2019
Hiambina amim-bavaka lalandava
Nôvambra 2019


Hiambina amim-bavaka lalandava (Almà 34:39; Môrônia 6:4; Lioka 21:36)

Ilaina ny fahamalinana tsy tapaka mba hanoherana ny fahatokian-tena loatra sy ny tsy firaharahiana.

Mivavaka amim-kitsim-po aho ny mba hahazoanareo sy ny tenako ny fanampian’ny Fanahy Masina eto am-piarahantsika mifaly sy mitsaoka.

Tamin’ny aprily 1976 ny Loholona Boyd K. Packer dia niresaka manokana tamin’ireo zatovon’ny Fiangonana nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Tao anatin’ilay hafany izay mbola malaza mitondra ny lohateny hoe “Voay ara-panahy” izy dia nanoritsoritra ny fandinihany, nandritra ny iraka iray nataony tany Afrika, ireo voay tsara fiafenana niandry kendry tohana hihazana ireo remby tsy nanampo na inona na inona. Avy eo ireo voay dia nampitahainy tamin’i Satana, izay manararaotra ireo zatovo tsy mba mailo amin’ny alalan’ny fanafenana ny maha-loza mahafaty ny fahotana.

23 taona aho fony ny Loholona Packer nanao io lahateny io, ary niandry ny fahaterahan’ny zanakay voalohany andro vitsivitsy taorian’izay izaho sy i Susan. Nampiaiky volana anay ny votoatin’ny hafatra nomeny momba ny fisorohana ny ota sy ny fahaizany nampiasa ny fihetsika mahazatra ananan’ny biby mba hampianarana lesona ara-panahy manan-danja.

Efa nandeha tany Afrika ihany koa izaho sy i Susan nanatanteraka iraka be dia be. Ary efa nanana fahafahana nahita ireo biby mahafinaritra miaina ao amin’izany kaontinanta izany izahay. Raha nahatsiaro ny fiantraikan’ilay lahateny nataon’ny Loholona Packer teo amin’ny fiainanay izahay dia niezaka nandinika sy nianatra lesona avy tamin’ny fihetsiky ny biby afrikanina.

Te-hanazava ny toetoetra sy ny paikadin’ny guépard anankiroa izay nojerenay sy i Susan niremby aho ary hampitaha izany amin’ny sasany amin’ireo zavatra hitantsika amin’ny fiainantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy andavanandro.

Guépards sy Topis

Ny guépards no biby mandady haingana indrindra eto an-tany ary afaka mahatratra hafainganam-pandeha 120 km/h izy. Ireo biby mahafinaritra ireo dia mahavita mandeha haingana avy eo amin’ny toeram-pijanonany ka mihazakazaka amin’ny hafainganam-pandeha 109 km/h ao anatin’ny telo segondra latsaka. Ny guépards dia mpiremby miafina eo anivon’ny biby rembesiny ary mihazakazaka elanelana fohy rehefa mihaza sy manafika.

Ireo guépards nodinihan’ny Loholona sy ny Rahavavy Bednar

Nandany efa ho adiny roa izaho sy i Susan nijery guépards anankiroa nanenjika andiana topis, antilope fahita sy betsaka indrindra any Afrika. Miloko volontany manopy volamena ny ahitra ao amin’ny hivoka afrikanina izay avo sady maina ka saika manafina tanteraka ireto mpiremby ireto rehefa manenjika andiana topis izy ireo. Mielanelana eo amin’ny 91 metatra eo ireo guépards saingy miaraka miasa.

Raha nijaridina tsy nihetsika tao amin’ilay ahitra ny guépard iray ka tsy nihetsika teo dia niankohoka ambany tamin’ny tany ilay guépard anankiray hafa ary nanatona tsimoramora an’ireo topis izay tsy nahalala na inona na inona. Dia avy eo nanjavona tampoka ao anatin’ilay ahitra ilay guépard nijaridina rehefa nijaridina koa ilay guépard anankiray tamin’iny fotoana iny mihitsy. Nitohy nandritra ny fotoana naharitra ilay fomba hoe ny guépard iray miafina sy misosa ambany raha toa ka ilay guépard anankiray hafa mijaridina ao amin’ilay ahitra. Io paikady henjana feno hafetsena io dia natao handrebirebena sy hamitahana ireo topis ka hanala ny fifantohan’izy ireo amin’ny loza izay mitatao. Tamim-paharetana sady tsy niovaova ireo guépards ireo no niara-niasa toy ny ekipa iray mba hahazoana ny sakafon’izy ireo.

