PEJY EO AN-TOERANA
Fanatitra amin’ny fifadian-kanin-drahalahy John
“Ry Andrew, tsy ho fantatrao na oviana na oviana ny fiantraikany nentinao teo amin’ny fiainako tamin’ilay sabotsy maraina rehefa tonga teo am-baravarako ianao niaraka tamin’ilay valopy manga iny. Mety efa nihevitra ianao hoe fotoana very fotsiny iny, saingy fitahiana no tonga teo amin’ny fiainako satria ianao dia nanome fahafahana ahy handoa ny fanatitro amin’ny fifadian-kanina.”
Tsy nampino ahy ny zavatra izay hitako. Iny izy, mijoro eo amin’ny polipitra. Tsy mbola nahita an-drahalahy John tany am-piangonana aho taloha, indrindra fa hoe naheno azy nijoro ho vavolombelona. Iray volana taty aoriana dia tonga niangona izy ary nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany.
Izany rehetra izany dia nanomboka indray alahady maraina izay tao amin’ny fivorian’ny kômity mpanatanteraky ny fisoronana. Izaho dia filohan’ny zatovolahy tamin’izany. Vao avy namaky tao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana izahay, ary ny eveka dia nipetraka tamim-pahanginana sy nisaintsaina. Avy eo dia nitraka izy ka niteny hoe, “Tiako ireo rahalahy mpihazona ny fisoronana Aharôna mba hanomboka hanangona ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina avy amin’ireo mpikambana malaindaina.” Nangataka anay izy mba hampandray anjara an’ireo mpampianatra sy mpisorona.
Talanjona aho tamin’izay. Ao Le Cap Afrika Atsimo, ny ankabetsahan’ny mpikambana dia monina amin’ny toerana mifanalavitra. Eo amin’ny 35 minitra eo ho eo raha mandeha fiara ny halavirana avy amin’ny ilan’ny paroasy mankany amin’ny ilany iray. Ireo zatovolahy ireo dia tsy mbola nanangona fanatitra amin’ny fifadian-kanina hatramin’izay satria izy ireo dia tsy afaka nandeha an-tongotra nankany amin’ny tranon’ireo mpikambana. Lehibe loatra ny halavirana, ary izahay dia niahiahy ny amin’ny fiarovana azy ireo.
Nanao drafitra ny kômitinay rehefa nifanakalo hevitra momba ny fomba izay hahafahanay handresy ireo sakana ireo. Ny kôlejin’ny loholona dia nanaiky ny hanendry rahalahy mba hitondra zatovolahy ho any amina tokantrano maromaro isaky ny sabotsy mialoha ny alahady fifadian-kanina. Nozarazarainay ho faritra ny paroasy ary dia nanendry ny mpinamana tsirairay avy izahay mba hamangy fianakaviana mazoto vitsivitsy ary koa fianakaviana malaindaina vitsivitsy. Tonga saina izahay fa ny drafitra nataonay dia ho fahafahana tsara ho an’ireo rahalahy mba hifankafantatra amin’ireo zatovo ary koa ho an’ireo zatovo mba handray torohevitra avy amin’ireo loholona.
Rehefa nasehonay an’ireo zatovolahy ilay drafitra dia tena maika ny hanandrana an’izany izy ireo. Nampahatsiahivinay izy ireo hitafy akanjo fanao amin’ny alahady ary ny hoe ity dia isan’ny andraikitra masin’izy ireo amin’ny fitandremana ny paroasy.
Notendrena aho mba hitondra ny zandriko lahy Andrew. Ny sabotsy manaraka dia namangy avokoa ireo olona tao amin’ny lisitra azonay izahay, saingy tsy tao an-trano ny ankabetsahan’ireo olona. Ny mpikambana farany izay novangianay dia Rahalahy John, izay olona tsy dia fantatray loatra.
Nivoaka ny fiara i Andrew, nandondona tamin’ny varavarana, ary niandry. Efa saika hiverina tao amin’ny fiara izy rehefa nisokatra ny varavarana. Nandray ny tanan-drahalahy John i Andrew sady niteny hoe, “Manahoana, Andrew no anarako, ary izaho dia avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Alahady fifadian-kanina rahampitso ka ny eveka dia nangataka anay hitsidika ireo mpikambana mba handray izay fanatitra amin’ny fifadian-kanina irin’izy ireo homena.”
Nanolotra valopy iray tamin-drahalahy John izy. Talanjona Rahalahy John, saingy niditra tao an-tranony niaraka tamin’ilay valopy izy anefa. Afaka minitra vitsivitsy dia nivoaka avy tao an-trano izy sady nitsiky. Nisaotra an’i Andrew tamim-panajana izy sady nanolotra an’ilay valopy taminy. Nivoaka ny fiara aho, ary niresadresaka elaela izahay telo. Rehefa nandeha izahay dia nikopakopa-tanana an-drahalahy John sady niteny hoe, “Ataovy izay hahatongavanao amin’ny volana manaraka.” Faly izaitsizy tokoa i Andrew nandritra ny fiverenanay nankany am-piangonana, ary dia naverinay tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny episkôpà ireo valopinay.
Novangianay Rahalahy John ny volana manaraka. Tsara foana ny fandraisany anay. Rehefa afaka volana vitsivitsy dia nanomboka nanatrika fotoam-bavaka izy nandritra ny alahady fifadian-kanina. Nampahatsiahy azy an’ireo fivoriana isaky ny alahady izay tokony hatrehiny ny famangianay azy isaky ny sabotsy ka dia tonga izy ny andro manaraka.
Tena faly be izahay rehefa niverina mazoto ao amin’ny Fiangonana indray Rahalahy John. Nahatsapa fifamatorana manokana aminy izahay. Tsy misy teny afaka maneho ny hafaliana izay tonga taminay noho ny fanahy iray izay niverina tao amin’ny vala. Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia nanatrika tsy tapaka izy, ary tsy ela dia voantso tao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izy.
Ho anay, ny zavatra tena nisongadina tao amin’io zavatra niainana io dia tonga rehefa nasaina hanao lahateny tao amin’ny fivoriana Fanasan’ny Tompo Rahalahy John mikasika ny fahafolonkarena sy ny fanatitra. Rehefa hamarana ny lahateniny izy dia niresaka mikasika ny famangian’i Andrew voalohany azy.
Niaraka tamin’ny ranomaso dia hoy izy hoe: “Ry Andrew, tsy ho fantatrao na oviana na oviana ny fiantraikany nentinao teo amin’ny fiainako tamin’ilay sabotsy maraina rehefa tonga teo am-baravarako ianao niaraka tamin’ilay valopy manga iny. Mety efa nihevitra ianao hoe fotoana very fotsiny iny, saingy fitahiana no tonga teo amin’ny fiainako satria ianao dia nanome fahafahana ahy handoa ny fanatitro amin’ny fifadian-kanina. Ny asa fanompoanao no isan’ny antony iray maha-eto ahy anio.”