2019
Mifantoka amin’ny fanamafisana orina ny zatovo ireo fanovana ara-drafitra
Nôvambra 2019


Mifantoka amin’ny fanamafisana orina ny zatovo ireo fanovana ara-drafitra

Ho ampahany amin’ilay ezaka mba hampandrosoana ny fahafahan’ny zatovon’ny Fiangonana mahatratra ny tena tanjony masina, dia nisy fanovana teo amin’ny rafitra ho an’ny Zatovovavy sy Zatovolahy nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019 (jereo ny pejy 38) sy nohazavain’ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo ny pejy 40) ary ny Rahavavy Bonnie H. Cordon, Filohan’ny zatovovavy maneran-tany (jereo ny pejy 67).

Ireo fanovana ireo dia manantitrantitra fa “ny andraikitra voalohany indrindra [sahanin’ny eveka] dia ny mikarakara ireo zatovolahy sy ny zatovovavy ao amin’ny paroasiny,” hoy ny Filoha Nelson. Ireo fanovana ireo dia ahitana ny fampitsaharana ny fiadidian’ny Zatovolahy. Ny episkôpà, izay fiadidian’ny Fisoronana Aharôna, dia ho ampian’ireo mpanoro hevitra ny kôlejy ary koa mpiandraikitra manokana amin’ny toe-java-misy sasantsasany. Hanao tatitra mivantana amin’ny eveka ny filohan’ny Zatovovavy ao amin’ny paroasy.

Hifantoka amin’ny asa famonjena ireo fiadidian’ny kôlejy sy kilasy, anisan’izany ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fitazonana ny mpikambana vaovao, ny fampahavitrihana, ny fanaovana asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ary ny fampianarana ny filazantsara. Ny kôlejin’ny zatovo sy ireo filohan’ny kilasy dia manao drafitra sy mitarika ireo fivoriana amin’ny alahady, ireo tetik’asa fanompoana, ary ireo hetsika hafa.

Tsy antsoina hoe “Fiaraha-mientana ifanakalozana” intsony ny fiaraha-mientana ho an’ny zatovo fa azo antsoina kosa hoe “fiaraha-mientan’ny Zatovovavy,” “fiaraha-mientan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna,” na “fiaraha-mientan’ny zatovo.” Ny vatsim-bola ho an’ny fiaraha-mientan’ny zatovo dia tokony hotsinjaraina mitovy ho an’ny zatovo arakaraka ny isan’ny zatovo ao amin’ny rafitra tsirairay.

Nasiam-panovana ny lohahevitry ny Zatovovavy, ary ny isan’ireo kilasin’ny Zatovovavy dia tokony harafitra araka ny isa sy ny filan’ny zatovovavy. Antsoina hoe “Zatovovavy” ireo kilasy, arahin’ny taonan’ireo ao amin’ilay kilasy, ohatra hoe: “Zatovovavy 12–14 taona”, na “Zatovovavy” fotsiny raha miara-mivory avokoa izy ireo. Ny anaran’ny kilasy hoe “Tohotantely,” “Farimbona,” ary “Ravintsara” dia tsy ho ampiasaina intsony.

Ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avon’ny tsatòka dia ho filohan’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka, ary ny fiadidian’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka dia hanompo ao amin’ny kômity misahana ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka miaraka amin’ilay mpikambana ao amin’ny filankevitra avo nampiandraiketana ny Zatovovavy sy ilay mpikambana ao amin’ny filankevitra avo nampiandraiketana ny Kilonga.

Ao anatin’ireo fanovana hafa, ny Fikambanana Ifanampiana, Zatovovavy, Zatovolahy, Kilonga ary Sekoly Alahady dia ho antsoina hoe “rafitra” fa tsy “vondrona mpanampy,” ary ireo mpitarika dia ho antsoina hoe “Mpiandraikitra Ambony” eo amin’ny sehatry ny Fiangonana maneran-tany ary “mpiandraikitra eo anivon’ny tsatòka” ary “mpiandraikitra eo anivon’ny paroasy” eo amin’ny sehatra eo an-toerana.

Hamoaka printy