Teo anelanelan’ilay andiana topis sy ireo guépards izay nanatona dia nisy topis lehibe sy matanjaka kokoa maromaro nijoro ho mpitily teo ambony votry. Ny fomba fijery ireo ahitra avy eo amin’ilay havoana dia manome fahafahana ireo mpiambina ireo hijery ireo famantarana ny loza.

Tampoka teo, raha mbola somary lavidavitra ireo guépards, dia nitodika daholo ilay andiana topis iray manontolo ary nandositra. Tsy fantatro raha niresaka tamin’ilay andiany lehibe kokoa ireo mpitily na ahoana fa nisy aloha ny fampitandremana nomena, dia nifindra tamin’ny toerana azo antoka ireo topis.

Dia inona avy eo no nataon’ireo guépards? Tsy nisy hatak’andro fa dia niverina nanohy ilay fomba teo ireo guépards, izany hoe ny guépard iray miafina sy misosa ambany raha toa ka ilay guépard anankiray hafa mijaridina ao amin’ilay ahitra. Dia nitohy hatrany izany fomba fanenjehana izany. Tsy nijanona izy ireo. Tsy niala sasatra na naka aina izy ireo. Tsy nilavo lefona mihitsy izy ireo tamin’ny fanarahana ny paikady nentiny nandrebirebena sy namitahana. Nijery ireo guépards dify teny lavitra teny izay sady nihananakaiky ilay andiana topis hatrany izaho sy i Susan.

Ny alin’io izaho sy i Susan dia nanana fifanakalozan-kevitra miavaka momba ny zavatra nodinihinay sy nianaranay. Niresaka momba io zavatra niainanay io tamin’ireo zanakay sy zafikelinay ihany koa izahay ary nahita lesona manan-danja maro. Handeha hanazava ny telo amin’ireo lesona ireo aho izao.

Lesona 1: Mitandrema amin’ny fitaka feno hafetsen’ilay ratsy

Amiko ny guépards dia zava-boary tsara tarehy sy manaitra ary manintona. Ny volon’ny guépard mavo mavana misy teboka mainty izay ataony fierena tsara no mahatonga ireo biby ireo ho tsy hita rehefa mihaza ny rembiny any amin’ny tanibozak’i Afrika izy ireo.

Guépard miery maka endrika ny tontolo manodidina

Toy izany ihany koa ireo hevitra sy asa mampidi-doza ara-panahy dia matetika toa manintona sy mampitsiriritra ary mahafinaritra. Noho izany dia mila fantatsika tsirairay avy ny zavatra ratsy izay mamitaka antsika ka miseho ho zavatra tsara. Araka ny fampitandreman’i Isaia hoe: “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!”1

Amin’izao vanim-potoana feno fifanoheran-kevitra izao izay aneken’ny olona ny fanitsakitsahana ny maha-masina ny aina sy ilazany ny koronta ho fahalalahana, dia tena voatahy isika fa miaina amin’izao andro farany izao izay ahafahan’ny fahazavan’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny mamiratra eo amin’ny fiainantsika sy manampy antsika hamantatra ny fitaka sy ny fandrebireben’ny fahavalo.

“Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana, sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro.”2

Lesona 2: Aza matoritory ary aoka ho mailo

Ho an’ny topi iray ny fotoana kely tsy iraharahiana na tsy ifantohana dia mety hahatonga ny fanafihana tampoka avy amin’ny guépard. Toy izany koa ny fahatokian-tena loatra sy ny tsy firaharahiana ara-panahy dia mahatonga antsika ho marefo amin’ny fanafihan’ny fahavalo. Ny tsy fahampian’ny fieritreretana ny ara-panahy dia mitondra loza lehibe amin’ny fiainantsika.

