2020
Ilay Fahagagana Norveziana
Aprily 2020


PEJY EO AN-TOERANA

Ilay Fahagagana Norveziana

“Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo tamin’ny nanomezany fitaomam-panahy ny filohan’ny misiôna iray mba hamindra toerana tampoka ilay hany misiônera norveziana tao amin’ny kaontinantan’i Afrika tamin’ilay faritra nonenan’io rahavavy malala io izay nila mpandika teny norveziana.”

Fony aho filohan’ny misiôna tao Afrika Atsimo tamin’ny 2005 dia nahatsapa bitsika tena nahery avy tamin’ny Fanahy aho mba hamindra toerana ilay misiôneranay Norveziana, dia Elder Joseph Henriksen izany, tany amin’ny toerana lavitra be teo amin’ny faritry ny misiôna, teo anelanelan’ireo fotoana fifindran-toerana mahazatra, mba hanolo misiônera iray izay nila fandidiana. Vao avy nanao dinidinika tamin’i Elder Henriksen tany Queenstown aho, izay lalana adiny roa ana habakabaka miampy adiny roa mandeha fiara avy eo Le Cap, ka raha iny aho tao anaty fiaramanidina hiverina hody iny dia niteny tsy tapaka tamiko ny Fanahy fa izy no nila nafindra tao amin’ny sampan’i Strand ka hanolo toerana ilay elder nila fandidiana.

Vantany vao [niverina] tany amin’ny biraon’ny misiôna aho dia niantso an’i Elder Henriksen ary nasaiko nangorona ny entany izy. . . . Nalainay tany izy [ny ampitson’io] ka noresahinay taminy ny momba ny faritra vaovao hiasany, izay tsy nahavitana batisa nandritra ny 18 volana. Nohazavaiko tamin’i Elder Henriksen fa izy no ilay nofidin’ny Tompo mba ho any ary hitondra fiovana eo amin’izany sampana izany. Nampahafantarinay azy ny mpiara-mitory aminy vaovao izay nitondra azy tamin’ny fiara nandritra ny ora iray manaraka ho any Strand, faritra misy tora-pasika tsara tarehy eo amin’ny Ranomasimbe Atlantika, izay sahabo ho 80 kilaometra atsimon’i Le Cap.

Nandritra ny herinandro voalohany tao amin’ny faritra vaovao niasany i Elder Henriksen dia namadibadika ny rakitsoratra momba ilay faritra ka nahita olona iray izay natolotr’olona ho ampianarina kanefa tsy mbola natonina, izay nipetraka tany amin’ny tanànan’i Hermanus, izay tanàna eny amin’ny sisin-dranomasina, lalana adiny iray atsimon’i Strand, kanefa ao anatin’ny faritra iandraiketan’izy ireo. Nisy sampana kely iray izay tao Hermanus izay nahitana mpikambana mavitrika teo amin’ny roapolo isa teo, kanefa izy sy ilay mpiara-mitory taminy no misiônera akaiky indrindra teo. Tsy te handany fotoana izy ireo nefa nahatsapa fitaomam-panahy hifandray amin’ilay olona natolotra mba ho ampianarina, hany ka nokarohin’izy ireo ny adiresin’ireo mpikambana rehetra tao Hermanus mba hahafahan’izy ireo mamangy azy ireo sy mifandray amin’ilay olona natolotra mba ho ampianarina ihany koa. Koa dia nanokana andro iray izy ireo hitetezana an’i Hermanus.

Nony tonga izany andro izany dia tao amina tokantrano iray izay natoro azy ireo no nampianaran’i Elder Henriksen sy ny mpiara-mitory taminy lesona voalohany, ary avy eo dia nanomboka namangy ireo mpikambana izy ireo. Nandondona ny varavaran’ny vehivavy mpikambana iray izay gaga be nahita misiônera teo am-baravarany izy ireo. “Tsy nieritreritra mbola hahita misiônera eto Hermanus izahay!” hoy izy nihoraka. Avy dia nambarany azy ireo fa io no andro lehibe indrindra teo amin’ny fiainany. Vao avy nandray tararatasy mirakitra ny tantaran’ny razambeny nandritra ny 300 taona izy. Nientanentana ery izy fa afaka ny hanao asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo olona aman-jatony ao amin’ny fianakaviany izay efa lasana tany aloha tany. Dia nolazainy avy eo fa ny hany olany dia tsy nisy zavatra azony na dia iray aza tamin’izany satria voasoratra tamin’ny fiteny norveziana ilay izy.

Nijery azy i Elder Henriksen sady nitsiky no niteny hoe “Norveziana aho!” Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo tamin’ny nanomezany fitaomam-panahy ny filohan’ny misiôna iray mba hamindra toerana tampoka ilay hany misiônera norveziana tao amin’ny kaontinantan’i Afrika tamin’ilay faritra nonenan’io rahavavy malala io izay nila mpandika teny norveziana. Nandritra ny fanompoany tao dia afaka namangy ilay rahavavy indray mandeha isan-kerinandro izy ary namita ilay fandikan-teny. Nampatanjaka ny finoan’ny rehetra izay tafiditra tao anatin’izany io zavatra niainana io.

Saingy tsy nitsahatra teo ilay tantara. Noho ny zavatra izay hita sy tsapan’i Elder Henriksen tany Strand sy Hermanus dia niantso an-telefaonina izy indray maraina ka niteny hoe “Ry filoha, raha mbola avelanao hiasa aty mandritra ny enim-bolana aho dia mampanantena anao aho fa hanana batisa roapolo isika ao amin’ny sampan’i Strand!” Nampahatsiahiviko azy fa efa ho herintaona sy tapany no tsy nisy olona vita batisa tao amin’io sampana io. Kanefa nahatsapa ho notaomim-panahy aho hamela azy ao mandritra ireo enim-bolana. Inona tokoa fa tsy 20 monja no olona vitany batisa. Nanao batisa olona 21 izy tao anatin’ny enim-bolana monja! Haingana tokoa ny fitomboan’ny sampan’i Strand ka tsy ela dia lasa ho ny paroasin’i Somerset Andrefana ao amin’ny tsatòkan’i Le Cap izany, ary tsy ela koa dia nisy misiônera roa nanompo tamin’ny fotoana feno tao Hermanus, izay namitan’izy ireo batisa maro tao amin’io sampana kely kanefa mitombo be io. Ny Tompo dia tena mahafantatra tokoa ny fomba hametrahana ny olona iray ho ao amin’ny toerana tokony hisy azy amin’ny fotoana ilana azy.