2019
Mampahafantatra ny ezaka vaovao Ankizy sy Zatovo ireo mpitarika
Nôvambra 2019


Mampahafantatra ny ezaka vaovao Ankizy sy Zatovo ireo mpitarika

Ny Ankizy sy Zatovo dia hatomboka amin’ny Janoary 2020 mba hanampiana ireo ankizy sy ireo zatovo eo am-pivoaran’izy ireo ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-tsaina. Raha hijery lahateny ato anatin’ity gazetiboky ity izay miresaka momba ny Ankizy sy Zatovo, dia jereo ny pejy 40 sy 53.

“Tonga izao ny fotoana ho an’ny fomba vaovao, natao hanampiana ireo ankizy sy zatovo ankehitriny manerana izao tontolo izao,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fampitana manokana tamin’ny 29 septambra 2019.

“Ho solon’ny hoe izahay no manomeny asa atao voafaritra maro ho anareo,” hoy izy tamin’ireo ankizy sy zatovo, “dia manasa anareo izahay mba hiresaka amin’ny Tompo momba ny fomba ahafahanareo mitombo amin’ny fomba mifandanjalanja. Hitondra valisoa sy hahafinaritra izany, saingy hitaky karazana ezaka avy aminareo ihany koa. Mila mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ianareo. Mila misafidy ho an’ny tenanareo ny amin’ny fomba hanaovana asa mifanaraka amin’izany ianareo. Indraindray ny Fanahy dia mety hibitsika aminareo mba hanao zavatra sarotra. Tena afaka miatrika izany fanamby izany ianareo araka ny eritreritro. Afaka manao zavatra sarotra ianareo.”

Nilaza ihany koa ny Filoha Nelson fa manana anjara asa manan-danja ny ray aman-dreny ao anatin’izany. “Aoka ianareo hanorina fifandraisana mafy orina amin’ireo zanakareo sy zatovonareo,” hoy izy. “Afaka manampy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, kanefa ireo dia zanakareo. Tsy misy olona afaka manana fitaomana lehibe kokoa eo amin’ny fahombiazan’izy ireo ankoatra anareo. Omeo fitiavana izy ireo, fankaherezana, ary torohevitra, kanefa tohero ny fakam-panahy hanao zavatra eo amin’ny toeran’izy ireo. Hanao ny tsara kokoa izy ireo rehefa mampiasa ny fahafahany misafidy.

Notohizan’ny Filoha Nelson tamin’ny hoe: “Mihatra amin’ireo mpitarika mahafinaritra ato amintsika sy ireo mpampianatra ankizy sy zatovo io torohevitra io.” “Ilaintsika ny mamela ny tanora hitarika, indrindra ireo izay nantsoina sy natokana mba hanompo ao amin’ny fiadidian’ny kilasy sy ny kôlejy. Ny fahefan’ny fisoronana dia efa natolotra azy ireo. Hianatra ny fomba hahazoana fitaomam-panahy amin’ny fitarihana ny kilasiny na ny kôlejiny izy ireo.”

Tao anatin’izany fampahafantarana izany ihany, ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha Mpanatanteraka ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza ny vina ho an’ny Ankizy sy ny Zatovo: ny “hanamafy orina ny finoan’ny taranaka vao misondrotra an’i Jesoa Kristy ary hanampy ny Ankizy sy ny Zatovo ary ny fianakavian’izy ireo handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana eo am-piatrehan’izy ireo ireo olana eo amin’ny fiainana.”1 Nilaza izy fa “ny fanampiana ny ankizy sy ny zatovo hahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia hitahy azy ireo sy hitahy antsika rehetra eo amin’ny fiainantsika.”

Taorian’ilay fampitana niaraka tamin’ny hetsika iray nentina hanehoana ny fampiasana ny Torolalana fampahafantarana ny Ankizy sy Zatovo, dia niteny ny Filoha Ballard hoe: “Vao fanombohana ihany ity. Androany isika vao nanomboka ity hetsika ity. Ity dia zavatra iray izay hitohy ao amin’ny fianakavianareo sy rehefa miara-miasa izy ireo. Manasa anareo izahay hanohy ilay hetsika. … Ry ray aman-dreny, tohizo any an-tokantrano ity hetsika ity azafady.” Nohamafisina fa “ity dia fandaharana mifototra ao an-tokantrano, ary tohanan’ny Fiangonana” ary “ny fianakaviana dia miara-mandray anjara ao anatin’ity fandaharana ity. Izany no hahatonga izany ho tena tsara.”

Any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao dia hahazo ny torolalana fampahafantarana ho azy ireo manokana ny ray aman-dreny sy ny mpitarika. Ny faritra hafa dia hanana ny Ankizy sy Zatovo voadika amin’ny fitenin’izy ireo ao aoriana ao amin’ny 2020.

Ny fianarana ny filazantsara, ny fanompoana sy ireo hetsika, ary ny fivoaran’ny tena manokana (anisan’izany ny fametrahana sy fanatanterahana tanjona) no ho ampahany fototra amin’ny Ankizy sy Zatovo, ary tokony hitarika amin’ny fanaovana drafitra ny zatovo. Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ny Ankizy sy Zatovo eo am-pirosoan’izy ireo manerana ny lalan’ny fankempihavanana, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny fianakaviana, mpitarika ary ny hafa. Nomarihan’ny Filoha Ballard fa ny Ankizy sy Zatovo dia ezaka manerana izao tontolo izao ka noho izany dia azo ampifanarahana amin’ny “toerana misy anareo sy ny toe-java-mitranga ao amin’ny fianakavianareo.”

Hisy antsipirian-javatra sy loharano fanampiny homena amin’ny fampitana Face to Face ho an’ny ankizy sy ny zatovo amin’ny 17 nôvambra 2019, hiarahana amin’ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaina hanatrika izany ny ankizy sy ny zatovo efa ho 8 taona ka hatramin’ny 18 taona amin’ny 2020, ny ray aman-drenin’izy ireo, sy ireo mpitarika ny Zatovovavy, ireo mpanoro-hevitra ny Fisoronana Aharôna, ary ireo mpitarika ny Kilonga. Alefaso amin’ny Loholona Gong amin’ny facetoface.ChurchofJesusChrist.org ireo fanontanianareo momba ny fandaharana Ankizy sy Zatovo. Aorian’ilay hetsika mivantana, izay hampitaina amin’ny fiteny miisa 18, ilay horonan-tsary dia azo jerena sy sintonina amin’ny fotoana rehetra.

Hamoaka printy