Topis mailo

iStock.com/Angelika

I Nefia dia nanazava ny fomba hoentin’i Satana miezaka mampitony sy mandrotsirotsy ireo zanak’Andriamanitra amin’ny andro farany amin’ny fahatsapana tsy tena izy “fiadanana ara-nofo izay hitenenan’ireo hoe: Mandry fehizay ny rehetra ao Ziona; eny, miroborobo i Ziona, mandry fehizay ny rehetra—ary dia toy izany no anambakan’ny devoly ny fanahiny, ka hitarihiny azy amim-pahamalinana hidina any amin’ny helo.”3

Ilaina ny fahamalinana tsy tapaka mba hanoherana ny fahatokian-tena loatra sy ny tsy firaharahiana. Ny hoe malina dia ny miambina tsy tapaka amim-pitandremana ny loza na ny fahasarotana mety hitranga. Ary ny hoe miambina tsy tapaka dia tsy matoritory mihitsy mba hiambina sy hiaro. Raha amin’ny resaka ara-panahy dia tsy mila matoritory mihitsy isika ary mila mailo amin’ireo bitsiky ny Fanahy Masina sy ireo famantarana avy amin’ireo mpitilin’ny Tompo eo amin’ny tilikambo.4

“Eny, ary mamporisika anareo koa aho … ny hiambenanareo amim-bavaka lalandava, mba tsy hahazoana mitarika anareo haniasia amin’ny fakam-panahy avy amin’ny devoly,… fa indro, tsy mamaly zava-tsoa anareo izy.”5

Ny fampifantohana ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany dia mahatonga antsika handresy ny fironan’ny olona araka ny nofo izay donto sy kamo ara-panahy. Koa satria sambatra isika fa manana maso mba hahita sy sofina mba handre,6 dia afaka mampitombo ny fahafahantsika mijery sy mihaino ny Fanahy Masina rehefa tsy mieritreritra isika amin’ny ankapobeny hoe mila mijery na mihaino na rehefa tsy eritreretintsika hoe misy zavatra azo jerena sy henoina.

“Koa miambena mba ho vonona ianareo.”7

Lesona 3: Fantaro ny drafitry ny fahavalo

Ny guépard dia mpiremby mihaza biby hafa. Mandritra ny andro manontolo sy isan’andro ny guépard dia mpiremby foana.

guépard  eo am-pihazana

I Satana “dia fahavalon’ny fahamarinana sy fahavalon’ireo izay mikatsaka ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra.”8 Mandritra ny andro manontolo sy isan’andro, ny hany fikasany sy ny tanjony tokana dia ny hahatonga ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ho ory tahaka azy.9

Ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray dia natao mba hanome torolalana ho an’ireo zanany, mba hanampiana azy ireo hahatsapa fifaliana maharitra, ary hitondrana azy ireo hiverina soa aman-tsara any Aminy miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty sy nasandratra. Ny devoly dia miasa mafy mba hampisafotofoto sy hampahory ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ary hanakantsakana ny fivoaran’izy ireo mandrakizay. Miasa tsy misy fitsaharana ny fahavalo mba hamely ireo singa amin’ny drafitry ny Ray izay tsy tiany indrindra.

Tsy manana vatana i Satana, ary ny fivoarany mandrakizay dia nosakanana. Toy ny renirano mikoriana sakanan’ny toho-drano, ny fivoarana mandrakizain’ny fahavalo dia voasakana satria tsy manana vatana izy. Noho ny fikomiany, i Losifera dia nanda ho an’ny tenany ireo fitahiana sy traikefa rehetra amin’ny fiainana an-tany izay afaka ny hotanterahina amin’ny alalan’ny tabernakely nofo sy taolana. Ny iray amin’ireo hevitry ny teny hoe voaozona azo heverina ao amin’ny soratra masina dia hita taratra amin’ny tsy fahafahany manohy mivoatra sy tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra.

