2019
Aoka hanam-pinoana fa tsy ho kely finoana
Nôvambra 2019


Aoka hanam-pinoana fa tsy ho kely finoana

Tsy maintsy minia maka fotoana isika isan’andro mba hialana amin’izao tontolo izao ary hifandray amin’ny lanitra.

Vao tsy ela izay, dia nifoha maraina sy niomana ny handalina soratra masina aho. Dia noraisiko ilay findaiko avo lenta ary nipetraka teo amin’ny seza nifanila tamin’ny fandriako aho nikasa hanokatra ny application Bibliothèque de l’Évangile. Nosokafako ilay findaiko avo lenta ary raha teo am-panombohana ny handalina iny aho dia nahita fampahatsiahivana maro fa naharay hafatra sy emails tonga nandritra ny alina. Hoy aho hoe: “Hojereko haingana ireto hafatra ireto dia hatomboko avy eo ny fandalinako soratra masina.” Adiny roa ora taty aoriana dia mbola teo am-pamakiana ireo hafatra, emails, sy fampahalalam-baovao, ary lahatsoratra nalefa tao amin’ny tambazotran-tserasera ihany aho. Rehefa hitako ny ora dia nikoropaka aho niomana ho amin’ny tontolo andro. Tsy tafandalina soratra masina aho tamin’izay maraina izay, ary ny vokany dia tsy nahazo ny sakafo ara-panahy nantenaiko aho.

Sakafo ara-panahy

Azoko antoka fa maro aminareo no efa niaina zavatra toy izany. Mitahy antsika amin’ny fomba maro ireo teknôlôjia maoderina. Izy ireny dia afaka mampifandray antsika amin’ny namana sy ny fianakaviana, ary manome antsika fampahalalana sy vaovao momba ireo zavatra mitranga amin’izao fotoana izao manerana izao tontolo izao. Saingy izy ireny koa dia mety hanelingelina ny fifantohantsika amin’ilay fifandraisana manan-danja indrindra, dia ny fifandraisana amin’ny lanitra izany.

Averiko ny zavatra nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminanintsika: “Miaina ao anatin’ny tontolo manahirana sy feno fifandirana tsy mitsaha-mitombo isika. Ny fahafahana mampiasa tsy tapaka ny tambazotran-tserasera sy ireo vaovao mandeha ao anatin’ny 24 ora isan’andro dia manototra antsika amin’ireo hafatra tsy an-kitsahatra. Raha te-hanana fanantenana ny hahay hifantina tsara izay mahasoa ao anatin’ireo hafatra tsy tambo isaina sy ireo filôzôfian’olombelona izay manafika ny fahamarinana isika, dia tsy maintsy mianatra mandray fanambarana.”

Notohizan’ny Filoha Russell M. Nelson izany tamin’ny alalan’ny fampitandremana fa “ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”1

Taona maro lasa izay ny Filoha Boyd K. Packer no nitantara mikasika ireo andiana ombimanga tsy tafiditra ny toeram-ponenany ara-boajanahary noho ny hatevin’ny rotsaka ranomandry ary efa saika matin’ny hanoanana. Nisy olona tsara fanahy nanao ezaka hamonjena ireo ombimanga ka nandraraka mololo nameno kamiao manodidina ilay faritra. Tsy fihinan’ny ombimanga izany kanefa nanantena izy ireo fa mba hamelona ireo ombimanga mandritra ny ririnina izany. Indrisy anefa taty aoriana dia hita fa maty ny ankabeazan’ireo ombimanga. Nihinana ilay mololo izy ireo saingy tsy nahavelona azy ireo izany, ka matin’ny hanoanana izy ireo niaraka tamin’ny kibon’izy ireo feno.2

Maro amin’ireo hafatra izay raisintsika tsy tapaka ao anatin’izao vanim-potoana hitobahan’ny fampahalalana izao no manana hevitra ara-panahy mitovy amin’ny famahanana mololo ny ombimanga. Azontsika hanina ao anatin’ny andro iray manontolo izany kanefa tsy hahavelona antsika.

Aiza no ahitantsika ilay tena sakafo ara-panahy? Matetika izany dia tsy malaza eny amin’ny tambazotran-tserasera. Hitantsika izany rehefa “mibosesika hatrany [isika]” eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, “[m]ihazona mafy ny anja-by,” ka mihinana amin’ny voan’ny hazon’aina.3 Midika izany fa tsy maintsy minia maka fotoana isika isan’andro mba hialana amin’izao tontolo izao ary hifandray amin’ny lanitra.

Tao amin’ny nofiny i Lehia dia nahita olona nihinana tamin’ilay voa saingy niala teo amin’izany noho ny fitarihan’ny avy ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka, dia ny avonavon’izao tontolo izao.4 Mety hitranga amin’ireo tanora ny hoe notezaina tao amin’ny tokantranon’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo, nanatrika ireo fivoriana sy kilasy tokony hatrehina ato am-piangonana, eny nandray anjara tamin’ireo ôrdônansin’ny tempoly mihitsy aza ary avy eo niala, ka nandeha “amin’ny lalana voarara ary [lasa] very.”5 Nahoana izany no mitranga? Ny anton’izany amin’ny toe-javatra maro, dia na mety nanao ireo zavatra izay toa miendrika ara-panahy ivelany aza izy ireo, dia tsy niova fo tanteraka. Voky izy ireo fa tsy velona.

