2019
Fanontaniana hahazoana fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly nohavaozina sy ireo vaovao hafa momba ny tempoly
Nôvambra 2019


Vaovaom-piangonana

Fanontaniana hahazoana fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly nohavaozina sy ireo vaovao hafa momba ny tempoly

Nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019 ireo fanovana eo amin’ireo fanontaniana hahazoana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly (jereo ny pejy 121). Mijanona toy ny teo aloha ireo fenitry ny tempoly, saingy nasiam-panovana ireo teny ao amin’ny fanontaniana sasany mba hazava kokoa izany. Tokony efa nahazo taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 6 ôktôbra 2019 ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana tokony handray izany. Ahitana ireo fanontaniana nasiam-panavaozana izany.

Nanambara rafi-panorenana ho ana tempoly vaovao miisa valo ihany ny Filoha Nelson (jereo ny pejy 79). Ireo tempoly ireo dia hatsangana any Freetown, Sierra Leone; Orem, USA Utah; Port Moresby, Papua Nouvelle Guinée; Bentonville, Arkansas; Bacolod, Philippines; McAllen, Texas; Cobán, Guatemala Taylorsville, Utah , Etazonia.

Hatramin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019, dia nisy tempoly natokana tany Kinshasha, Repoblika Demokratikan’i Congo; Lisbon, Portugal; Port-au-Prince, Haiti; ary Fortaleza, Brésil; ary tempoly naverina natokana tany Oakland, Californie, Etazonia; Memphis, Tennessee, Etazonia; Frankfurt, Germany; Oklahoma City, Oklahoma, Etazonia; ary Raleigh, North Carolina, Etazonia.

Vita ny ady fototra ho an’ireo tempoly any Yigo, Guam; Praia, Cap Vert; San Juan, Puerto Rico; Lima, Perou (Los Olivos); ary Belém, Brésil, ary voafidy ireo toerana hanorenana ny tempoly any Auckland, Nouvelle Zélande, sy Layton ary Saratoga Springs, Utah, Etazonia.

Nambara ampahibemaso ireo rafi-panorenana ho an’ny fanavaozana ny tempolin’i Salt Lake, izay hikatona amin’ny desambra ary hisokatra indray amin’ny 2024, ary ny tempolin’i St. George Utah dia hikatona amin’ny desambra 2019 ary hisokatra indray amin’ny 2022.

Hamoaka printy