2020
Jesoa Kristy, ilay fanantenantsika azo antoka amin’ny fiainana mandrakizay
Aprily 2020


HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROM-PARITRA

Jesoa Kristy, ilay fanantenantsika azo antoka amin’ny fiainana mandrakizay

“Amin’izao fotoan’ny Paska izao isika dia mankalaza ny fisian’ny fanantenana izay ananantsika ao amin’ny fiainana be fahasoavana izay azontsika sitrahana noho i Jesoa Kristy.”

Ny tenivavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy dia mifototra amina fotopampianarana tsotra sy lalina: tonga teto an-tany Izy amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’Andriamanitra Azy, nalefan’ny Ray mba hanavotra ny zanak’Andriamanitra rehetra izay nisafidy ny drafitry ny famonjen’ny Ray, amin’ny fahafatesana ara-batana izay tonga tamin’ny alalan’ny Fahalavoan’i Adama, sy hanavotra ny tsirairay, miankina amin’ny fibebahana, amin’ny fahafatesana ara-panahy izay tonga noho ny fahotany manokana. Ny fampanantenana ao amin’ny Drafitry ny Ray dia hoe, izay rehetra mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mitandrina ireo didin’ny Ray dia handova ny fiainana mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay dia ny fiainan’ny fanahy feno voninahitra, izay mandrakotra ny fitambarana mandrakizain’ny fanahy madio tonga lafatra ao amin’ny fahamarinana sy vatana iray feno voninahitra, ny fanahy mitodika mankany amin’ny fifaliana sy fiadanana hatrany.

Nanambara momba ny asa fanompoany teto an-tany i Jesoa Kristy nanao hoe: “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be”1.

Amin’izao fotoan’ny Paska izao isika dia mankalaza ny fisian’ny fanantenana izay ananantsika ao amin’ny fiainana be fahasoavana izay azontsika sitrahana noho i Jesoa Kristy.

Manana tombony isika miaina amin’izao andro farany izao izay fotoana mampatanjaka ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona ao am-pontsika manokana mikasika ny fisian’Ilay Kritsty velona noho ny tenivavolombelona voarakitra an’ireo mpaminany natsangan’ny Ray hijoro ho vavolombelony.

Efa nijoro ho vavolombelona ireo mpaminany velona amin’izao androntsika izao hoe: “Mijoro ho vavolombelona izahay, amin’ ny maha-apôstôly voatendriny anay—Fa Jesoa no ilay Kristy Velona, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tsy mety maty intsony . . . izay mijoro eo an-tanan-kavanan’ Andriamanitra Rainy ankehitriny”2.

Nijoro ho vavolombelona mikasika ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanakalahy taminy tao anatin’ny fahitana voalohany i Joseph Smith izay nofidin’ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny indray ny Fiangonany eto an-tany: “Nahita hazavana marina tokoa aho, ary teo afovoan’izany hazavana izany, dia nahita Olona roa aho ary niteny tamiko marina tokoa Izy ireo”3.

Taty aoriana dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisehoana iray hafa nataon’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty taminy sy tamin’i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izy: “Ny masony dia tahaka ny lelafo; ny volon-dohany dia fotsy tahaka ny orampanala tsy misy fangarony; ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be . . . manao hoe:

“Izaho no voalohany sy farany; Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina; Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ny Ray”4.

Nijoro ho vavolombelona i Môrônia ny amin’ny fanantenany amin’ny andro hitsanganany amin’ny maty tamin’ireto teny ireto: “Handeha tsy ho ela aho hiala sasatra ao am-paradisan’ Andriamanitra, ambara-pikamban’ny fanahiko sy ny vatako indray, ka hitondrana ahy mpandresy eny amin’ny habakabaka, hihaona aminareo eo anoloan’ny toeram-pitsarana mahafinaritr’Ilay Jehovah Lehibe, ny Mpitsara Mandrakizain’ny velona sy ny maty”5.