Sary
Asa atao ho an’ny zatovo

Izaho koa anefa efa nihaona tamin’ny maro taminareo zatovo Olomasin’ny Andro Farany izay mahay sy matanjaka ary mahatoky. Fantatrareo fa ianareo dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ary manana asa hampanaovina anareo Izy. Tianareo amin’ny “fo, ny hery, ny saina ary ny tanjakareo” rehetra Andriamanitra.6 Mitandrina ny fanekempihavanana nataonareo sy manompo ny hafa ianareo, manomboka any an-tokantrano. Mampihatra finoana sy mibebaka ary mivoatra isan’andro ianareo, ary izany dia mitondra fifaliana maharitra ho anareo. Miomana amin’ireo fitahian’ny tempoly sy ireo fahafahana hafa ho azonareo amin’ny maha-mpanara-dia marina ny Mpamonjy anareo ianareo. Ary manampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany, sy manasa ny olon-drehetra hanatona an’i Kristy ary handray ireo fitahian’ny Sorompanavotany ianareo. Mifandray amin’ny lanitra ianareo.

Sary
Fandehanan’ny zatovo any amin’ny tempoly

Eny, miatrika olana ianareo. Kanefa mandalo izany ny taranaka mifandimby rehetra. Fotoantsika izao ary ilaintsika ny manam-pinoana fa tsy kely finoana. Mijoro ho vavolombelona aho fa mahafantatra ny amin’ireo olana atrehantsika ny Tompo ary amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Filoha Nelson, Izy dia manomana antsika hiatrika azy ireny. Mino aho fa ny antso vao haingana nataon’ny mpaminany mba hisian’ny fianarana sy ny fiainana ny filazantsara mifototra ao an-tokantrano sy tohanan’ny zavatra ataontsika any amin’ireo trano fiangonantsika,8 dia natao mba hanampiana antsika mba ho velona, eny mba hiroborobo mihitsy aza, ao anatin’izao fotoan’andron’ny tsy fanjarian-tsakafo ara-panahy izao.

Mifototra ao an-tokantrano

Inona no dikan’izany hoe fianarana sy fiainana ny filazantsara mifototra ao an-tokantrano izany? Mety ho tsy mitovy mihitsy ny tokantrano rehetra maneran-tany. Mety ho ao amina fianakaviana izay mpikamban’ny Fiangonana hatramin’ny taranaka maro ianao. Na mety hoe ianao irery no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakavianao. Mety ho manam-bady ianao na tokan-tena, manan-janaka na tsy manan-janaka ao an-trano.

Na toy inona na toy inona ny toe-javatra iainanao dia afaka manao ny tokantranonareo ho ivon-toeran’ny fianarana sy ny fiainana ny filazantsara ianareo. Midika ho fandraisana andraikitra manokana ny amin’ny fiovam-ponao sy ny fivoaranao ara-panahy tsotra fotsiny izany. Izany dia midika hoe manaraka ny torohevitry ny Filoha Nelson mba “hanova ny fonenana[reo] ho toerana masina isian’ny finoana.”9

Hiezaka ny handresy lahatra anareo ilay fahavalo fa ny sakafo ara-panahy dia tsy ilaina na lazainy amin-kafetsena kokoa fa hoe afaka miandry izany. Izy no lehiben’ny fandrebirebena sy ny fanemorana. Hisarika ny sainareo amin’ny zavatra izay toa maika kanefa raha ny marina dia tsy manan-danja izy. Hataony izay hahatonga anareo ho “maro ahina sy maro herehina” ka hahatonga anareo hanao tsirambina ilay “anjara [izay] tsara.”10

Feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’ireo “ray aman-[dreniko] tsongoin’olombolo,”11 izay nikolokolo ny fianakavian’izy ireo tao amina tokantrano ahitana fanomezana sakafo ara-panahy tsy tapaka, sy fifandraisana amim-pitiavana, ary fialam-boly mahasoa ny tena. Ireo fampianarana nomen’izy ireo tamin’ny fahatanorako dia nahatsara ahy tokoa. Ry ray aman-dreny, aoka ianareo hanorina fifandraisana mafy orina amin’ireo zanakareo. Mila bebe kokoa, fa tsy kely monja, amin’ny fotoanareo izy ireo.