Satria tena manan-danja amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray sy ny fivoarantsika ara-panahy ny vatana, dia mikatsaka ny hanembantsembana ny fivoarantsika i Losifera amin’ny alalan’ny fakana fanahy antsika mba hampiasa ny vatantsika tsy araka ny tokony ho izy. Nampianatra ny filoha Russell M. Nelson fa amin’ny farany ny fiarovana ara-panahy dia miankina amin’ny “‘tsy firosoana voalohany amin’ny fandehanana any amin’izay tsy tokony halehanao sy fanaovana izay tsy tokony hataonao.’ … Amin’ny maha-olombelona antsika dia manana filana [ara-batana] ilaina amin’ny fahavelomantsika isika. ‘Ireo filana ireo dia tena manan-danja ho an’ny firoboroboan’ny fiainana. Koa inona ary no ataon’ny fahavalo? … Manafika antsika amin’ny alalan’ny filantsika izy. Maka fanahy antsika mba hihinana zavatra tsy tokony hohanintsika izy, sy hisotro zavatra tsy tokony hosotrointsika, ary hitia tsy araka ny tokony hitiavantsika!”10

Iray amin’ireo zavatra maneso sy mampihomehy indrindra momba ny mandrakizay ny hoe, ny fahavalo, izay fadiranovana tokoa satria tsy manana vatana, dia mitaona sy maka fanahy antsika hifampizara aminy ny fijaliany amin’ny alalan’ny fampiasana amin’ny fomba tsy mety ny vatantsika. Noho izany, ny fitaovana tsy hananany sy tsy azony ampiasaina no tarigetrany voalohany amin’ny fikasany mba hitarika antsika any amin’ny fahasimbana ara-batana sy ara-panahy.

Tena ilaina ny fahatakarana ny fikasan’ny fahavalo iray mba hiomanana tsara amin’ny fanafihana mety hitranga.11 Satria fantatry ny Kapiteny Môrônia tsara ny fikasan’ireo Lamanita dia vonona izy ny hihaona tamin’izy ireo tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo ary dia nandresy.12 Dia mihatra amintsika tsirairay ihany koa izany fitsipika sy fampanantenana izany.

“Raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra.

“Ary izany dia mba hahazoanareo miala ny herin’ny fahavalo.”13

Fanasana, fampanantenana, ary fijoroana ho vavolombelona

Tahaka ny fahafahana mianatra lesona manan-danja avy amin’ny fandinihana ny toetran’ny guépards sy ny topis dia tokony hitady ireo lesona sy fampitandremana hita ao amin’ireo tranga tsotra miseho amin’ny fiainana andavanandro toy izany koa isika. Koa satria mikatsaka saina sy fo misokatra handray fitarihana avy any an-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika, dia ho ireo zavatra mahazatra iainantsika manokana no ipoiran’ny sasany amin’ireo torolalana lehibe indrindra izay mety ho azontsika sy ny maro amin’ireo fampitandremana mahery vaika izay afaka miaro antsika. Ao amin’ny soratra masina sy amin’ny fiainantsika andavanandro no misy ireo fanoharana mahery vaika.

Telo amin’ireo lesona maro izay hita tamin’ny dianay sy i Susan tany Afrika ihany no nasongadiko teto. Manasa anareo sy mamporisika anareo aho mba handinika io tantaran’ny guépards sy topis io ary hamantatra lesona fanampiny ho anareo sy ny fianakavianareo. Tsarovy mandrakariva azafady fa ny tokatranonareo no tena ivon’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara.

Raha mamaly am-pinoana ity fanasana ity ianareo dia hisy eritreritra nentanim-panahy ho tonga ao an-tsainareo, hisy fahatsapana ara-panahy handrombona ao am-ponareo, ary dia ho fantatrareo ny zavatra izay tokony hatao na hotohizana mba hahafahanareo “mitafy ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra mba hahatantesanareo ny andro mahory, mba hahatohitra ianareo rehefa avy nanao ny zava-drehetra.”14

Mampanantena aho fa hirotsaka eo amin’ny fiainanareo ireo fitahian’ny fiomanana mahomby sy ny fiarovana ara-panahy rehefa miambina ombam-bavaka amim-pahavitrihana sy tsy tapaka ianareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fibosesehana mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia manome fiarovana ara-panahy ary mahatonga fifaliana maharitra eo amin’ny fiainantsika. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa hanohana sy hankahery antsika ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty sy velona mandritra ireo fotoana tsara sy ratsy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana masin’ i Jesoa Kristy Tompo, amena.