Taty aoriana i Joseph Smith dia nijoro ho vavolombelona voalohany momba ny fahitany an’i Môrônia tamin’ny naha-olona tafatsangana tamin’ny maty azy: “Nanao akanjo lava malalaka ary fotsy mangatsakatsaka fatratra izy. Ny hafotsiany dia mihoatra ny zavatra rehetra izay efa hitako teto an-tany hatrizao; sady tsy mino koa aho fa azo atao izay hahatonga ny zavatry ny tany ho fotsy sy hamiratra fatratra toy izany. Nihanjaka ny tanany ary ny sandriny koa, hatreo ambony kelin’ny hatotanany; nihanjaka ihany koa ny tongony, ary koa ny ranjony, hatreo ambony kelin’ny kitrokeliny. Tsy misarona ihany koa ny lohany sy ny tendany. Tsikaritro fa tsy nisy afa-tsy io akanjo lava io teny aminy, ary satria vaky anoloana izany dia hitako ny tratrany.

“Tsy ny akanjony ihany no fotsy izaitsizy fa ny tenany iray manontolo dia namirapiratra tsy hay tantaraina, ary toy ny tselatra marina tokoa ny tarehiny. Nazava fatratra tokoa ilay efitrano nefa tsy mbola tena namirapiratra noho izay manodidina avy hatrany ny tenany. Raiki-tahotra aho raha vao nahita azy; nefa tsy ela dia nandao ahy ny tahotra.

“Niantso ahy tamin’ny anarako izy ary nilaza fa iraka avy teo anatrehan’ Andriamanitra hankaty amiko ary i Môrônia no anarany”6.

Nizara izao tenivavolombelona manaraka izao tamin’ny vahoakan’i Isiraely i Petera, ilay Apôstôly mpiahin’ny Fiangonan’i Kristy izay niara-nandeha an-tongotra sy nampianarin’ny Tompo: fa i Kristy izay nampanantenain’ny Tompo an’i Davida tamin’ny faminaniana—ary izay hivoaka avy amin’ny taranak’i Davida izy tenany—dia efa natsangan’Andriamanitra araka ny nampanantenaina. Fa izany olona izany indrindra no nohomboan’izy ireo ireo, ary izany olona izany dia nasandratra ankehitriny—izay mbola nandatsaka ny Fanahy Masina izay hitan’izy ireo teo anivon’izy ireo7.

Nandritra ny fisehoany teo anivon’ireo Nefita, ilay Kristy tafatsangana tamin’ny maty dia nanasa ny valalabemandry mba hanatona tsirairay sy hitsapa amin’ny tanan’izy ireo manokana ireo ratra izay efa niaretany teo amin’ny hazo fijaliana8.

Nijoro ho vavolombelona i Joba ela be talohan’ny asa fanompoana nataon’i Kristy teto an-tany hoe: “Dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy:

“Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra:

“Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko”9.

Nijoro ho vavolombelona i Paoly hoe: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.

“Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry”10.

Tranga iray tsy manam-paharoa eo amin’ny fiainan’ny olombelona ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Talohan’izany dia nisy ny finoana fa tsy ilay fahalalana tomombana sitrahantsika amin’izao androntsika izao. Noho izany, aoka ny finoantsika ny hafatry ny drafitry ny famonjen’ny Ray mba hatanjaka eo am-pankalazantsika ny Paska, izay ifaliantsika lehibe tokoa.

Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2009 i Joseph W. Sitati. I Gladys Nangoni no vadiny ary manan-janaka dimy izy ireo.

Naoty

  1. Jaona 10:10.

  2. “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ireo Apôstôly”, Liahona, Apr. 2000, 3.

  3. Joseph Smith—Tantara 1:25.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:3–4.

  5. Môrônia 10:34.

  6. Joseph Smith—Tantara 1:31–33.

  7. Jereo ny Asan’ny Apostoly 2:14–40.

  8. Jereo ny 3 Nefia 11:10–17.

  9. Joba 19:25–27.

  10. 1 Korintiana 15:19–20.