Tohanan’ny Fiangonana

Eo am-panatanterahanareo izany dia eo ny Fiangonana manohana anareo. Afaka manamafy orina ireo fanomezana sakafo ara-panahy any an-tokantrano ireo zavatra iainantsika any am-piangonana. Hatreto tamin’ity taona ity dia hitantsika any amin’ny sekoly alahady sy any amin’ny Kilonga io karazana fanohanan’ny Fiangonana io. Mbola hahita izany misimisy koa isika any amin’ireo fivorian’ny Fisoronan’i Aharôna sy ny Zatovovavy. Manomboka amin’ny volana janoary izao dia hisy fanamboarana kely hatao amin’ny fandaharam-pampianarana ho an’ireo fivoriana ireo. Mbola hifantoka amin’ireo lohahevitra momba ny filazantsara ihany izany saingy ireo lohahevitra ireo dia hampifanarahana amin’ny ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Izany dia fanovana kely saingy afaka hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fanomezana sakafo ara-panahy ho an’ireo zatovo.

Inona avy ireo karazana fanohanana atolotry ny Fiangonana? Aty am-piangonana isika dia mandray ny fanasan’ny Tompo, izay manampy antsika hanavao ny fanolorantenantsika amin’ny Mpamonjy isan-kerinandro. Ary aty am-piangonana isika dia mivory miaraka amin’ireo mpino hafa izay nanao izany fanekempihavanana izany koa. Ny fifandraisana feno fitiavana aorintsika amin’ireo namana mpianatr’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho fanohanana mahery vaika ho an’ny maha-mpianatra antsika izay mifototra ao an-tokantrano.

Fony aho 14 taona dia nifindra tany amina fiaraha-monina vaovao ny fianakaviako. Mety ho tsy zava-doza be ho anareo izany saingy ny tao an-tsaiko tamin’izany fotoana izany dia hoe tena sarotra izany. Nidika hoe ho voahodidina olona tsy fantatro izany. Nidika izany hoe ireo zatovolahy hafa rehetra tao amin’ny paroasiko dia hianatra any amin’ny sekoly hafa tsy ao amin’ny ahy. Ary ny tao anatin’ny sain’ilay tenako izay 14 ambin’ny folo taona dia hoe: “Fa nahoana aho no dia ataon’ny ray aman-dreniko an’izao?” Toy ireny hoe potika ireny ny fahatsapako ny fiainako.

Kanefa tamin’ny alalan’ireo fiaraha-mientan’ny Zatovolohinay dia afaka nanorina fifandraisina tamin’ireo mpikambana tao amin’ny kôlejy nisy ahy aho ary lasa namako izy ireo. Ankoatra izay dia nanomboka naneho firaharahiana manokana ny fiainako ireo mpikambana tao amin’ny episkôpa sy ireo mpanoro hevitra tao amin’ny fisoronana Aharôna. Nanatrika ireo hetsika ara-panatanjahan-tena nandraisako anjara izy ireo. Nanoratra teny mankahery izay voatahiriko mandraka ankehitriny izy ireo. Nanohy nifandray tamiko izy ireo rehefa nianatra tany amin’ny oniversite aho sy rehefa lasa nandeha nitory ny filazantsara. Teny amin’ny seranam-piaramanidina mihitsy aza ny iray tamin’izy ireo tamin’ny fiverenako. Ho feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ireo rahalahy tsara toetra ireo sy noho ny fitiavana nomban’ny fiandrandran’izy ireo zavatra lehibe nasehon’izy ireo. Nitarika ahy ho any amin’ny Ray any An-danitra izy ireo ka lasa namirapiratra sy feno fifaliana ary haraovana ny fiainana.

Amin’ny maha-ray aman-dreny sy mpitarika antsika dia amin’ny fomba ahoana no hanampiantsika ny zatovo hahafantatra fa izy ireo dia tsy irery izy ireo rehefa mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Ankoatra ny fanorenana fifandraisana manokana dia manasa azy ireo izahay hanatrika ireo fivoriana lehibe sy kely izay miainga amin’ireo fivoriamben’ny RTM, sy ireo lasin’ny zatovo ka hatrany amin’ireo fiaraha-mientana isan-kerinandro ataon’ny kôlejy sy ny kilasy. Aza atao tsinontsinona na oviana na oviana ny hery izay azo avy amin’ny fiarahana mivory amin’ny hafa izay miezaka ny hatanjaka ihany koa. Ry eveka sy mpitarika hafa, mba ifantohy re ny fanomezana sakafo ara-panahy ireo ankizy sy zatovo ao amin’ny paroasinareo. Mila bebe kokoa, fa tsy kely monja, amin’ny fotoanareo izy ireo.

Na mpitarika ianao, na mpifanolobodirindrina, na mpikambana ao amin’ny kôlejy, na Olomasina namana tsotra, raha manana fahafahana ny hanova ny fiainan’ny zatovo iray ianao dia ampio izy hifandray amin’ny lanitra. Ny hery mitarika anananao dia mety ho ilay tena “fanohanan’ny Fiangonana” izay ilain’ny zatovo.

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no lohan’ity Fiangonana ity. Manome fitaomam-panahy an’ireo mpitarika antsika Izy ary mitarika antsika hahita ny sakafo ara-panahy izay ilaintsika mba ho velona sy hiroborobo amin’izao andro farany izao. Izany sakafo ara-panahy izany dia hanampy antsika ho manam-pinoana fa tsy ho kely finoana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy