseph Smith zazalahy, ilay Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’ilay marainan-dohataonan’ny 1820. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany amin’izao androntsika izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.