2020
Ahoana no atao mba hanomanana lahateny atao mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo
Aprily 2020


Hanatsara ny fahaizanao

Ahoana no atao mba hanomanana lahateny atao mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo

Ny lahateninao manokana no omano fa aza mamaky fotsiny ny lahatenin’olon-kafa.

  • Mampiasà soratra masina iray na mihoatra.

  • Manasà ny Fanahy mandritra ny fanomananao. Asao ny fanatrehan’ny fanahy ao amin’ny fivoriana Fanasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fijoaroana ho vavolombelona ny amin’ny zavatra izay inoanao ho marina.

  • Mieritrereta tantaran’ny tena manokana izay mifandray amin’ilay fitsipiky filazantsara nasaina horesahinao. Inona no zavatra nianaranao avy tamin’izany zavatra niainana izany? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’izany anao?

  • Manaova fanazarana hatrany hatrany. Alaivo antoka fa vita ao anatin’ny fe-potoana nomena ny lahateninao.

Fitaovana enti-miomana

  • Fintino ny lohahevitra hovohizinao.

  • Manapaha-hevitra ny amin’ny zavatra izay tianao hofantarina, hinoana, ho tsapa, ary hataon’ny daholobe.

  • Soraty ny hafatra hampitainao.

  • Manaova teny fampidirana sy teny famaranana.

Tsy ho anao ny lahateny ataonao.

  • Mitondra fanomezana iray ianao.

  • Mijoro mba hamaly vavaka mangina ny amin’ny fomba ahafahan’ny olona iray hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ianao.

Hamoaka printy